FISARAHAMPANAMBADINA

1. hasinando ( 30/05/2006 12:10)


Toa zary tsy manaitra intsony ankehitriny ny miovaova vady indrindra any amintsika ;vady 3 na mihoatr'izany aza .Moa ve tsy maintsy fisarahana foan no vahaolana rehefa misy tsy filaminana eo @ sehatry ny fanambadina na ny fampirafesana ?

Afaka ny mba hamaly ahy ve nareo?
Merci e
novalian'i Fiffi ny 10/06/2006 05:08
2. bellla ( 30/05/2006 12:24)
Raha ohatra ky ka efa tsy ao aminy (ny anankiray ami le mpivady) intsony ny fanahy izay maha olona dia tsy misy vaha olana ankoatra ny fisarahana intsony, refa natao ny fananarana sy izay mety mbola hampitohy ny fiarahana nefa tsy nisy vokany de aleo misaraka toy izany hijaly velona ao.
3. mandrindra ( 30/05/2006 12:40)
marina izany
4. Fiffi ( 30/05/2006 12:55)
Tsy generalizena kosa aloha le fisarahana an! satria misy ary tena mbola misy ny mpivady tena mifanaja .
Misy koa ny fianakaviana izay mitazona ny fomban-drazany hoe tsy misy misaraka ny ao @ fiaanakaviana de tena tsy misy toka moa zany an!
-Fa kosa aloha rehefa tsy misy solution intsony , tsy aleo misaraka toy izay hifampijaly eo ?
5. radriana ( 30/05/2006 13:08)
Tena mampalahelo aloha ilay resaka fisarahana ity e,surtout refa misy ny ankizy. Fa ny mba manitikitika ny saiko fotsiny dia maninona ny mpivady ankehitriny no lasa mora misaraka sy tsy mifankatanty nefa raha mahatsikaritra nareo ny couple taloha maharitra ela be, vitsy dia vitsy no hoe misaraka izany. Sa efa manaraka ny toetsain'ny vazaha ?
6. Fiffi ( 30/05/2006 14:02)
Sa efa manaraka ny toetsain'ny vazaha ?
:roll: fa nga ny vazaha hiany hono no manana olana eo @ mpivady ? Raha lasa mamo lava sy mpisotro taoka ka mampijaly ny vadiny de nahateraka fisarahana ve le gasy de hatao hoe toetsain'ny vazaha zany ? :roll:
7. dongadonga ( 30/05/2006 14:51)
fa maninona moa raha ronono foana no sotroia dia tsy mety misaraka:lol::(
8. Fiffi ( 30/05/2006 15:05)
dongadonga:
fa maninona moa raha ronono foana no sotroia dia tsy mety misaraka:lol::(
an ?
Fa ahoana koh zany ? zany ve de mitombona kosa eh ?


9. Zina ( 30/05/2006 22:44)
efa la mody mihitsy izao zany oe misaraka zany.. la mody oy aho satria izao ny fisainan'ny olona za mahavita tena tsy mila olona hafa, ankehitriny ny olona dia tia vao, otran'ny misolo chemise mihitsy ny fiheritreretana ny olona azy efa very ilay pudeur izay nananany be sy ny maro...I satana koa moa etsy tsy kely lalana manimba ny fisainan-dra olombelona
10. lapino ( 31/05/2006 03:05)
... aleo misaraka toy izany hijaly velona ao ...
... tsy aleo misaraka toy izay hifampijaly eo ?

Raha ohatra manko nanao an'ilay voady iny teo anatrehan'Andriamanitra sy teo anatrehan'ny olona (ny fianakaviana sy ny tapaka sy namana rehetra) tamin'ny mariazy, dia heloka ny fisarahana.
Fa raha ohatra ka mbola mieritreritra hoe "aleoko misaraka toy izay mijaly", dia aleo tsy manao voady, na any am-piangonana io na any amin'ny firaisana.
"... na faly isika na ory, ... tsy misy hampisaraka antsika afa-tsy ny fahafatesana ihany"
11. Fiffi ( 31/05/2006 03:56)
de ny fahafatesana hiany no hampisaraka , io ilay voady . Nefa le voady natao teo anatrehan'Andriamanitra aza tsy hajaina akory...
12. fasaly ( 31/05/2006 04:01)
amiko aloha tsy vahaolana ny fisaraham-panambadiana e! raha ohatra ka mbola azo haravina! fa raha tena zavatra tsy tanty kosa ve na zavatra tsy azo iainana tsony ny ao antrano ao tsy aleo misaraka.
Marina mintsy zany tsy misy tsy tsara otran'ny firesahana foana fa rehefa tsy voalamina eo tsony vao gravy ny raharaha ny mampalhelo amlay fisarahana raha efa misy zaza dia ny anjkizy foana no victime de palelo beuh:cry:
13. Fiffi ( 31/05/2006 04:29)
misy manko taitrataitra @ ity fandehan'ny fiainana ity de manjary tia tena fa tsy mba ireo ankizy ny fijalian'ireo ankizy na ny ho aviny no mba jerena.
14. xxx ( 31/05/2006 04:33)
"... na faly isika na ory, ... tsy misy hampisaraka antsika afa-tsy ny fahafatesana ihany"

Ny ahy indray dia izao no holazaiko, ny antony mampisaraka ny mpivady voalohany dia ny fitsabahan'ny fianankaviana @ tokatranon'ilay mpivady iray izay, ny faharoa dia marina fa tokony hitovy zo ny vavy sy ny lahy fa ny fandraisan'ny vehivavy sasany izany dia lasa manao ankohovavy maneno indray izy nefa ny Soratra Masina nilaza fa "ny lahy no lohan'ny vavy" fa raha samy lohany daholo mantsy dia mindrirotra roa ny tady ka rehefa ela dia tsy maintsy tapaka na dia eo aza io teny notsoahina @ ilay voady atao eny @ pilipitra io.
15. Fiffi ( 31/05/2006 05:58)
xxx: heu... de raha mitovy zo de mazava ho azy zany koh! :wink:
16. chiquitta ( 31/05/2006 06:59)

Ny ahy ny teniko tena tsotra : "ny fitiavana maharesy zavatra maro", ka rehefa misy ny fitiavana dia fantatrao avy hatrany ny tiako ho tenenina fa rehefa tsy misy ny fitiavana dia takatrao avy hatrany koa ny tiako ambara.
17. little ( 31/05/2006 07:08)
marina zany ry Chiquitta saingy ny concept ny fitiavana sy ny fondement du mariage mitsy no efa lasa sy very ao @ tsirairay manambady ka hany ka mivoana ny fiarahana rehefa tonga sarotra kely.
Tsaroako ilay sari-mihetsika misy an'i P. Brosnan zay izay mpisolo vava mpivady malaza tao anatin'ilay tantara. tsy hitantara ah fa zahao raha hitanareo...
fanafodiny: diniho tsara inn no engagement, devoir, benefices @ lafiny rehetra io an, pertes et sacrifices @ lafim-piainana rehetra io, de manaova analyses profondes ny aminy sy ny aminao. de manambadia amin'izay.
mino aho fa tsy ho tojo fisarahana ianao rahatr'izay raha tsy ny fahafatesana no mampisaraka.
18. Fiffi ( 31/05/2006 07:19)
enganie!
19. baomijijy ( 31/05/2006 07:45)
amiko manokan klo de, ny matonga ny FISARAHAMPANAMBADINA de ny tsy fahaizana mikolokolo ilay fitiavana, satri efa sam mitady vola de sam rerak refa ariva de sam mande oazy eny e, lasa sam maka oazy de rava ny fitiavana de zay, normal ra mande mitady any ankafa le lhl na le vhv, tsy aiko nareo ra mafantatr anle atao oe club positif iny fa ao, misy torohevitr bdb mikasika anzany fa mis zavatra afa ko alo e, tsy za akory no ten fav fa mba nis nanoro hevitr de mizara an, sao de mis manao anzao ndray eo hoe, miseo fav ko rabaomijijy zany:b:-o =))=))=))=))=))=))
20. baomijijy ( 31/05/2006 07:45)
amiko manokan klo de, ny matonga ny FISARAHAMPANAMBADINA de ny tsy fahaizana mikolokolo ilay fitiavana, satri efa sam mitady vola de sam rerak refa ariva de sam mande oazy eny e, lasa sam maka oazy de rava ny fitiavana de zay, normal ra mande mitady any ankafa le lhl na le vhv, tsy aiko nareo ra mafantatr anle atao oe club positif iny fa ao, misy torohevitr bdb mikasika anzany fa mis zavatra afa ko alo e, tsy za akory no ten fav fa mba nis nanoro hevitr de mizara an, sao de mis manao anzao ndray eo hoe, miseo fav ko rabaomijijy zany:b:-o =))=))=))=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1536