Inona no mety hitranga?

1. petiterose ( 26/05/2006 04:50)
Manahoana daholo tompoko,

Miala tsiny fa tsy mpikambana ato ny tenako fa mindrana ny compten'i petiterose aho, Soary no anarako ary misy zavatra mba tiako anontaniana azafady. Izaho dia tsy mbola manambady, fa efa niteraka iray, dia feno 5taona ny zanako dia nifanena tamin'olona iray aho ary dia nifanaiky izahay fa hiaraka. Nanontany tsara mihintsy aho aloha fony vao hiaraka izahay raha manambady izy, fa tsia ny valinteny azoko. Niaraka izahay ary dia bevohoka ary aho, tamin'ny fotoana nitenenako azy ny fisian'io zaza io dia tsy mbola nivaky ihany izy fa manambady. Efa lehibebe ihany ny kiboko vao fantatro tsy nahy tamin'ny rahavavindreniny fa manambady amanjanaka izy. Izao no fanotaniana tiako apetraka, raha sanatria mitory ahy ve ny vadiny, inona no mahazo ahy? Satria tena tsy nahalala mihintsy aho ny fisian'io vadiny io. Isisifany mafy ny hanoratako ny zanako aminy fa zanany hono io, azo atao angaha izany? Dia ahoana koa vis à vis an'ny vadiny? Mitovy droit amin'ireo zanany légitimes angaha ny zanako raha soratany aminy?

Dia misaotra mialoha amin'ny valin-teny e, tsy dia hahita internet matetika aho, fa araka ny teniko dia tsy mpikambana ato aho, fa afaka apetrakareo ny valin-teny dia i petiterose no mampita izany amiko. Mbola mamerina ny fisaorana mialoha ihany.

Soary.
novalian'i fijo ny 28/09/2006 22:00
2. diamondra27 ( 26/05/2006 05:27)
soary: aty ivelany no misy anao 'kay sa ao dago?

raha ny fahakalalàko azy aloha dia zanany io ka!
sady zanany zenetika moa ny filaza azy?
Ie mitovy zo @ilay zanabadiny io.

Sa ahoana hoy ianareo sap dia efa niova ny lalàna fa lalàna taloha io haiko io.
3. Fiffi ( 26/05/2006 05:27)
hummmm! petiterose-Soary.

Nanontany tsara mihintsy aho aloha fony vao hiaraka izahay raha manambady izy, fa tsia ny valinteny azoko.
Soary: enao zany efa manan-janaka efa 5 taona , hummm ! nahita olona iray indray hiharahana , raha zah aloha no eo @ toeranao dia tsy nataoko ho vitan'ny fanontaniana fotsiny hoe efa manambady ve enao na tsia ? alohan'ny hiharahana aminy satria ny tena efa manan-janaka , ny zanaka efa aiza ny rainy ?
Fa angamba alohan'ny niharahana taminy dia tokony nihadihadiana lalindalina aloha zay vao naka decision hoe hiaraka sa tsia . Nefa moa zao efa bevohoka zao indray ianao ka...
Efa lehibebe ihany ny kiboko vao fantatro tsy nahy tamin'ny rahavavindreniny fa manambady amanjanaka izy.
hummm ! fa nga ianareo zany tsy niara-nipetraka ? ary nga tsy mihaona isan'andro ? Dia tsy mba nisy zavatra na dia kely monja ve mba nahafantaranao fa hoe efa manambady izy ?
-Satria manko raha hoe olona mifankatia ka miaraka zany .. heu..... fa nga à la volette fotsiny le fiarahana ? Dia tsy mbola nisy ve hoe enao natorytany aminy na izy natory tany @ nao ? satria manko raha tsy nisy zany dia efa toony ho mailo fa ao raha....
Izao no fanotaniana tiako apetraka, raha sanatria mitory ahy ve ny vadiny, inona no mahazo ahy?
hummm! efa fantatrio vhv io ve fa bevohokan'ny vadiny enao ? Raha fantany dia ny tsara angamba dia ny miresaka aminy , dia azavaina tsara azy ny fitaka nahazo anao.
Isisifany mafy ny hanoratako ny zanako aminy fa zanany hono io, azo atao angaha izany
hummm! sady mpandainga no mbola mitady hanao an-keriny hiany ? de lazao tsotr'izao hoe: ny zanakao , any @ tokatranonao fa ny ato anaty kiboko ahy.
Dia ahoana koa vis à vis an'ny vadiny? Mitovy droit amin'ireo zanany légitimes angaha ny zanako raha soratany aminy?
hummm! afaka maka avocat ve enao momba ny droit-nao ?
Fa enao aloha aiza ? any dago ? raha any dago manko tsy dia mahay loatra ny lalana mikasika an'io aho fa raha aty dia mba betsaka hiany ny zavatra fantatro mikasika à io. Mahereza hatrany aloha an!
4. Fiffi ( 26/05/2006 05:57)
mampalahelo indray zao toe-dravatra izao an!
5. petiterose ( 26/05/2006 06:05)
petiterose no manoratra. Misaotra anareo izay efa namaly sahady.

Soary alo zany eto DAgo e, de zareo tsy niara nipetraka, fa ilay lhl no matory any am Soary talohaloha teo, tam zareo mbola niaraka zany.
6. Fiffi ( 26/05/2006 06:31)
petiterose:
Soary alo zany eto DAgo e, de zareo tsy niara nipetraka, fa ilay lhl no matory any am Soary talohaloha teo, tam zareo mbola niaraka zany.
Raha any dago indray dia tsy de mahafantatra loatra ny lalàna any zah , eny na dia lazaina aza hoe "nul n'est censé ignorer la loi" saingy tsy mitovy le lalàna.
Ilay lhl no matory tany @ Soary ? hummm! de tsy aiko akia hoe inona no taktika nataony mba tsy hiharahana matory @ vadiny an! fa tena voafandrika mafy daholo zany na i Soary na ny vadiny!!!


7. Simpona ( 26/05/2006 10:38)
Amiko ngamba ny zavatra efa nitranga tsy azo fafana intsony fa ny fandaminana araka izay azo hatao no tokony heverina.
Io zaza io dia Zanakao ary zanany koa, fa saingy raha soratanao aminy io dia mety azony ny zo hitaiza ilay zaza, indrindra raha mahitahita izy.
izy aloha mety hitovy zo amin'ny zanany tami'ny vadiny raha misoratra aminy fa ny mety ho testament apetrak'ilay lehilahy no manankery farany; anjaranao izany no mieritreritra ny amin'izay.
Amiko manokana tsy tokony hisy hampigadra anao ny mety ho fitorian'ny vadiny raha sanatria mitory izy. Ianao aza voafitaka, fa mila mahay manaporofo izany ianao.
Araka ny tenin'i Fiffi dia tsara ny miresaka, mifanantona amin'ny vadin'ilay lhl satria io tsy maintsy fantany na ho ela na ho aingana. Ary io zaza io dia tsy maintsy hitady hamantatra an-drainy any aoriana any (efa betsaka ny tranga hitako otr'zany
8. ds ( 04/06/2006 19:52)
1) toa tsy mbola nahare aho fa heloka ny manan-janaka amin'olona efa manam-bady

2) Zon'ny rain-jaza ny manoratra ny zanany ao anatin'ny sora-piankohonany. Raha mitsipaka ny reny, dia afaka mangataka fanaporofoana izy

3) tsy mitovy fa sahala ny zon'ireo ankizy. Ohatra ny vadibe tsy voatery hanaiky ampiantrano ny zana-badiny

Dia tongava taiza ny ankizy fa izay no zava-dehibe indrindra alohan'ny hafa.

Fiffi:
Raha any dago indray dia tsy de mahafantatra loatra ny lalàna any zah , eny na dia lazaina aza hoe "nul n'est censé ignorer la loi" saingy tsy mitovy le lalàna.

Ny lalàna ao Dago tsy mifankaiza loatra amin'ny lalàna ao Frantsa indrindra fa ny fehezandalàna ho an'ny daholobe (code civil) izay iray fototra tamin'ny 1960.
9. HESHA ( 12/06/2006 13:22)
Raha ratsy saina le vadiny de mety higadra ihany ianao kle.
Fa zany midika fa hisarahany ko le vadiny satria sur fa tsy maintsy mba hiaro anao izy ra miseho zany sady tsy maintsy nareo 2 no miaraka any.
Ny fanontaniako kely fotsiny, efa nisy zaza 1 ve ianao de tsy mba malina nony hanao le faharoa e ? Tsy masiaka a ra miteny an zany fa mieritreritra fotsiny hoe tsy solution ny manjono lehilahy am fananan janaka avy aminy.
Ianao no ho voa mafy manko satria ny fiaraha monina hitsara anao avy eo, . . . j aimerai pas etre a ta place, na dia ireo ray aman dreny hahatsiaro ho afa-baraka fotsiny aza.
Mahereza na zany aza !!!!!
10. fijo ( 21/06/2006 20:07)
soary,aza matahotra mihintsy,fa tsy misy fitoriana azon'ilay vadiny atao anao.
azony atao koa ny manoratra ilay zaza amin'ny anarany,tsy olana izany,
raha eo amin'ny resala lova,dia afaka mandova tokoa ny zanany,na dia ny ivelan'ny fanambadiana aza,saingy mba hialana amin'ny rahoraho any aoriana,dia asaivo manao testamenta izy,fa io tsy azo hiodivirana.
raha misy fanontaniana dia hafaka manoratra manokana aty amiko enao.
11. dailynews ( 01/07/2006 18:06)
[quote=HESHA]
Raha ratsy saina le vadiny de mety higadra ihany ianao kle.

fa inona moa no tokony hampigadra azy na dia mitory aza io vehivavy io ? hmm... mbola tsy naheno resaka tahaka izany indray aho.

12. HESHA ( 06/07/2006 06:16)
Ra tratrariny miaraka am vadiny ange izy de lasa "delit d'adultere" le izy, io hono mampigadra ka zay no hanaovako hoe ra ratsy saina le ol ray de mety hitranga zany.
13. fijo ( 06/07/2006 19:47)
azony hangatahana fisarahana fotsiny izany,na tratra aza,fa tsy hampigadra mihintsy
14. Mamakely ( 23/07/2006 02:31)
za ratsiratsy fo sy manakambo ity aloha ry zareo efa bye bye sy kopa-tanana no napetrako
1/ efa voa aho voalohany, henjakenjana aho @ condition amizay manaraka eo, fara faharatsiny nanao vody ondry sy soratra izy vao nasiana zazakely (tsy porofo hoe tsy manambady ny lehilahy raha milafika any aminao; raha tsaratsara economie enao, na ny hialan'ny sakafo harivany fotsiny aza? :evil: masiaka be aho fa tena misy lehilahy manataka!)
2/ izay tia adala, raha hay ho may ny trano, navoaka ny entana sns ... ka tsy anenenana ny vita fa izay hataonao manaraka izao no tena mampiseho ny hazon-damosina anananao
-> raha izaho no t@ toeranao, t@ fotoana nahafantarako fa manambady izy dia notapahiko tarangana teo ny fifandraisana (satria mpamitaka, any ambadika any zany tsy fantatra na misy pupils kely be dia be...)
porofo koa izany fa tsy nangala-badin'olona ianao!
raha vao misisika aty amiko aty omeko ny sahaza azy rehetra tsy iverenany
izay hoe hosoratana aminy ny zaza dia NOOOOOOFY! (alohan'ny ahaterahako efa dila ny aminy, tsy ho fantany akory ny fotoana ahaterahako, 13 jours aorian'ny ahaterahanao ihany no anananao anoratana azy, ataoko tsy re tsaika iny dia vita eo)
tsy ny anarany any @ kopia no zava-dehibe ry se a ary aza mba entin-dehilahy @ sanga izany fa anaovany izay tiany anaovana anao ianao, mba ity aho eto!
15. dailynews ( 27/07/2006 16:16)
HESHA:

Ra tratrariny miaraka am vadiny ange izy de lasa "delit d'adultere" le izy, io hono mampigadra ka zay no hanaovako hoe ra ratsy saina le ol ray de mety hitranga zany.


hanky va re misy an izany e, koa no tsy mitory daholo izany izay olona hangalarin ny olona ny vadiny koh
16. HESHA ( 03/08/2006 06:09)
Dailynews, izay ange no mahatonga azy hoe mangalatra e, ataovy tratra ange ianao de tantarao e.
Tena nisy namako tratran zany, nihidy kely tary am ... tary mandra-panao raharaham-pihavanana.

Mamakely,tsy masiaka zany fa mba misy ambompo e, sady io tsy diso toerana mihitsy satria ny hoavinao manontolo.

Ity kou misy sosokevitra iray, hoatrany hoe manahirana ihany ra zaza 2 ho fantatry ny oul hoe tsy misy rainy fa azonao atao kou ny mampandray andraikitra ny rainy. midika izany fa soratanao aminy ny zaza, asainao mandray anjara izy am fanabeazana azy, sns . . . Mafy am mahareny voafitaka ny mandray io decision io satria zon ilay ray am zay fotoana izay ny maka ny zaza hiaraka aminy handehandeha na tsy haiko . . . fa kosa anefa mba ho fantatry ny zaza hoe iza no rainy de inona no tena zava-nitranga tamin ny fiainanao

Zavatra isaorana anao manokana dia ianao tsy nieritreritra ny handa ilay ao ankibonao na dia niseho aza ny olana

Efa tsy masiaka intsony a an, objective ndray

17. fijo ( 23/08/2006 22:40)
zavatra hafa no mampigadra fa tsy ny fangalarana vadin'olona.io olona roa ampy taona no mifanaraka,ka tsy misy azo hanagadrana izany.abus raha mampigadra ano ny polisy.
18. prime ( 25/08/2006 12:58)
fijo> zany an... za efa nahita cas maro ary ny lalàna koa no milaza fa tena azo itoriana mihitsy ny fanodinkodinana vadin'olona... ilay tompom-bady sady afaka mitory ilay vadiny "pour adultère" arakaraka ny contrat de mariage, fa ilay nangala-bady koa mbola azo enjehina mihitsy...
19. fijo ( 12/09/2006 21:06)
an an ,afaka mangataka fisarahana arahana fahadisoana izy.izay fiovan'ny lalana taorian'ny 91 no tsy arako.
20. HESHA ( 13/09/2006 14:56)
fijo, manandrama kely ange toi e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8327