Mpanohitra sy ny mpitondra dia ho moana sy ny marenina ve?
1. gasypantin
(
20/05/2006 07:08)
Raha ny famakiana ireo gazety dia ho sanatria ve resaky ny moana sy ny marenina indray ny mpitondra sy ny 3FN?
Ny fanontaniana mipetraka raha tsy hanaiky ny fangatahan'ireo mpanohitra ny mpitondra dia inona no hiseho?
Ny fanontaniana mipetraka raha tsy hanaiky ny fangatahan'ireo mpanohitra ny mpitondra dia inona no hiseho?
novalian'i prime ny 30/05/2006 03:37
2. Fiffi
(
20/05/2006 07:18)
Manome fe-potoana ny fitondram-panjakana, hatramin'ny 21 Mai ho avy izao, izahay 3FN, hamaliany an-tsoratra ny taratasy izay natolotra azy ny 5 Mai 2006 mba hahitan'ny rehetra ny fahavononany hanomboka ny fiaraha-midinika. « Aoka tsy ho sarontsaronana amin'ny fahatongavan'ny vahiny manan-kaja avy any ivelany tonga eto ny fihaonana eo amin'ny roa tonta fa atrangao ny marina », hoy ny Pasitera Andriamanjato Richard, noho io fiheverana fanaovana sinema anay mpanohitra io. Afaka adidy izahay mba tsy ho tompon'ny nenina ao aoriana.
Ny 29 Mai ho avy izao dia antsoina ny hery rehetra tsy ankanavaka mba ho tonga eny Iavoloha hanao ny fihaonana eo amin'ny mpanohitra sy ny mpitondra ho famaliana ny hetahetan'ny SGn’ ny firenena mikambana. Ho avy tsy ho ela ny fanasana, hoy ny tompon'andraikitra iray avy eo anivon'ny fiadidiana ny repoblika ka tsy hanavahana ny antoko misy eto amin' ny tany sy ny fanjakana.
Ny fangatahan'ny mpanohitra tsy ankanavaka dia tsy maintsy ilaina ny hilaminana sy ny hanatsarana mialoha ny rivotra politika nateraky ny disadisa nanomboka ny taona 2002.
Takiana ny hamoahana ireo gadra politika sy hampodiana haingana ireo nitsoa-ponenana any ivelany ary hametrahana ireo fepetra rehetra hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena. Ny ahazoana miteny an-kalalahana eo amin'ny haino aman-jerim-pirenena : aoka hazava ny fitsipika fa fananam-bahoaka io. Tsy ara-dalàna ny nanonganana ny filohan'ny andrim-panjakana teny Tsimbazaza, satria tsy manaja ny lalàna velona misy eto amin'ny tany sy ny firenena. Hanaiky ireo ve ny filohan' ny repoblika izay tompon'ny teny farany ? Raha tsy tanteraka ireo fangatahana ireo, hanao ahoana ny tohiny ao aoriana ?
Naivo kely Madagascar Tribune.

3. Fiffi
(
20/05/2006 07:20)
gasypantin:ahoana moa no hamaliana ny fanontanianao raha tsy miseho aloha ilay izy ? fa dia aleo jerana miadana eo raha hanaiky na tsia ry zareo koh!
Ny fanontaniana mipetraka raha tsy hanaiky ny fangatahan'ireo mpanohitra ny mpitondra dia inona no hiseho?
4. lamie
(
20/05/2006 10:50)
mahavariana be lay rivotra ao mada ao!3fn:io pasitera io raha tsy voafidy filohan'ny FJKM tsony dia avy dia nanagana io 3fn io,lasa loza be rangahy pasitera fa teo nanara-dia an'i ra8,tena nihaino azy tanteraka ra8,dia ny tsy fahazoana seza ve nahatonga ny famadiana?sady manao menace koa ny opposition @ zany?fa raha avoaka daholo ny gadra politika?reo ange ka nampitodra faisana ny gasy e?sady nangalatra,ary mahazo vahana ery le andriamanjato richard,ny zanany aza hilatsaka ho fidiana ho president nefa io zao no mamely tsaho hoe nanao "dina"t@ devoly ra8?tratra tao ny lainga dia ira8 koa namela fa kristiana,tsy manala andra8 aho fa mahazendana ny tanatara!
5. fijo
(
20/05/2006 20:58)
le mpanohitra anie mahatsapa ny fahalemeny e,dia mody manao resaka mampatahotra.fa tsy hitako izay atahorana an'ireo;
6. marozevo
(
21/05/2006 07:50)
Efa hatramin'ny 1958, roa taona talohan'ny fahaleovantena no efa nanao izay hahazoany seza io pasitera io. Nahazo kely ihany izy satria lasa mairen'Antananarivo, fa inona anefa no vokany. Avy eo namany KDRSM ihany no tonga Maire (Rakotovao Andriantiana +), fa toraky ny teo ihany.
Misy anie efa nilaza fa raha tsy io Pasitera io no maty tsy handroso i Madagasikara eh ! Asa anefa ?
Misy anie efa nilaza fa raha tsy io Pasitera io no maty tsy handroso i Madagasikara eh ! Asa anefa ?
7. Fiffi
(
21/05/2006 13:08)
marozevo:fa ahoana koh zany kay ry marozevo ?
Misy anie efa nilaza fa raha tsy io Pasitera io no maty tsy handroso i Madagasikara eh ! Asa anefa ?
8. tangalamaitso
(
22/05/2006 05:26)
Izany hoe io "Pasteur" io izany no "problème"n' i Magadasika fa tsy ilay raikalahy taloha indray? Sao dia isika Malagasy (mpifidy)ihany raha izany no olana ho an'i Madagsaikara? Mbola misy amintsika mantsy manaraka ny hevitr"ireny olona ireny eo @ sehatra politika. Ndao mba samy hiezaka tsy lasa olana ho an'i Madagasikara e!
9. lamie
(
22/05/2006 07:34)
tsy azoko koa hoe iza io pasitera taloha io!andriamanjato ve?tsisy atahorana ange raha izy satria tana tsy mihaino azy intsony sy tsy mila azy e!tsy izy no pb fa hafa kosa?
11. mandrindra
(
22/05/2006 14:00)
i ndrema savony vava ihany io dadapasy nanangatra efa hatry ny ela io e
12. Achia
(
22/05/2006 17:47)
tokony efa hisotro ronono @ zay ngamba le ranga io @ fanaovana politika ka ! marina e , aiza ve ka ze mpitondra eo de toherinao sy hasianao sira daholo hmm , fa politika ihany koa lo ny ao @ fitondrana e tsy hay ze ao ambadik'izany
13. lamie
(
22/05/2006 19:06)
ka efa nisotro zavatra tsy hay tsony io pasitera io dia malahelo, zany no anaovany loha paokaty ohatr'io e!raha mbola misy ny mpamadika eto antany? ndrema no loha-laharana,sady mpandainga, mena maso e!nefa dia pasitera zao taloha??!! efa misotro ronono(retraité)t@ maha pasitera azy fa mbola mitonatonana, soa fa tsy havanay!!!
14. marozevo
(
22/05/2006 19:44)
raha ny tena marina dia tsy olona tokana na zavatra tokana no problemen'i Madagasikara, anisany fotsiny io Pasitera io, fa tsy izy irery akory. Mety ho isika koa aza anie ao anatiny eh..
15. Stone
(
23/05/2006 00:08)
Tsy dia arako loatra aloha ny ao Mada, fa amiko dia amin'alalan'ny olomboafidy ihany vao misy lanjany ny resaka! Satria solotenambahoaka no hiresahana. I Ndrema ohatra dia tsy manana député sy olom-boafidy na dia iray aza, ka tsy hitako hoe ahoana moa no maha solontenan'ny mpanohitra azy. Sa dia ity Mada ity no firenena hafa kely, izay aloha dia tsy logique amiko, mba jerijerena ihany ny zava-misy eran'izao tontolo izao (France, UK etc).
16. tangalamaitso
(
23/05/2006 10:42)
i stone ve aloha olom-boafidy sa tsia e!? Raha toa mantsy tsy olom-boafidy i stone ka raisina io hevitr'i stone io, dia tsy hisy lanjany mihitsy izay resaka rehetra ataon'i stone eto. Ka aleo aloha i stone ho lasa olom-boafidy vao miresaka. ha!ha!ha!:):):):)
17. Stone
(
23/05/2006 20:39)
Izaho tsy olomboafidy fa kosa nifidy olona hiosolotena ahy , fa tsy i Ndrema aloha e !
Mazava hoazy fa izay teneniko manokana dia tsy dia misy portée mankaiza.
Mazava hoazy fa izay teneniko manokana dia tsy dia misy portée mankaiza.
18. tangalamaitso
(
24/05/2006 04:59)
Dia hono ho'aho ry stone, dia inona fotsiny izany no tena tanjon'i stone @ fandraisana anjara ato anatin'ity serasera ity?
19. prime
(
24/05/2006 06:49)
Izaho mahita fa mbola resaky ny moana sy ny marenina io. Ny tanjona mihitsy an\'ny andaniny sy ny ankilany anie dia mifanipaka tanteraka. Tsy hitako izay mbola iantsoan\'i Ra8 ny mpanohitra. Izy rahateo koa anie tsy maintsy ho lany e! Ka izay tiany foana ihany io ka manjary ohatry ny mihatsaravelatsihy fotsiny. Ny mpanohitra koa tokony raha tena sahy dia io ny fifidianana dia ataovy izay tokony hatao fa lany andro fotsiny. Mba tokony hanolotra vinavinan\'asa sy programa tena mampandroso fa tsy faly mitsikera fotsiny. Ny fanatsaràna lalàm-pifidianana sisa angamba no mety hisy hifandraisana.
Ny hoe Ndrema efa fantatra iny fa izao kosa, tsy azo adino ny zava-bitany na ny ratsy na ny tsara. Izaho tsy havany, izaho tsy namany fa aza mihinana am-bolony kosa isika e!
Mpitandrina (asa mandra-maty io na retraité aza) izy, na izay fotsiny aza, ny olona nifandray tamin\'izany ray aman-dreny izany niaiky avokoa ny fitiavana nahamay tao anatiny ho famonjena ny fanahin\'ny olona.
Mpitolona izy, aza adino fa MDRM izy vao lasa AKFM nitolona nanohitra ny fanjanahan-tany, ka anisan\'ireo natahoran\'ny frantsay indrindra.
Ben\'ny tanànan\'Antananarivo nandritry ny fotoana ela, fa nandroso ny tanànan\'Antananarivo tamin\'ireny.
Tsy tenenina intsony ny naha filohan\'ny antenimiera azy, fa afaka manontany izay olona efa solom-bavam-bahoaka rehetra isika fa tamin\'ny nitondrany io andrim-panjakana io no tena nanjaka ny demôkrasia tao satria hevitra no niady.
Dia tsy ambara ny zava-bitan\'ny zanany tao amin\'ny paositra. Nisy aza ny tsy lian-tsofina fa i Hasina no lany ben\'ny tanàna nefa tsy tian-dRatsiraka hiala tao amin\'ny ministera ka dia namboarina ny vato ; satria ra8 tamin\'izany koa dia aza adino fa mbola mpiara-niasa akaiky t@ deba. Izay ilay pôlitika e!
Ny tena nahavoa an\'i Ndrema dia ireto no tsaroako aloha :
Niaraka tamin-dRatsiraka dia avy eo nivadika taminy ka lasa fanavaozana.
Ny afera \"financement parallèle\" nanirahan\'i Zafy azy. Aoka tsy adino fa i Zafy dia mankahala mihitsy ny Banque Mondiale. Dia niitatra \"affaires flamco\". Dia nihinam-be tao.
Nanongana an-dRatsiraka t@ 91 nefa niverina niaraka taminy t@ 96.Tsy nitazona ny hambom-pony ka na dia nataon\'i deba amboa aza ny vadiny sy ny fianakaviany dia mbola niverina taminy ihany.
Ny farany dia ny namoahany ny dossier \"pacte avec satan\" nikasika an-dra8.
Izany hoe olona nanamarika ny tantaran\'ny firenena izany ka na ratsy io na tsara io dia izany no izy.
Avelao ny tantara no hitsara azy fa rehefa tsy tiantsika izy dia aza asiana kôzy akory.
FA RA8 HO\'A TSY MAINTSY LANY AMIN\'NY FIFIDIANANA MANARAKA EO.

20. marozevo
(
24/05/2006 13:59)
hanampy io fanazavana lava momba an-'Andriamanjato io, dia aza adino fa tany amin'ny firaisana Sovietika izy no nanao ny fianarana ambony.