Mitady fanampiana avy aminareo aho

21. Silo ( 06/06/2006 07:48)
fa hono ho\'aho: firy taona io bandy io?
Dia efa fantanao ve fa efa nisy sipa niarahany talohanao?
De ohatran\'ny ahoana ny relation familiale-ny@ RAD?
firy mianadahy?
Nanao ahoana ny fahazazany?
Nandia fianarana ve izy io ohatra na dia hoe : nahavita hatreo @ collège aza? sa mihoatra?

Mila fantarina daholo izany rehetra izany alohany hamaliana io fanontaniana io kanefa moa raha tsy azonao valiana tsy maninona satria perso?

Hovaliako ny fanontaniananao diamondra27:
efa 27 ans io lhlhy io ary 11 mianadahy izy, ary efa nana sipa betsaka izy talohako,
Ny parents tsy mipetraka miaraka aminy fa zokiny vavy no ipetrahany ary io zokiny io indray mifankahazo amiko (fa ny parents mipetraka lavitra be ambanivolo), Izy no faralahy @ izy ireo, ary nandia fianarana tokoa izy satria samy 3ème année @ faculté izahay, izy manao economie izaho manao gestion, Tsy haiko raha voavaly fanontanianao aloha hatreo !

Mikasika ilay boky indray, de izao, tsy ho hitako aty Tamatave mihitsy io, ary lafobe ny nividianako azy io satria 125 000 fmg ny vidin\'1 nefa anakiroa izy any mitovy vidy, ary mbola miasa amiko amin\'izao fotoana izao,olona sendra nandalo taty Madà no nanafarana an\'io, fa tsy fahita @ librairie io, hatramin\'izao,
Izay no tena mampalahelo ahy mafy amin\'izy io,

Aminareo inona no antony i bipeny ahy foana, sady manafatra ny olona mipetraka ao ambadika ahy izy hoe: \"Mampamangy any aminy any, ary mbola tsy maty hono hoe i lery veloma hono hoe\"

Hoatran\'ny mampiomehy ihany ny toetran\'ireto lhlhy ireto indray2 ka,

Misaotra betsaka aloha @ fanampianareo ahy e! ary mbola manantena ny fiaraha miasa hatrany e!



22. rapala ( 06/06/2006 09:09)
silo: mety tena mbola tia anao izy izany, mety nanenina ihany kou izy nisaraka t@nao. Marina fa hoe 27 taona izy fa @ maha-faralahy azy de mety nampetain'ireo mpiray-tampo @ izy de manantena ny hampetaina foana. Ny lhly ange toy ny zazakely raha vao resaka emotion é!
23. Zina ( 07/06/2006 15:10)
rapala ny fahafantarako kosa anefa dia ny contraire an'io satria ny lahy mi-raisona kokoa
24. sasa ( 08/06/2006 03:36)
ilay boky aloha d tena lafo tokoa, ka ny azonao atao angaha raha mety aminao, d miverena miresaka aminy, ary resaho moramora izy hoe, tena ilainao sy ampiasainao amin'ny fianarana ilay boky,mino aho fa raha miresaka tsotra ianareo d homeny ny bokinao. rehefa misaraka anie akia ry silo ka tsy voatery ho gidragidra foana e! afaka alamina tsara ny resaka, ary afaka mijanona ho mpinamana fotsiny aza rehefa tsy afaka ny hifanaraka tsony, ny azoko ambara fotsiny, d mbola tia anao izy matoa sahy mibip sy manafatra olona, saingy d anjaranao sisa no mieritreritra,d raha mety rehefa manao vava aminao izy, d aza mamaly fotsiny,atovy aloha izay hahazoana ny bokinao, d avy eo indray enao mahita.
25. Silo ( 08/06/2006 05:03)
[quote]sasa ]: Marina izany ary ekeko fa ny olona misaraka tsy voatery hiady fa afaka mijanona ho mpinamana tsotra, ary izy anie no mila vanona fa tsy izaho e!, ny fahitako ny zavatra tiany hatao de hamolaka ahy mba hanaiky ny tiany hatao rehetra na tsara na ratsy, izany ve tsy fitiavantena amiko,
Fitiavana izany mifameno amiko, fa tsy misy mandeha ila izany.

Efa nantsoiko izy de noteneniko hoe: ilaiko ny bokiko, ka halaiko tsy any, de hoy ziy hoe: De ahoana na izany izaho ? fa mba miasa amiko koa anie izy io e!, ?, Namaly tsotra aho nanao hoe; samy may @ ny azy aloha izao ka tsy haiko izany,

Hay ve reto itony lhlhy itony ka mila atao sahalamin\'ny zazakely ireny e! ??
26. Fiffi ( 08/06/2006 05:46)
diamondra: :oops:
27. mamzelkely ( 08/06/2006 06:43)
silo refa mbola manafatra an le olona ao ambadika izy de afaro ko le olona nafarany we velouma we de izy ko mbola velouna sady mila mi-recupere-ny bokiny sinon de tongava any antranony au moment fatatry njy we ts ao atrano izy vu que njy mifanaraka tsara amin'ny anabaviny de alaivo ao zay zao ny hitako we solution mety njinja:)
28. Fiffi ( 08/06/2006 06:49)
Silo:
Hay ve reto itony lhlhy itony ka mila atao sahalamin\'ny zazakely ireny e! ??
zany an ?


29. tisera ( 08/06/2006 14:11)
silo>>> fa ankoatra ny boky ve, mbola misy izay tavela ao am-po -n'i silo @ ilay bandy é? Raha efa tena sitrana @ izay nahatezitra na nankarary dia teneno azy hoe noho ny hasarobidin'ilay boky noho ny fianarana no hangalana ny boky fa tsy hoe manome tsy foy² .Ts'isy ohatry ny mifampiresaka mivantana fa lé olona hafarana mety misy hafatra voatelina na mety hanisy sira ; sady miova ny "version" fa tsy original sa ahoana?!
30. sasa ( 09/06/2006 05:07)
tisera marina mintsy io, mila miresaka ianareo d alaivo ny bokinao, d aza mifanao vavabe izany fa tsy mahasoa loatra io
31. Silo ( 09/06/2006 08:24)
tisera >>> tsy misy izany mbola misy izay tavela izany eo a!!!!!, fa tena resaka boky no olana eto satria efa tsy te hifanerarera aminy aho, sady tsy tiako koa ny hisian'ny ady be eo aminay fa aleo manao fialan'olonkendry,
Ary ny ahy tsy tiako koa izany hoe olona niaraka de nifankatia de rehefa misaraka de ho lasa mpifahavalo izany, Fitia tsy raikitra ve no ...... tsy forcer io fa sitrapo,

Kanefa raha izaho no ilana vanony de ......

Eo no mbola anana tahotra kely ny hifampiresaka aminy satria raha ny hafatra reko sy ny fahitako ny zvtra ataony de toa mbola tsy te hahafoy izy, saingy diso fihetsika tamiko,
32. Fiffi ( 10/06/2006 05:05)
ka mainona nefa raha olonkafa no hasaina maka ireo boky eh!
33. tisera ( 11/06/2006 08:12)
io lazain'i fiffi io atao raha manahirana be ny miresaka amin'ileiry !
34. Aino ( 11/06/2006 13:15)
ary raha indry no milaza azy hoe avereno aty ilay bokiko fa ilaiko de maninona? mety tsy homeny ve?
35. Silo ( 12/06/2006 14:45)
Efa nalehako tany antranony izy de nagatahiko ilay bokiko, de lazainay fa mbola navelany any @ mpanao photocopie hono ka hatery refa vita photopie,
de miandry aloha, jereko eo indray zay ho tohiny.
36. Fiffi ( 13/06/2006 05:48)
fa nga hono mila fotoana firy andro manao photocopie ? hummm !
37. Silo ( 13/06/2006 12:41)

Misaotra anareo reto fa vita ny ady an !

Nateriny omaly alina ny bokiko, azoko daholo ilay izy, fa nilaza izy fa hoe mbola indraminy ihany hono @ manaraka refa vita ny ilako azy,
Eny hoy aho mantsy azy fa @ manaraka izy alainao , nefa manatitra amalona an-davaka izy @ izany.

Merci anareo rehetra nanolokevitra tamiko tamin\'iny.

38. Aino ( 15/06/2006 07:23)
fa anga de 100.000 pazy izy ity no tao ela be no hanaovana photocopie azy ka!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.474