Ny nenina

1. Fiffi ( 23/05/2006 04:42)

Hoy zay hira zay hoe: Tsy neniko anefa , lala ô ny nitia anao.........

de hoy indray ity hira ity hoe: Tsia ! tsy misy hanenenako ..... Ny ho avy no tandremako.

-Raha resaka fanenenana aram-pitiavan'olondroa ny tiako lazaina eto. Noho ny antony samy hafa mety nitranga dia nisy ny fisarahana . Tao anatin'ny izany fifankatiavana izany anefa dia nisy tokoa ny zavatra nahafinaritra . Moa nisy koa ny fisarahana.

-Raha voatery nisaraka ve , mety hisy ny fanenenana ? Fanenenana hoe ; ohatra hoe "tahak'izay aho tsy niaraka t@ iny olona iny , na hoe tahak'izay aho tsy nitia an'iny olona iny" ?
novalian'i Fiffi ny 24/05/2006 18:48
2. sasa ( 23/05/2006 04:58)
Fiffi misy koa anefa ilay hira hoe " Tsy misy nenina ny ahy f'efa natao, nefa tsy afenina fa mbola tia aho"
Io fanenena io akia misy foana fa miankina amin'ny tsirairay, nefa rehefa zavatra niniana natao ilay izy tokony tsy hanenina, indrindra moa raha mahatsapa le olona hoe izy no diso, d matetika ny diso no manenina, fa raha nitandrina sy nanao tsara foana tsy tokony hanenina mintsy, raha tafasaraka tsy fidiny indray ohatra hoe voafitaka d tsy tokony hanenina satria tsy izy no diso, fa ilay mpamitaka, ka ilay mpamitaka foana no manenina matetika.
:P
3. mamzelkely ( 23/05/2006 05:52)
fiffi ts tokony hisy akia ny nenina ra toy izany fa ts nampoiziny anie ny fiovana ee ny tena tena nitia tsinn fa ts tokony hanenina fa miatrika ny ho avy njay :wink:
4. mandrindra ( 23/05/2006 08:28)
tsy asiana fanenana izay vita rehetra. matoa mijanona ho nenina ilay izy dia tsy azo hiverenana intsony. ny tahaka izay sy ny tsy misy dia mitovy ihany. noho izany ny nenina dia reaka manakarary andoha fotsiny.
5. mailaky ( 23/05/2006 09:31)
Eo amin'ny fiainana dia tsy maintsy misy ny fanenenana kanefa refa hita fa lalana tsy maintsy lalovana dia amboarina ny saina fa izay ny "fiainana", tsy maintsy misy ny fifaliana sy ranomaso
6. pika ( 23/05/2006 09:38)
atao mibahana ao an-tsaina ny hoe soa lavo ahay hamindra noho izany tsy misy nenina akory izay vita fa natao hanarenana ny ho avy ho tsara2 kokoa izany
avadiho ny pejy e ny ho avy mahafinaritra banjinina:-*
7. dinamo ( 23/05/2006 10:49)
aza asina fanenenana izany ny fiainana fa raiso ho toy ny traikefa avokoa izay natao rehetra
8. rurik ( 23/05/2006 11:44)
tena marina ny anao sady raha nandalo t@ tsy nety @manaraka mahay mitandrina @manaraka.sady efa mba mahay we efa nanadalovako io dia tandremako ny manaraka .tsy tokony hisy ampanenina ny lasa .
9. Fiffi ( 23/05/2006 12:21)
misaotra anareo rehetra namaly an'io dinika io satria tena tsapako somary mavesa-danja tokoa hoe nisy fanenenana ve ny nitia olona iray , eny na dia hatao hoe fiainana daholo izany.
Marina fa raha nisy ny fisarahana de ny ho avy marina no tandremana .
10. mamzelkely ( 23/05/2006 12:25)
siora ky ry fiffi zay mits ;):-*:-*
11. mandrindra ( 23/05/2006 12:34)
fiffi, tsy misy fisarahana izany fa ny lalankizorana no mety samy hafa tampoka, nefa mbola hitapô ao amin'ny sampanana ao aloha ao ihany e.
12. Herimiafina ( 23/05/2006 12:47)
Fiffi:


Hoy zay hira zay hoe: Tsy neniko anefa , lala ô ny nitia anao.........

de hoy indray ity hira ity hoe: Tsia ! tsy misy hanenenako ..... Ny ho avy no tandremako.

-Raha resaka fanenenana aram-pitiavan'olondroa ny tiako lazaina eto. Noho ny antony samy hafa mety nitranga dia nisy ny fisarahana . Tao anatin'ny izany fifankatiavana izany anefa dia nisy tokoa ny zavatra nahafinaritra . Moa nisy koa ny fisarahana.

-Raha voatery nisaraka ve , mety hisy ny fanenenana ? Fanenenana hoe ; ohatra hoe "tahak'izay aho tsy niaraka t@ iny olona iny , na hoe tahak'izay aho tsy nitia an'iny olona iny" ?



Tsy maintsy mipetraka fona izay olana izay na tiana na tsy tiana. saingy mora ialana, manao recul fotsiny dia mahita fa karazana nenina hafa indray no hita raha tsy niaraka tamin'iny olona iny.

Misy scenarii anakiroa izany:
-Ny voalohany: tahak'izay tsy niaraka tamin,iny olona iny.
-Ny faharoa: tahak'izay niaraka tamin'iny olona iny.

Anjaranao no misafidy, inona amin'izy roa ireo no tinao handramana: MINIMAX REGRET.
13. booboo ( 23/05/2006 12:50)
ny fahatelo adinon'ingahy : "tahak'izay nombohiko fa tsy ho tratrako an-kodimirana angaha ! "...:°)
14. Herimiafina ( 23/05/2006 12:52)
Afaka asiana scenarii maromaro kah, fa ity ambaran'i Fiffi ity dia evenement roa ihany no tafiditra anaty probabilité de nenina: echec sy succes na hoe niaraka na tsy niaraka , dia izay, hehehehe:-D:-D

Ny mini-max regret rahateo afaka ampidirana evenement proba maromaro 1,2,3,....,n hehehehe:-D:-D
15. booboo ( 23/05/2006 12:59)
zany moa izy io ? ahan....
16. diamondra27 ( 23/05/2006 16:12)
aza mba manenina izany @ fiainana.
Izay vita dia vita. On tourne la page, ce n'est qu'une histoire . Dia izay mahasoa kotrehina @ avenir
17. Ralay ( 23/05/2006 16:57)
Tsia tsy misy anenenako hoy Henri Ratsimbazafy zay :D
18. tiatsara ( 23/05/2006 18:02)
:/:/
:-P:-P

Inona daholo izany leiretsy a !
19. Fiffi ( 23/05/2006 18:10)
Ralay:
Tsia tsy misy anenenako hoy Henri Ratsimbazafy zay :D
ny ho avy no tandremako :)


20. cutie ( 23/05/2006 19:35)
Mpandefa : dinamo [ Valio ] 23-05-2006 15:49:00
Lohateny : Re : Ny nenina
aza asina fanenenana izany ny fiainana fa raiso ho toy ny traikefa avokoa izay natao rehetra

io koa no hitako mety.:P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3603