CLANDESTINS MALGACHES EN FRANCE.

41. Fanja1 ( 07/06/2006 08:12)
mamzelkely calme njy fa na tsy vaza aza sarkozy izy aloha zao no manana pouvoir kou :(
42. Herimiafina ( 07/06/2006 11:24)
Raha Frantsay i Sarkouzy dia lasa jean-Marie lepenn tampoka, hehehehe:-D
43. Fanja1 ( 07/06/2006 12:16)
herimiafina :-D=))=))
44. Fiffi ( 08/06/2006 06:10)
Fanja: tsy mahagaga akia izy io an! :-D:-D:-D:-D

Fa indrisy na iza faly na iza tezitra , azy ny fahefana , inona nefa no azon'ny olona hatao ? sady miaro ny azy koh izy , fa na izany aza , mampalahelo.
45. xxx ( 08/06/2006 06:29)
n'inon'inona "tora-po" lazaintsika eto, ny lalàna dia lalàna , ary indrindra nahafantatra ireny olona niditra d'une manière illégale teto fa tsy ara-dalàna ny zavatra ataony

Eritrereto ange hoe tsy misa ny lalàna e, samy manao izay tiany hatao n'aiza n'aiza , dia inona no hitranga @ ity tany ity.

ny mampalahelo koa dia betsaka ny couple manao hoe rehefa miteraka aho dia tsy azo roahina intsony, tena fomba fisainana mampalahelo satria ny zaza izany dia nateraka mba hahafahana mijanona eto ???

momba ny mpianatra indray, efa argument ampiasain'ny fanjakana frantsay foana ity , ary tokony tsy ho hadino : "hianatra no nandehananareo aty fa tsy hiasa" , mazava tsara ilay izy fa isika no diso hevitra hatrany am-boalohany. Rehefa tena dinihana dia mitovy @ cas ihany hoe niditra en tant que touriste dia avy eo tsy te-hiverina intsony, titre de séjour valable pour une période determinée no omeny ny mpianatra fa tsy indeterminée akory

Sanatria tsy hoe masiaka be akory raha miteny an'izany, miara-manaiky @ rehetra fa mampalahelo ny zava-miseho @ izao fotoana, fa izay aloha no misy. Sendra ny hery tsy mitovy isika ka tsy afa-manoatra
46. Fiffi ( 08/06/2006 06:46)
xxx:

ny mampalahelo koa dia betsaka ny couple manao hoe rehefa miteraka aho dia tsy azo roahina intsony, tena fomba fisainana mampalahelo satria ny zaza izany dia nateraka mba hahafahana mijanona eto ???
io aloha de tena marina tsy azo lavina! tena mampalahelo tokoa. Fa na izany aza aloha de misy hiany no nahazo regularisation @ io an! Fa na izany aza de zay zaza teraka @ firenena iray de automatika ny hahazahoany nationalité an!


47. xxx ( 13/06/2006 07:10)
za v moa mba hahita izany lafrantsa zany
ka tsy d hitako laoatra hoe aoana fa ireo akamako any no mampanaelo anah eh
raha manao fitsidihana aty lery d itondratsiak sorabaventy miitsy kah
48. hery ( 13/06/2006 08:10)
O ry zareo a. Tsy Frantsa irery no andafy... Raha vonona ny hiala amin'ny fanjanahana rehetra ataon'i frantsa dia mitadiava toerana hafa. Mitenena teny kréol (aza miraharaha zay teny Frantsay ara-dalàna indrindra rehefa miresaka @ Frantsay). Faizo (amin'ny ara-dalàna :-)) zay Frantsay hitanao any amin'ny sisiny any.
Mandehana mipetraka @ toerana hafa (Canada, Belgique sns...)
49. Fiffi ( 14/06/2006 13:37)
xxx: eny eh! fa ny gasy kosa anga mba hampafirin'ireo arabo sy sns....ato frantsa ? le xxx ery ambony no tiako lazaina an! hihihihi !
Fa marina aloha ny an'i hery an! raha any canada na belgique manko mbola somary mora hiany ny fidirana any . Ary any Italie ry hery ?
50. fasaly ( 14/06/2006 18:32)
zà kalou isaky ny miala ny tgv ao am gare du nord de voasava pas foana e! miseho milay be ry zalahy polisy mampitahotra na ny tarehiny aza, mibetroka sns...fa mba nibetroka kou ny tenanay satria maharombotra beuh ry zalahy efa ho nisy dimy ry zareo en tenue civil dool mifandimby mijery mamadibadika ny C.I ka tena nangaoingaina niala teo dooly fa nanatena beuh we sakafo tsika ity fa ho tratra:twisted:grrrrrrrrrrrrrrrrrrrrrrrr!!!!! ny ahy lay paozindry zareo mintsy no tsy voako ny fihetsiny sns.....mba asiana fanajàna na izany aza na manana paps lay ou na tsia:x

eto aminay kalou mbola milamina ihany na izany aza e!
asa na haka tahaka kou na ahoana?????
fa de korazy dooly zay ao anatin\'ny situation menacés e!:-* tsisy azo hatao tsinona kou!:(
51. Fiffi ( 15/06/2006 07:15)
Fa zao kosa aloha no zavatra tena mahagaga ahy an! Ary tena marina an!
-Ny arabo ato frantsa tsy mba sahin'ry zareo emmerdena tahak'izany satria nahoana ?

-Ry zareo be vava sady sahisahy

-Raha vao misy zavatra kely tonga mamorona de tonga de lasa hoe discrimination ary mi-se meler daholo ny organisation contre le racisme.

-Raha sanatria ka misy fifamaliana kely na olona voasambotra , tonga tonga ny fanimbana ny rehetra , fandorana ny fiara , famakiana magazay san....

-Ny gasy ve de sahy anao an'izany ? mba sahy mitrerona tahak'izany ve isika ? na de hita zao aza fa tsy rariny indraindray de mangina fotsiny.

-Misy anefa ny association gasy miady @ io saingy mampalahelo fa tsy de hita loatra izay fihetsehany.

-Tsy ampy firaisan-kina koa isika indraindray fa raha vao misy olona tratra na nahazo olana de mitsaoka matanjaka fotsiny. (miala tsiny fa tena nahita an'io aho an) tsy ny gasy rehetra akory fa tena misy.
52. fasaly ( 15/06/2006 08:14)
hery:

O ry zareo a. Tsy Frantsa irery no andafy.
Mandehana mipetraka @ toerana hafa (Canada, Belgique sns...)



hihihihi! ny eto aminay (belgik) ny congolais no mameno azony zanatanin'i blege taloha ny congo:wink:
53. Fiffi ( 15/06/2006 08:37)
fasaly: humm ! zany an ? voasava foana ve ndry ? zah indray aloha de tena tsoriko fa na de 1 fotsiny aza mbola tsy voasava an! nefa efa firy taona zay zah no taty ?
54. Fiffi ( 15/06/2006 08:38)
hihihihhi fa raha fiara aloha de tena loza mihintsy an! :-D:-D
55. tisera ( 15/06/2006 12:11)
f'angaha nandeha mafy loatra fiffi no savain-drizareo?
56. Fiffi ( 15/06/2006 15:19)
an3 kah ! fa misy contrôle de paps ny fiara .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2362