sareraka aiza ianao!! jereo izao fahantranay izao

1. xxx ( 31/05/2006 11:23)
1- ahoana ny vevitrao??

2-fa iza no mandoa ny karamn'i ambasadintsika any ivelany??

3-ny fanjakana malagasy ve sa ny fanjakana any antoerana ?

4-nefa ny gasy miha mahantra be :(


Ambasady Gasy any Alemana : 200 tapitrisa ar. mahery isam- bolana ny karaman’ny mpiasa
31-05-2006 / 10:44
Vola tsy forohana hay ny karaman’ny mpiasan’ny Ambasady any ivelany. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny any Alemana ohatra dia manodidina ny 200 tapitrisa ariary eo ho eo ny totalin’ny karaman’ireo mpiasa ao isam-bolana.

Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia 13 eo ho eo ny mpiasa ao ka ireto avy izany miaraka amin’ny karamany isam-bolana avy : ny mpamily 2 ka ny iray mikarama 5390 euros, mpahandro roa ka ny iray mandray 4290 euros, mpamafa trano roa ka ny iray mikarama 4290 euros, sekretera mpandray antso an-tariby iray mikarama 8580 euros, mpanao « passeport » iray mandray 7000 euros, « attachés » roa ka ny iray miandraikitra ny varotra mikarama 12 000 euros ary ny iray mandray 9370 euros, ny mpiandraikitra ny vola mandray 11 000 euros, ny mpanolo-tsaina voalohany mikarama 14 000 euros ary ny ambasadaoro mandray 153 000 euros.
Araka ny loharanom-baovao avy any Alemana ihany dia tsy vitsy amin’ny mpiasan’ny ambasady no mandray vola mihoatra noho ny raisin’ny depiote Alemana ( 7000 euros ) sy ny « Chancellier » any an-toerana ( mikarama 15 000 euros ). Ny tsoa-kevitra azo raisina, miainga amin’ireo tarehi-marika ireo dia hoe toa inona izany ny elanelan’ny karaman’ny Malagasy any ivelany sy ny mpiasa mety mitovy mari-pahaizana amin’izy ireo eto an-toerana. Ny tsoa-kevitra iray hafa dia ny hoe manam-bola toa inona nyfanjakana Malagasy no afaka manakarama mpiasa mihoatra noho ny raisin’ny depiote Alemana ? Ary ny mahitsy indrindra dia ny hoe : mampiditra vola eto an-tanindrazana mihoatra noho ny mivoaka ve ny ambasady ?

V.R.

©Gazetiko


novalian'i marozevo ny 07/06/2006 19:47
2. xxx ( 31/05/2006 11:25)
ka inona no tsy marina amizany !!!
3. Fiffi ( 31/05/2006 13:35)
heu.... mahagaga ahy fa nijery an'io gazety io aho heu... :wink:
Misy aloha ny manao exagération mihintsy an! Raha tsy hoe inona marina no tena zavatra hataon'ny tsirairay ka andeha handray karama ambony be tahak'izao ?
Mpamafa trano mikarama 4290€ ????? :-D:-D:-D:-D marina mafy raha tsy andeha hanao mpamafa trano avokoa ireo manana BAC+5 ?
4. LazaRandri ( 31/05/2006 22:43)
Fiffi:
Mpamafa trano mikarama 4290€ ????? :-D:-D:-D:-D marina mafy raha tsy andeha hanao mpamafa trano avokoa ireo manana BAC+5 ?

zany ve ahavelona raha any Allemagne tsy lany hofan-trano fotsiny? hahaha!


5. LazaRandri ( 31/05/2006 22:46)
toa tsy ampy hofantrano aza kay raha tsy hoe any Allemagne de l'Est. hahaha! Sa betsaka ve zany ry fiffi?
6. LazaRandri ( 31/05/2006 22:54)
kay kosa kay euros e! hahaha! noheveriko fa RM 4290. Ara-dalana kosa zany fa izy ange corps diplomatique na inona na inona asany e!

fiffi> manam-pahaizana be angaha ny olona manana Bacc +5 ry fiffi?
7. patrick2002 ( 01/06/2006 03:22)
zavatra tsy fatan-tsika dia mialoha ny hananganana masoivoho na ambasady dia mangataka agrement @ firenena hiasanao ianao anisany zavatra jerena amin'izany ny karama ,ka ny firenena hiasanao dia mametraka fa tokony handray karama ambony lavitra noho ny homme d'Etat ao aminy ny diplomate miasa ao aminy ,tsy haiko inona ny antony ,fa ny fiheverako azy dia manana immunité betsaka ny diplomate araky ny charte de geneve ,anisany izany fa tsy azo gadraina ,tsy azo helohina ny diplomate raha manao heloka amin'ny firenena hipetrahany, na dia mamono olona aza tsy azo savaina raha mi-passé frontiere ,ary tsy azo savain'ny police ny fiarany ,
Ny any azo atao dia mandroaka anio diplomate io tsy hiasa ao @ taninao ,izany angamba araky ny fiheverako azy no handraisany diplomate vola tsy toko tsy forohana rehefa miasa, @ firenena iray ary tsy ny diplomate gasy ihany fa ny diplomate ny firenena rehetra.
8. Fiffi ( 01/06/2006 03:34)
LazaRandri:

kay kosa kay euros e! hahaha! noheveriko fa RM 4290. Ara-dalana kosa zany fa izy ange corps diplomatique na inona na inona asany e!

fiffi> manam-pahaizana be angaha ny olona manana Bacc +5 ry fiffi?
heu..... corps diplomatika hoy enao ? mpamafa trano manana BAC+5 ? hummmm !! heu..... inona re no andehanako hamaky loha hitadiavana toerana manja kokoa raha ny mpamafa trano mahazo 4290€ eh ? hummmm!!


9. LazaRandri ( 01/06/2006 03:57)
raha izany toa hoa sarotra be amiko ny hanazava azy amin'i Fiffi fa izaho mantsy Bacc -12. Asa na io notenenin'i Patrick io no mazava kokoa fa izy toa Bacc +14? hahaha!
10. Fiffi ( 01/06/2006 05:45)
:-D:-D:-D:-D:-D
11. papala ( 01/06/2006 09:41)
Ha !ha!ry be BAC kely isany e! bac + indray zany no ho tratrarina amin'izao fotoana ve? ny anay aloha izay ahazoana AZ iahany?
12. LazaRandri ( 01/06/2006 09:46)
papala> enao aza ve tsy mahita fa ny ahy Bacc - (moins fa tsy plus io nosoratako io).
Fa i Fiffi no toa mamno lolo be am le Bacc +. hahaha
13. Fiffi ( 01/06/2006 09:47)
LazaRandri: BAC+5 zany ve tsy azo hatao hoe manam-pahaizana kosa ? :roll:
14. LazaRandri ( 01/06/2006 10:03)
hay ve e? itako no mamono lolo be! hahaha
15. toovs ( 01/06/2006 14:00)
xxx:

1- ahoana ny vevitrao??

2-fa iza no mandoa ny karamn'i ambasadintsika any ivelany??

3-ny fanjakana malagasy ve sa ny fanjakana any antoerana ?

4-nefa ny gasy miha mahantra be :(


Ambasady Gasy any Alemana : 200 tapitrisa ar. mahery isam- bolana ny karaman’ny mpiasa
31-05-2006 / 10:44
Vola tsy forohana hay ny karaman’ny mpiasan’ny Ambasady any ivelany. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny any Alemana ohatra dia manodidina ny 200 tapitrisa ariary eo ho eo ny totalin’ny karaman’ireo mpiasa ao isam-bolana.

Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia 13 eo ho eo ny mpiasa ao ka ireto avy izany miaraka amin’ny karamany isam-bolana avy : ny mpamily 2 ka ny iray mikarama 5390 euros, mpahandro roa ka ny iray mandray 4290 euros, mpamafa trano roa ka ny iray mikarama 4290 euros, sekretera mpandray antso an-tariby iray mikarama 8580 euros, mpanao « passeport » iray mandray 7000 euros, « attachés » roa ka ny iray miandraikitra ny varotra mikarama 12 000 euros ary ny iray mandray 9370 euros, ny mpiandraikitra ny vola mandray 11 000 euros, ny mpanolo-tsaina voalohany mikarama 14 000 euros ary ny ambasadaoro mandray 153 000 euros.
Araka ny loharanom-baovao avy any Alemana ihany dia tsy vitsy amin’ny mpiasan’ny ambasady no mandray vola mihoatra noho ny raisin’ny depiote Alemana ( 7000 euros ) sy ny « Chancellier » any an-toerana ( mikarama 15 000 euros ). Ny tsoa-kevitra azo raisina, miainga amin’ireo tarehi-marika ireo dia hoe toa inona izany ny elanelan’ny karaman’ny Malagasy any ivelany sy ny mpiasa mety mitovy mari-pahaizana amin’izy ireo eto an-toerana. Ny tsoa-kevitra iray hafa dia ny hoe manam-bola toa inona nyfanjakana Malagasy no afaka manakarama mpiasa mihoatra noho ny raisin’ny depiote Alemana ? Ary ny mahitsy indrindra dia ny hoe : mampiditra vola eto an-tanindrazana mihoatra noho ny mivoaka ve ny ambasady ?

V.R.

©Gazetiko





tsy mba faly ve enao raha mba misy gasy mikarama betsaka toy ny vazaha e. sa enao efa zatra ny hoe vazaha kely diploma noho ianao nefa mikarama betsaka noho ianao e. na de any madagasikara ary de ze vazaha kely diploma ary be vola noho ianao na de samy ao anaty boite iray ihany aza
16. Herimiafina ( 01/06/2006 14:46)
Anjekaky oo :{:{
Fa aiza ilay mahantra dia mahantra inona fa toa matavitavy botrabotra eny foana klé.
17. fijo ( 01/06/2006 19:23)
tsy marina ireo karama voalaza eto ireo.mamorona io gazety io raha izany no zavatra asehony ny vahoaka.
18. marozevo ( 01/06/2006 21:26)
Tena tsy marina ireo chiffre ireo, fa raha ireo no marina dia mikarama be lavitra noho ny olona allemand ny gasy miasa ao amin'ny Ambasady.

Angamba mba te handrangitra kely fotsiny ilay gazety.
Raha tsy hoe angaha vavan-gazety .....
19. xxx ( 01/06/2006 22:15)
Ny ahy indray dia ny hoe, mety efa karama nataon'i Zafera t@ andron'i Ratsiraka io no notazonina io. Tsy mahagaga raha tsy nanaiky hiala hatramin'ny farany mihitsy i Malalazo (France), satria sôsy be koa!
Fa ny tena montant marina aloha tsy haiko.
20. FABIOJAX ( 01/06/2006 23:42)

Ary toa tsy misy sareraka mintsy izy ty klé!
zany no tena manam-pahaizana angamba ary tokony
homena vola be.20.000.000€:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1838