ravin-tsosety

1. adidy ( 21/05/2006 08:04)
Nomen'olona ravin-tsosety za ka raha mba misy afaka mampatsiahy recette gasy mafilotra dia raisina an-tanan-droa!
2. sareraka ( 21/05/2006 08:15)
afangaroy @ hen'omby matavitavy fotsiny d'efa tsara be ataovy somary ketsaketsa ....

MATSIRO BE ...
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY!
3. booboo ( 21/05/2006 08:58)
:-D
4. pissoa ( 21/05/2006 09:00)
Yeap, io tenen'i sareraka io mihitsy. Dia ataovy malemy tsara vao hanina. miam miam be :miam::miam::miam:
5. adidy ( 21/05/2006 10:34)
dia asiana voatabia ve sa mahamarikivy azy izany? Sa asiana tongolo gasy sa sakamalaho? Ary tsy masaikasaika ve? Mila andrahoina be ve ilay anana sa mantamanta?
6. Fiffi ( 21/05/2006 11:06)
soloy le diska ry sareraka fa manimba sofina aahh!!:evil:
7. Fiffi ( 21/05/2006 11:13)
aza mohinana hena matavy zany ry zareo fa ratsy be @ fahasalamana io eh! ny tsy salama aza efa tsy fidiny!

Fa ity misy recette sady tsotra be !

Raha laingon-tsosety aloha de tena tsotra:
-laingo-tsotsety
-poivre (grain) + sira + menaka kely + tongolo

-Hendasina kely ny tongolo 1 (oigon) , rehefa somary miova ny lokony de harotraka ny laingo-tsosety sy sira sy ny poivre. De hatao ketsaketsa :miam::miam: tena 5mn de vita an!

Raha ohatra indray ka le raviny de mila atao anaty tanana de kosehina kely mba hialan'ny le somary matsilotsilo kely iny ! de mitovy hiany ny fandrahoana azy . De mazotoa homana eh! Mety koa raha hasiana hena hatao ro !
8. vale ( 21/05/2006 17:29)
sareraka> henakisoa koa vao mainka tsara an! :miam::miam:
9. Fiffi ( 21/05/2006 18:14)
vale: efa nanandrana ndry ?
10. tisera ( 22/05/2006 06:44)
Zà aloha efa nanao io miaraka @ henan-kisoa lazain'ny vale io dé efa nahandro lé afangaro @ menaka sy tongolo araka ny toro-hevitr'i fiffi io fa samy matsiro dôlidôli. :miam::miam::miam: Milele molotra sahady aho izany r'ireto koa! Lé hen'omby aloha rà vao tsy any Dago dia tena tranona cholestérol ratsy be mihitsy é! Sady mandany fotoana satria mila tenehina ela be . Fa dia mazotoa homana ry adidy a!
11. majakely ( 22/05/2006 07:19)
:miam::miam: à la place de henakisoa de ataovy vandro voatoto
12. pissoa ( 22/05/2006 07:22)
Hmmm, anana sy voanjo izany koa matsiro be :miam::miam::miam:

Hihihi, mampitelin-drora fotsiny kou ity resaka ity zany ... adidy mba omeo kely zah rehefa masaka an :-*:-D:-D:-D
13. Fiffi ( 22/05/2006 08:50)
mankafy sakafontsika gasy daholo an! :miam::miam:
14. hery ( 22/05/2006 12:37)
Mila andrahoana maharitra tsara ny ravintsaosety fa manjary masaisay
15. Samoana ( 22/05/2006 12:47)
Raha misy tahony tavela de aza ariana hanaovana sigarasigara ô!
16. Fiffi ( 22/05/2006 13:38)
hery:
Mila andrahoana maharitra tsara ny ravintsaosety fa manjary masaisay
hery: an3 kah ! alaina le raviny de kosikosehina anaty felan-tanana aloha zay vao handrahoana ! de afaka daholo le masaisay io! :)


17. vale ( 25/05/2006 14:30)
Fiffi:

vale: efa nanandrana ndry ?
fiffi: ie, dia vao zao zah io vao mahalala hoe azo atao @ hen'omby sy voanjo koa kay :), izay mahatsara an'ilay mifanankalo hevitra:*


18. boubounezy ( 29/05/2006 05:05)
ritina @ henakiso mintry lé izy dé asina tongolo oignon sy tongolo gasy ary poivre arakiny teniny fiffi io, try mila atao masaka bé fa le mikarepojepoka iny mintry izy no trara kou!!:-P
19. vale ( 29/05/2006 07:17)
ny ravi-tsôsety ve no mikarepodrepoka ry boubou?:roll::roll:
20. Fiffi ( 01/06/2006 02:55)
zany hoe tsy hatao masaka be angamba kah!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6933