Blaogin'i Soanja

1. hery ( 17/05/2006 10:39)
Maromaro ireo manana blaogy ao amin'ny blaogy.com, samy manana ny lohahevitra entiny daholo. Tsy ho voatanisa eto daholo fa ny tiako hozaraina aminareo dia ny an'i Soanja. http://soanja.blaogy.com
Ny blaogin'i Soanja dia tantaram-piainana (Autobiographie) fa rehefa mamaky azy ianao dia tsy hoe tantaran'olona fotsiny ilay izy fa tantaran'ny tontolo rehetra manodidina azy mihitsy (tanàna, tontolo iainana, tantaram-pirenena sns.)
Mahafinaritra fa dia misaotra an'i Soanja.

Ianao koa afaka manana ny blaoginao ao amin'ny http://blaogy.com
novalian'i soanja ny 24/05/2006 15:12
2. Fiffi ( 17/05/2006 11:28)
=D=D=D misaotra anao ry hery ! de misaotra an'i soanja koh fa tena nahaliana tokoa ny namaky azy teo an! (ho jerena aloha raha hahay hanao blaogy koh) :)
3. jentilisa ( 17/05/2006 12:18)
Izaho aloha dia mpamaky soa aman-tsara!
4. mandrindra ( 17/05/2006 12:35)
tantara managarahara, mahalina tsy ankanampy sira. manja sy mahafinaritra.
5. Samoana ( 17/05/2006 13:28)
Blaogy tsy misy sary anefa mazava ao an-tsaina tsara ny mombamomba an'i Soanja. Soa ny mana-talenta e !
6. soanja ( 17/05/2006 13:45)
Misaotra betsaka Hery sy ny rehetra. Soa fa manana mpiray tanindrazana aho afaka hizarako ny tsara indrindra. :-*:-*:-*:-*
7. booboo ( 17/05/2006 14:20)
Misaotra mizara ny tsara indrindra ô :D. Hihihi kay ve Soanja vehivavy e ? noheveriko fa lelà fôna hatrizay hiihihihihi.
8. soanja ( 18/05/2006 17:58)
booboo:

Misaotra mizara ny tsara indrindra ô :D. Hihihi kay ve Soanja vehivavy e ? noheveriko fa lelà fôna hatrizay hiihihihihi.

F'ahoana koa ary izany. Misy Soanja lahy angaha any? Vavy foana no fahitako an'io anarana saingy mety diso be aho. Booboo a, tena vehivavy be mihitsy aho ka.


9. booboo ( 18/05/2006 18:04)
Soanja >aaa, tsisy hafa ato @ serasera klou fa lelà no fantako mitondra an'io anarana io hatrizay. Hihihihihi efa haiko @ zay sy t@ lé fomba fanoratra fa vehivavy be mihitsy kah
10. Fiffi ( 18/05/2006 19:49)
:lol:
11. adidy ( 21/05/2006 15:06)
Tsara be=D=D=D
12. soanja ( 22/05/2006 00:58)
Adidy, :-*:-*:-*:-*:-* Ampitiavana hatrany, Misaotra.
13. dadabe ( 22/05/2006 09:26)
mankasitraka e :-*
14. soanja ( 22/05/2006 12:07)
dadabe:

mankasitraka e :-*

Mankatelina tompoko o.:-*:-*:-*:-*


15. Rafotsy ( 22/05/2006 14:25)
Mahafinaritra be ny blog nao ary nampatsiaro ny fahazazako sy ny fatanorako koa ! Niova be ilay kiosque à musique ! Misaotra e !
16. soanja ( 22/05/2006 14:34)
Rafotsy:

Mahafinaritra be ny blog nao ary nampatsiaro ny fahazazako sy ny fatanorako koa ! Niova be ilay kiosque à musique ! Misaotra e !

Misaotra betsaka Rafotsy nitsidika ny blog-ko. Misaotra betsaka koa amin'ny fankaherezana. Tsy tena azoko ny tian-dry tenenina momba ilay kiosque a musique. Azon-dry hazavaina kely ve, misaotra mialoha o. Soanja. :-*:-*:-*


17. Rafotsy ( 22/05/2006 15:03)
Azoko hazavaina tsara ka ! Za manko nipetraka tany Diègo elabé mihintsy , dia tamin'ny androko izy tsara be ary tena filalaovako mihitsy satria teo akaiky teo izahay no nipetraka , fa nahita documentaire momba an'i Diègo aho taty aorina , dia potika be daholo na ny kiosque na ny villa de la marine teo akaikiny , nalahelo be aho ary nitomany mihitsy , kanefa nahita ny foto ndry aho dia faly satria rénové ilay izy fa sady lasa fleuri no coloré be ! Fa niova lasa tsara no tiako ho lazaina !
Mahafinaritra ilay blog fa sahala ny mi ballade aho mamaky azy , ary mbola hiverenako vakina tsara e !
Tena nanomé fahafinaretana ahy no namaky azy e !
18. Rafotsy ( 22/05/2006 18:07)
Diso aky ny fijeriko sary fa Joffre izy io , kanefa toa misy kiosque kely ? Ilay kiosque lazaiko ilay eo akaiky ny poste ary mahita tsara ny rade e !
Niverina namaky aho , fa miandry ny tohiny e ! Aza atao ela an !!!
19. soanja ( 22/05/2006 18:14)
:-*
Rafotsy:

Diso aky ny fijeriko sary fa Joffre izy io , kanefa toa misy kiosque kely ? Ilay kiosque lazaiko ilay eo akaiky ny poste ary mahita tsara ny rade e !
Niverina namaky aho , fa miandry ny tohiny e ! Aza atao ela an !!!

Rafotsy a, faly be mihitsy aho fa mba manana namana izny lehibe tany Diego koa. Nahafinaritra be moa tany o. Izaho aky efa elabe no tsy tany ary tena tamin'ny zaho tany no tena nahitako an'i Diego simba be. I Hotel de la Marine resahindry tsy nisy nijerevana azy intsony , tena nitomany toa andry koa aho sady nanontany tena hoe nisy mba olona nandihy sy nifaly ary nipetraka ve tato? Io sarin'i place joffre io nalaiko tao amin'i Net dia faly aho fa mba misokatra ny tarehin'i Place Joffre. Mino aloha aho fa mba mihatsara any izao. Miandry olona mba hanao update eto anie aho hoe fa mba nisy fanovana ve ao Diego. Tamin'ny androntsika aloha dia toa an-dafy kely izany ny fahitako azy rehefa nampitahaiko nony tonga taty an-dafy aho. Sady tamin'izay koa moa feno Legionaires mandende eran'ny tanana.
Aza manahy indry fa raha vao malalaka aho dia manohy foana. Ny tena olako anie dia ny fotoana. Misaotra aky a.:-*:-*:-*:-*


20. Rafotsy ( 23/05/2006 04:52)
Ie , marina mihintsy ny andry fa tena lafrantsa kely mihitsy i Diègo tamin'izany. Niala tany aho ny année 68 satria afaka bac dia tao @ campus Ankatso , dia miverina isaky ny vacances , miaraka @ avion ny amirauté !
Za aky anisany nanao soirée tao @ io villa de la marine io satria misy soirée be atao hoe nuit bleue de la marine , ka chic bé mihitsy !
Asa raha tadidindry koa fa rehefa manao escale ny navire école la jeanne , dia fety be koa Diègo manontolo , ary nony lehibebe aho dia inviter tamin'ny festivités koa! Ie , nahafinaritra ireny andro ireny ! Mihomé fotsiny aho namaky ny tsoblo sy tsomanga ndry ! eisy e !!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1796