AKAIKY TOKOA NY FIFIDIANANA MANKO AN!

1. OLPolonaleopolitika ( 02/06/2006 14:01)
Asa ianareo raha mahatsikaritra fa toy ny vôngory ny mpanao pôlitika malagasy.Ny vôngory refa malemilemy ny tany izany hoe avy iny ny orana dia foy dia mivoaka manidina etsy sy eroa.
Ka moa tsy toy izany ve ireto mpanao pôlitika ho avy ny fifidianana dia misahotaka etsy misahotaka eroa .Ry Atoa isany :TOVONANAHARY Rabetsitonta(GRAD ILOAFO) izay manambara ao @ gazety fa tokony hifanantona ny 2 tonta ny mpanohitra sy ny mpitondra sao hisy indray ny korontana aorian'ny fifidianana
ao koa ry OLIVIER RAKOTOVAZAHA (KMSB)izay nilàza fa na inoan hidona na inon-kiatra tsy maintsy hiaro ny safidim-bahoaka ! ry NY HASINA ANDRIAMANJATO sns ...

Etsy andaniny koa ny mpanohitra manome ultimatum momba ireo gadra pôlitika sns...
Mandritra ny 20 andron'ny prôpagandy mody manamboatra làlana ,mody mamàfa làlana ,nefa ny mitàna angady sy kofafa aza tsy hay akory.

KA RAHA TOY IZAO NO MAMPIFOHA NY TORIMASON'IREO MPANAO POLITIKA GASY TSY ANDAO ISAKY NY 1 TAONA MIFIDY FILOHA E DIA MBA TSY TOY NY VONGORY TOY IZAO IZY IREO?.....
novalian'i tsoupou ny 08/07/2006 12:02
2. OLPolonaleopolitika ( 02/06/2006 14:48)
ho an'izay tsy mahalàla ny atao hoe voangory na hannetons
http://hannetons.free.fr/photo.htm
3. Fiffi ( 02/06/2006 15:01)
mampalahelo raha hanaovana comparaison @ biby ny olombelona.
4. Herimiafina ( 02/06/2006 18:07)
Ny mahagaga hoa de champion amin'ny fifidianana ny any amin'ny tany mahantra e, toy ny hoe champion amin'ny fimenomenomana sy ny champion amin.ny fisolosoloana prezida ary ny ady antrano e.
5. Rainikarabo ( 02/06/2006 18:46)
fa ny any amin'ny tany mandroso angaha ry Herimiafina tsy manao fifidianana?

OLP> zavatra normal ange izany e, hiatrika fifidianana no antony hananganana antoko politika, raha antoko politika nefa tsy hiatrika fifidianana dia ny tsy hitako izay maha-antoko azy.Ary eo ny fotoana tsara indrindra afahan'ny rehetra maneho ny heviny mba azahoana vato ka inona indray!
6. Herimiafina ( 02/06/2006 18:50)
Manoa fifidianana kah, fa milamindamina tsy misy matetika e! tsy de be structure koa fa tsy sufrage universelle tsinona dia na himenomenona aza de izay alehany ihany no alehany.
7. Rainikarabo ( 02/06/2006 19:08)
Fa any amin'ny tany mahantra angaha misy fifidianana matetika? dia aiza io tany io? mba fantaro fa misy "mandat" efa voafaritry ny lalam-panorenana ange ao e!
Na firenena mahantra na firenena lehibe dia samy miatrika fifidianana foana rehefa tapitra ny "mandat".
Raiso ohatra ny ao France, mbola amin'ny 2007 ny fifidianana nefa izao dia efa mihetsiketsika daholo ny antoko politika.
Averiko indray, zava-misy normal ny mitranga any madagasikara.
8. Herimiafina ( 02/06/2006 19:20)
Misy fanonganana sy ady antrano sy destitution be dia be dia misy fifidianana mtetika kah, nopoizinina amin'ity inona moa izy ity e coallition ity mantsy ny any nefa coallition mifanaliaka fotsiny fa tsy miara-miasa akory e.
Haongana ny eo de fidina ny mpiaro an'iny eo dia ohatr'izay hatrany dia misy mitomany lany misy mitomany deuxieme tour de efa fifidianana daholo izay.
9. Herimiafina ( 02/06/2006 19:25)
Mahagaga marian koa fa election iray, amantaonanay aloha sy amantaonany aty aoriana mbola miresaka an'iny foana.
10. Rainikarabo ( 02/06/2006 19:26)
aiza zany tany misy fifidianana matetika izany?
11. Herimiafina ( 02/06/2006 19:53)
Dago izao anisany, mera, prezida, depiote, senatera, sns. Fa ny any aza tsy dia maninona loatra raha oharina amin'ny sasany.
Ny fifidianana iray amantaonany maro vao milamina, vao azo atao hoe tena efa vita tsy misy resaka intsony.
12. kolokanto ( 02/06/2006 20:08)
Faly miarahaba antsika rehetra ny tenanay. Izay aho vao mba niditra ity forum ity. Dia ny fanontaniana apetrako momba ity lohahevitra ity dia izao. Hono hono ho'ah firenena iza kay ankoatr'i Madagasikara no ahitana antoko politika miorina tampotampoka izany rehefa akaiky ny fifidianana??
13. Herimiafina ( 02/06/2006 20:17)
Jerijereo aminíreny tany voazanaka fahiny ireny fa psychologiquement marina izay.
14. hps ( 03/06/2006 05:45)
Ka samy mba samy mikatsaka izay mahafalifaly ny fony kosa ange ny 1/1 eh!fa na ny tany mandroso koa aza dia ohatr'izany ihany fa takon'ny Fandrosoana fotsiny ny antsika eto Dago koa zao ho takon'ny Pazzapa ndray:-w:-w=))
15. marozevo ( 03/06/2006 21:09)
Na izaho na ianao, na aiza no mipetraka na aiza, ka mbola Malagasy koa, dia tokony hiaiky fa nisy fotoana lava, noviraviraina sy nisimbaina ny maha Malagasy antsika (Colonisation - 1975-2001), ka tsy tokony ho gaga raha toy izao no fijerin'ny sasany amin-tsika.
"Ny omby hàtsika zareo no manaratsy tena ah"... fa raha mba misaina isika dia tsy ny tsikera no atao betsaka fa ny asa fampandrosoana no tokony mba hatrehina.
16. Fiffi ( 04/06/2006 05:43)
marina zany !
17. Rainikarabo ( 04/06/2006 16:32)
any ka tsy izany va! marina 'zany :-D
18. Rainikarabo ( 04/06/2006 16:34)
kolokanto:

Faly miarahaba antsika rehetra ny tenanay. Izay aho vao mba niditra ity forum ity. Dia ny fanontaniana apetrako momba ity lohahevitra ity dia izao. Hono hono ho'ah firenena iza kay ankoatr'i Madagasikara no ahitana antoko politika miorina tampotampoka izany rehefa akaiky ny fifidianana??



ohatran'ny tsy mahafantatra aloha za e, mety misy ihany angamba any ho any
19. Herimiafina ( 04/06/2006 16:44)
Tedavo ao fa feno ao e! Zah tsy hanonona sao misy avy any ato dia mihetsika eo ny hambompony klé.
20. lapino ( 04/06/2006 17:41)
OLPolonaleopolitika:

ho an'izay tsy mahalàla ny atao hoe voangory na hannetons
http://hannetons.free.fr/photo.htm

Toa voangaly sy voatay no hitako ao :lol::lol:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0431