Fampatokisana

1. Fiffi ( 29/05/2006 12:50)

Raha manana namana ianao , dia matoky azy ianao , de miresaka aminy , de mitantara ny zavatra manjoa anao.
Normal daholo zany satria izany no maha-mpinamana anao azy.
-Saingy hatraiza , na misy fetra ve io fampatokisana io ?
-Marina fa miankina @ fahatokisanao ny namanao no hilazanao zavatra aminy , saingy raha sanatria ka nisy zavatra nolazainao azy , nefa henonao avy t@ olon-kafa io nolazainao azy io eny na dia novana aza ilay izy , mbola azo hatokisana ve io hoe namanao io ?

novalian'i Fiffi ny 01/06/2006 06:09
2. booboo ( 29/05/2006 13:22)
raha zà dé iresahako lé namako. Refa raha gravy, amiko, ny nataony dé tezerako fa tsy mampiova ny fitiavako an'lé namako zay ( mbola mitoetra ihany ny fahatokisako azy ) ; raha tsia kosa tsy ivakiako loha zay antony nitantarany tany @ oul hafa tany lé raha.

Resaho klou lé namanao dé hitanao eo avy teo zay atao arakaraka ny resakareo.
3. mamzelkely ( 29/05/2006 13:40)
marina io lazainy booboo io resahao le namanjy aloh de hita eo :wink:
4. totofy ( 29/05/2006 13:50)
tsy tokony hoe miankina amin' ny resaka nivoaka ve ny hoe tezitra sy tsy tezitra sy fifampatokisana avy eo....tsy mila atao fantany ve alou hoe tsy mety ny ataony é ....indraindray ngé lé oul na tsy mety aza ny zvtra nataony dé izy ndray no tezitra é :wink:
5. Fanja1 ( 29/05/2006 14:02)
amiko raha resaka tssy dikany no averiny any @ olona pas grave... fa raha resaka natao we "secret" io ka heno avy @ hafa de mahatezitra, tsy hanakana ahy tsy hinamana aminy anefa zany (sûr fa tezitra be za eo ampahenoina azy)fa kousa tsy mamerina 2 fois za miteny "secret" aminy.
6. fasaly ( 29/05/2006 15:10)
fiffi: tsy misy tsy vitan'ny mifampiresaka ihany aloha hamahàna ny vaha-olana aky a! mamapalahelo raha simba ny fihavanana raha mbola azo havotana e!:wink:8):-*
7. Fiffi ( 29/05/2006 15:21)
misaotra anareo namaly ahy.
Marina aloha fa hoe namana nomena fahatokisana izy , izy koh aza mba natoky ahy ka mba nilza zavatra tamiko , fa rehefa hoe sékiré de mba tokony tazomina ho sékiré kosa an! Hanimba ilay fifampitokisana aloha ilay tsy fanajana ilay sékiré an! Tsy resaka hoe "rancunière" fa raha tena nahatoky azy enao nefa dia nataony hiany ny fitantarana azy t@ olon-kafa ka mankarary ilay izy.
-Tsy hanimba kosa na handrava ny fifampinamana aloha fa hatao hanatra zany iny .
Ny zavatra somary mampalahelo fotsiny de simba le fifampitokisana.
-Efa niresaka , nifanazava , saingy ny tena indray no nahazo hoe "zavatra hita an-davan'andro zany" nefa amiko tsy mety io.
-Na izany na tsy izany dia mbola eto aho , namana foana.
8. fasaly ( 29/05/2006 15:26)
fiffi: eo foana anjy de arahiko moramora eo foana e!:wink::-*:-D:-D:-D
9. Fiffi ( 29/05/2006 15:33)
fasaly: de araho moramora zany akia zah an! fa tsy taitra ndry fa tsy handositra haka tgv à 300/h akia zah an! :-D:-D:-D:-D:-*:-*
10. diamondra27 ( 29/05/2006 16:17)
fiffi: mety tsy azonjy angamba le resaka dinika teto nataoko momba ny hoe:"confiance"

Ny toa izao no tiako hambara t@iny.
Ny ahy raha tsy manana confiance aho dia tsy hitantara sekiré mihitsy na @iza na iza.
Matoa iny izay lazaiko dia tsy sekire amiko satria fantako fa tsy maintsy hivoaka.

Ny hoe: namana amiko dia tsy ny namanao rehetra no tantarainao izao zavatra rehetra izao fa mila safidianana, arakaraka ny relation-nao aminy.
Surtout moa raha resaka intimité izany dia tsy azo lazaina na iza na iza e!

Raha toa ka henonao ilay sekire de aza lazaina sekire intsony izy @ manaraka e!
11. vale ( 29/05/2006 16:30)
Fanja1:

amiko raha resaka tssy dikany no averiny any @ olona pas grave... fa raha resaka natao we "secret" io ka heno avy @ hafa de mahatezitra, tsy hanakana ahy tsy hinamana aminy anefa zany (sûr fa tezitra be za eo ampahenoina azy)fa kousa tsy mamerina 2 fois za miteny "secret" aminy.
fanja: dia inona akia no maha"namana" ilay 1 raha izany? ko hoe nge zany namana izany hitantaraina ny manjo, sy ny mahasoa rehetra, sa tokoa angah araka ny tenindry io hoe, raha zvt grave dia tezitra sns,?! mety hitombina!:idea:


12. Fiffi ( 29/05/2006 18:11)
diamondra: azoko tsara ny tiandry lazaina! haiko tsara hiany koh ny manavaka ny tena hatao hoe namana ka andeha hilazako ny sékiré-ko !
Tsy ny sékiré-ko rehetra koa anefa no andeha ho tantaraiko @ namako , na dia fantatro aza ny degré-n'io namana io amiko zany hoe hasiako fetrany avokoa ny zavatra lazaiko.
-Raha namana kosa aloha tsy andeha hoe hilazako ny fiainako rehetra , eny na dia tena namako aza . Fa misy koa ny zavatra tsy azo lazaina.
-Namana vhv , nifampitantara zavatra maro izahay , nifanoa confiance , hatramin'izay dia tsy nisy nidilana ny resaka rehetra . Kanjo tampoka teo dia zavatra noresahanay , anay manokana no heno avy @ olon-kafa.
- Marina ny andy fa raha tsy namana tena hanana confiance tsy andeha hilazana sékiré , izay indrindra anefa no nilazako azy zavatra satria be ireo zavatra efa noresahina.
-Tena nananako confiance io namako io , ary mino aho fa torak'izany koh izy .Saingy indrisy......
13. dadabe ( 30/05/2006 00:34)
raha amiko manokana ry Fiffi a dia izao no mba hevitro:ny namanao eto @ internet dia hafa noho ny namanao reel , ka raha toa ka namanao reel no hilazanao ny tsiambaratelonao ka navokany dia aza mahatoky azy intsony , fa raha toa kosa ka namanao sur internet dia zah mba manoro hevitra anao hoe " ny marina rehetra tsy filaza ", ary aleo manana ilay fomba fisainana manana tahiry ( manao reserve ) tou izay avy dia maboraka ny fiainanao rehetra @ olom-patatra rehetra, ssatria ny toetsain'ny olona dia samy hafa , mety n y olona milaza fa namanao indrindra no hamadika anao , koa dia aleo mitandrina e, :-*
14. Fiffi ( 30/05/2006 02:58)

-Zany hoe le namana , hummmmm ! inona tokoa moh no hatao hoe "namana" ? fa na namana réel na irréel , ny ahy kosa aloha rehefa hoe namana de namana , fa na izany aza tsy midika velively hoe andeha hilazako ny tsiambarateloko avokoa . Misy fetrany avokoa ny zavatra rehetra.
Na izany aza , tsy mba misy ve io fahatokisana io ? Fa nahoana na réel na irréel , nahoana no mamadika tahak'izao ?
Sady mamadika ny namana no mamadika resaka .... hummm
Fa nga koa raha namana internet dia tsy maintsy ho voatery tahak'izao no fandehany ?
-Anatra ho ahy daholo ireny fa de @ manaraka aoka hitandrina fotsiny . (tsy izay resahina rehetra akory no hatao hoe namana)
-Marina fa ny marina rehetra tsy filaza , fa na izany aza tsy midika hoe izay mba zavatra nolazaina anao de havadika aloha de lasa andeha tantaraina @ hafa koh!
Misaotra anareo fa dia anjarako sisa zany no tokony hifidy sy hiheritreritra , hamadika im-pito ny lelako alohan'ny hilazana zavatra.
15. dadabe ( 30/05/2006 05:44)
zay :D
16. ari.malala ( 30/05/2006 05:50)
Manaiky 100% an'io tenin'i dadabe io aky za Fiffi, fa raha izaho no teo amin'ny toerandry, dia hatoniko aloha ilay olona hahafantarako hoe tena nivoaka marina v le seret, ary anontaniako izy hoe inona no antony namoahany anazy! Secret zany anie zavapady e! amiko aloha e! Fa dia anatry ny hoavy izay aky a, tena aleo aza manao journal intime d any no soratana izay manahirana rehetra toy izay matoky olona fa tena misy olona tys ampoizina mintsy anie e,
17. diamondra27 ( 30/05/2006 06:01)
dia farito tsara indray aloha izany ny atao hoe: namana e! dia izay vao fantenana oe: iza no tokony holazaiko an'izao sy izao.

Dia rehefa vita izay dia afaka mamboraka ny sekire-nao @le namana hanananao confiance ianao, sous reserve...

fiffi: ny ahy akia lhl daholo no namako a!:-D:-D @izay de tsy misy problème sady manoro hevitra fa vhv samy vhv mamadika an!indraindray mangalabady na sipa:evil:

ny vhv matoa namako dia tena efa voafidy izy izay.

Fa misy vhv mpiresaka sy mpitafa ihany kosa aloha e!=namanamana fa tena tsy eto akaikiko

18. mamzelkely ( 30/05/2006 06:05)
misy marina io lazainy dadabe io fa misy kosa anie na de we virtuel aza refa ela ny ela de lasa ôtrany we olona efa nifandray efa ela ee, mais bon ataoko angamba fa efa mba nazavainy fiffi an le namana namôka an le secret ny antony mahavery an le fahatokisana de anjaran fiffi sisa no mandalanja ny zvt tokony ataony
19. Fiffi ( 30/05/2006 07:02)

OK: voadona mafy aho , malahelo mafy na dia azoko lazaina aza fa tsy tena sekiré intime le resaka .
Ny tena nampalahelo ahy de ny fomba famadihana ilay resaka sy ilay honohono.

Fa tsy hitariko ity dinika ity an! fa marina daholo ny anareo fa de anjarako sisa no miheritreritra sy ny mifidy ny namako . Hanatra daholo izany rehetra izany fa dia misaotra anareo an! :-*:-*:-*:-*:-*:-*

(ry namako izay fantatro fa mamaky ity dinika ity , hatsaharo ny honohono fa raha misy zavatra tiana lazaina dia aza misalasala fa lazao am-po , izay no maha-mpinamana antsika) :):-*:-*:-*
20. vale ( 30/05/2006 08:50)
fiffi: zah klo namanjy fa sô de zah zany?:P:lol::lol::lol:
sangy2 rain-dalana fa mila mitandrina ihany @ izay zvt tantaraina sy lazaina akia fiffi à, aza dia entim-pahatsorana loatra fa ny olona ange, :-@:D:-*:-*:-*:-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2863