Mpanohitra sy ny mpitondra dia ho moana sy ny marenina ve?

21. fijo ( 24/05/2006 20:49)
aoka leretsy izay ny tsikera be an.efa tsy misy mihaino intsony ingahy pasy fa avelao izy hilamina.fa samia isika manontany tena,fa sao dia isika marina no olana kely tsy mampandroso an'ny mada.
22. Stone ( 24/05/2006 23:13)
Tangalamaitso, fifanakalozan-kevitra fotsiny ity dia mijanona eo.
23. marozevo ( 25/05/2006 07:49)
Fijo > marina izany, nefa raha miresaka izany angaha moa midika fa tsy manao na inona na inona isika ? Na dia izao fifanakalozan-kevitra izao aza anei dia mety hanampy ny tsirairay hamakafaka ny tena zava-misy sy ny toe-po aman-toe-tsaina hiatrika ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana eh.
24. fijo ( 25/05/2006 19:58)
eny e,isika eto anie ka miresaka ,sy mifanakalo hevitra e.ary sahiko ny milaza eto,fa ny ankabeazan'ny resaka eto amin'ity sehatra ity"politika"dia hitan'ny olona mpitondra;tsy miditra mandray anjara ato izyfa mijery ny hevitsika ato.
fa raha miteny ahoeto hoe "isika"dia ny malagasy no tiako lazaina.
25. prime ( 26/05/2006 08:25)
fa sao dia isika marina no olana kely tsy mampandroso an'ny mada.

Mba omeo hevitra mazava kokoa hoe fa toa mifono zava-dalina ny tian'i fijo ambara!!!:lol:
26. fijo ( 26/05/2006 19:56)
prime ,ny tiako lazaina dia izao.matetika isika dia variana mitsikera sy mitanisa izay tsy mandeha.fa isika ihany anefa ,dia tsy manao ezaka ny hialana amin'izay tsy mandeha izay.ohatra.samy leo tsolotra isika ary samy miady amin'io.nefa raha vao miditra birao ny tsirairay.dia samy maika ny ahavita ny ilainy,dia samy manolotra kely ao ambadika ao.ka izay le lazaiko hoe :"sao isika ihany aza no olana voalohany?????"
ny resaka hetra koa dia toa izay.samy malaina handoa hetra,nefa samy mitaky asa mivaingana avy amin'ny fanjakana.
27. tangalamaitso ( 29/05/2006 06:08)
Ndao tokoa samy mba hiezaka ho vahaolana isika e!
Fa hono tokoa ho'aho e! Dia tena tsy ho afaka miroso @ dingana manaraka tokoa ve ny Firenena raha tsy tanteraka io fihaonan'ny mpitondra sy mpanohatra io? Tsy ohatry ny mahatsapa ve ianareo hoe mitady hataon-dry zalahy mpanao politika "otage" indray ny Firenena? Sa diso ve izany fahatsapako izany? Sao dia mba ry zalahy no "olana"? :D:D:D:D:D:D
28. prime ( 30/05/2006 03:37)
Hay ve tsy dia mifandray loatra @ lohahevitra no tian'i fijo ambara e! Izaho mantsy nihevitra hoe, isika no olana tsy mampandroso an'ny mada ka mahatonga ny resaky ny mpanohitra sy ny mpitondra ho moana sy marenina.:lol:
Ny tena hevitro dia tsotra, tokony dinihina lalina ny lalàm-pifidianana fa izay no tena olona lehibe. Faharoa, samy manana andraikitra goavana @ firenena na ny mpitondra na ny mpanohitra ka tokony samy hanaja feno ny demokrasia, io no itoviako hevitra @ stone kosa aloha... Tsy manana olom-boafidy n'aiza n'aiza nefa toa bevava.
Fahatelo, ny fifidianana ihany no sehatra faratampony azo anehoan-kevitra ahafahan'ny besinimaro mitsara sy manapa-kevitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0527