mahavarina

1. bobone ( 24/05/2006 06:23)

Hono a! e!
Fa maninona ny olona sasany no tsy mba milaza ny marina fa mavandy na mandainga?
Fa maninona no minia mikipy manoloana ny tsy rariny:?::?:
novalian'i Fiffi ny 26/05/2006 06:21
2. Fiffi ( 24/05/2006 06:34)
bobone: indrisy fa misy dia misy tokoa ny mpandainga! iza koa moa no tsy mbola nandainga ? saingy miankina @ tsirairay hiany io.
3. Fiffi ( 24/05/2006 06:42)
Fangataham-pamelana avy amin'Andriamanitra aza hatao raha nanota , singy misy mihintsy no tsy manao an'izany fa de mandainga foana ! de inona anefa ny tombontsoa azo avy eo ?
4. Fanja1 ( 24/05/2006 07:04)
anjaran'ny tsirairay no mieritreritra
5. Fiffi ( 24/05/2006 07:38)
zay mihintsy!
6. prime ( 24/05/2006 07:52)
Mba lazao kosa aloha ilay hoe lainga dia inona ilay tsy rariny fa tena ts kôpy mihitsy e!:miam:
7. pissoa ( 24/05/2006 08:12)
Ato amin'ny fitiavana ilay lohahevitra dia izay no hanehoako hevitra.

bobone:
Fa maninona ny olona sasany no tsy mba milaza ny marina fa mavandy na mandainga?

Be dia be ny antony.

Misy ny mandainga fa te haditra tsotra izao. Iny dia tsy misy ady hevitra fa :evil::evil::evil: be.

Matetika kosa nefa dia ny fiaraha-monina mihitsy no manery ny olona handainga. Ohatra maromaro:

1 - Ny fanavakavahana (amin'ny lafiny rehetra) ohatra. Misy ny olona, nahatsiaro nailika tany amin'ny nalehany taloha. Fara-heriny, mandainga, manafina ny tena maha-izy azy ny tena amin'ny voalohany.
2 - Efa heno matetika ilay toetran'ny olona tsy mahazaka ireny dia manaratsy any ambadika any, mitantra antsanga tsy aman'orana, na mitantara izay mety ho fahalemenao nandalo mihitsy hamotehana anao. Dia ho gaga ve isika raha mandainga amin'ny tantarany aloha ny olona amin'ny voalohany.
3 - Ny fifosana sy ny resadresaka mandany andro. Ny zava-misy eny anatin'ny fiaraha-monina eny dia toy izao: Raha misy olona iray, mahita mpinamana nifanena ka niresaka teo amin'ny sisin'arabe. Dia raikitra ny fosafosa, dia miampita ny resaka, misy versions dimam-polo eo an-tanana. Rehefa tonga any amin'ny olon-tianan'ny iray tamin'ireo mpinamana ny resaka, dia toy ny hoe nifampitolona teo an-karabe izy ireo, ary ny olona rehefa nitantarana ilay resaka, dia afaka mijoro ho vavolombelona nanatri-maso daholo. (No-exagérer-ko kely angamba, fa dia toy izany no vokatry ny resadresaka sy ny fosafosa tsy misy dikany rey olona oooo) Dia ho gaga ve ianao raha manontany ahy hoe Efa manana sipa ve ianao, dia iza no sipanao? ka hamaly aho hoe tsia na dia efa manana aza?
4 - Ny mpiara-monina manenjika sy manao tsindrio fa lavo.
5 - Ny mpiara-monina tia sikotsikotra.

Izaho tsy miteny mihitsy hoe tsara io mandainga io na inona na inona antony. Hoy fotsiny aho hoe sao isan'ny antony mampandainga ny olona ianao (Tsy ilay nanokatra ny ady hevitra akory io ianao io fa ankapobeny fotsiny).
8. Fiffi ( 24/05/2006 08:18)
zany ka tena valiny ! tena mampiheritreritra tokoa!
9. mamzelkely ( 24/05/2006 10:03)
ka zay ko le toetran'olom-belona ko sanatria ôtrany inné ao aminy le fandaingana
10. prime ( 24/05/2006 12:20)
Misaotra fa izay vao mazava amiko...:-*:-*:-*
Manan-danja kokoa ny fihatsaram-belatsihy eny fa na dia handainga aza... lalànan'ny fiaraha-monina mihitsy izany aloha e!!!
tena mampiheritreritra tokoa!
ho'zy Fiffi
11. Herimiafina ( 24/05/2006 14:17)
bobone:


Hono a! e!
Fa maninona ny olona sasany no tsy mba milaza ny marina fa mavandy na mandainga?
Fa maninona no minia mikipy manoloana ny tsy rariny:?::?:



Jereo retsy ny tantara niainany, ny fomba nitaizana azy, ary jereo ihany koa ny milieu iainany, ary rehefa mavandy izy dia aza tonga dia ny vandiny no hitsarana azy fa jereo ilay contexte eo amin'iny fotoana iny.

Misy antony maro dia maro mifandraindray mantsy mahatonga azy havandy, tsy misy mantsy olona mavandy amin'izao izany fa mavandy misy tanjona izy na mavandy satria forcé handainga.

Ity ohatra misy scenario iray:
Misy olona henjehina, lazaina fa mampirafy ohatra, leo ny farany ka dia nandainga hoe tena nampirafy tokoa.
Mitovy ny enquete policiere ihany io, pousser-ny à bout ilay olona suspect de lasa miteny zavatra tsy marina fa mitady fandriampahalemana.

Matetika ny olona mavandy dia tsy azo sarahina amin'ny olona tsy comprehensif fa mitsaratsara azy.

Izany hoe ny iray mavandy moa ny iray mitsaratsara ivelany.

Matahotra ny fitsarana izy ka aleony mitady fandriampahalemana dia manome info fosika.

Tsy tokony hadinoina anefa fa misy ihany anefa ny tena mavandy tanteraka satria manana tanjona diabolika ao andohany, filana manokana, sns. Iny aloha dia tena ratsy e.

Na izany ny LAINGA tributaire ny TANJONA, na izy tributaire amina CONTRAINTE (tsindry hazo lena).

Amiko io faharoa io acceptable kokoa.


12. ikalakintina ( 24/05/2006 19:59)
fa ny olana am lainga anie avy eo de tsy manjary miala le fahatokisana e!:oops::oops::oops:
13. Fiffi ( 25/05/2006 05:21)
tena miala tanteraka !
14. nambina ( 25/05/2006 06:24)
bobone> vodouna anga toi de malahelo be:wink:
15. pissoa ( 25/05/2006 08:32)
Andray kousa ry nambina :roll:
16. vale ( 25/05/2006 09:18)
ikalakintina:

fa ny olana am lainga anie avy eo de tsy manjary miala le fahatokisana e!:oops::oops::oops:
ikalakintina>(l)marina ny andry, ary matoa ny olona iray mandainga @ iray dia "tsy mpatoky olona" izay toetra tena faran'izay RATSY(point).


17. vale ( 25/05/2006 09:30)
mpandainga = olona "TSY SINCERE" ,"TSY POSITIFS",mety ho"COMPLEXE"ihany koa, satria misain-dratsy an'ilay olona iresahany:evil:,MPIHATSARAVELATSY satria maninona no manohy ilay fifandraisana ihany nefa MIAHIAHY ilay olona iray? maninona raha tonga dia mihatakataka(raha mahatsikaritra zvt hafa eny @ ilay iray) fa tsy MANDAINGA???? miteny io aho satria misy namana niteny tery ambony hoe "SAO KOSA IANAO DIA ANISAN'ILAY OLONA MAMPANDAINGA NY OLONA?"
bobone>>< mahereza akia fa fiainana daholo izany, ary @ izao andro efa miharatsy 2 izao dia vitsy no ahitàna olona tena SINCER sy DROIT (l):-*:-*:-*:-*
18. pissoa ( 25/05/2006 10:56)
Hihihi
vale:
mpandainga = olona "TSY SINCERE"
Zah zao sincere be an :wink:

Vazivazy io fa izao:

1 - Misy fanontaniana kely ary: Mety ho marina ve io teneniko io hoe
pissoa:
Matetika kosa nefa dia ny fiaraha-monina mihitsy no manery ny olona handainga.
Io mantsy no mahatonga ahy manoratra avy eo hoe
pissoa:
Hoy fotsiny aho hoe sao isan'ny antony mampandainga ny olona ianao


2 - Dia averiko indray koa ny teniko tery ambony (raha sendra tsy novakiana fa ny teniko sasany fotsiny no novakiana)
pissoa:
Izaho tsy miteny mihitsy hoe tsara io mandainga io na inona na inona antony.


3 - Ny fanontaniana dia hoe
bobone:
Fa maninona ny olona sasany no tsy mba milaza ny marina fa mavandy na mandainga
Dia nanome izay heveriko ho isan'ny antony aho (izany hoe tsy ireo nomeko ireo fotsiny ny antony).
Dia inona ny antony aroson'i Vale? Tsy misy fa tonga nitsara ny olona nandainga fotsiny.
19. Fiffi ( 25/05/2006 11:40)
hummm!
20. ikalakintina ( 25/05/2006 12:24)
pissoa:

Hihihi
vale:
mpandainga = olona "TSY SINCERE"
Zah zao sincere be an :wink:

Vazivazy io fa izao:

1 - Misy fanontaniana kely ary: Mety ho marina ve io teneniko io hoe
pissoa:
Matetika kosa nefa dia ny fiaraha-monina mihitsy no manery ny olona handainga.
Io mantsy no mahatonga ahy manoratra avy eo hoe
pissoa:
Hoy fotsiny aho hoe sao isan'ny antony mampandainga ny olona ianao


fa itanjy ndraindray le antony tena tsy mamely mitsy, mety ho tombotsoan'nle olona mandainga le izy, an'azy rery ihany, zay le tena tsy lasa!, fa misy olona akia, lainga doly ny 90/1OO ny zavatra lazainy indrindra am lafiny fitiavana, beih!:cry::cry::cry::cry::cry:

2 - Dia averiko indray koa ny teniko tery ambony (raha sendra tsy novakiana fa ny teniko sasany fotsiny no novakiana)
pissoa:
Izaho tsy miteny mihitsy hoe tsara io mandainga io na inona na inona antony.


3 - Ny fanontaniana dia hoe
bobone:
Fa maninona ny olona sasany no tsy mba milaza ny marina fa mavandy na mandainga
Dia nanome izay heveriko ho isan'ny antony aho (izany hoe tsy ireo nomeko ireo fotsiny ny antony).
Dia inona ny antony aroson'i Vale? Tsy misy fa tonga nitsara ny olona nandainga fotsiny.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3011