Mpiasam-panjakàna éternel probléme!...

1. lemenakely ( 17/05/2006 09:45)
Ré fa vita ny audit momba ny mpiasam-panjakàna ary 2/3 dia tsy ara-dalàna fa fantôme ny ankabeazany,izany hoe tsy miasa akory nefa mandray karàma!
Nandray fepetra ny fanjakàna fa ho an'ireo 1/3 dia nomena choix na ho roahina dia omena daholo ny indemnités na manao remise à niveaux ka ny BAC +4 no raisina.
Tsara aloha ilay audit e na somary tara aza ,ny fanontaniana mipetraka dia hatrizay refa manakaiky ny fifidianana dia resahina foana ny momba azy ity fa toa resa-be avy eo,inona no antony?

Faharoa maninona moa raha atao fifaninanana @ izay ny zava-drehetra tsy asiana akàmakàma sy parachutage intsony e? ary motivé-o kosa avy eo fa raha misy séléction nefa ny karàma varimasaka dia ny eo ihany ny eo e!...
asa alohany hevitrareo e?:?:
2. tangalamaitso ( 17/05/2006 09:55)
Toa efa niovana ange izao ny fiantso azy e! Mpiasam-bahoaka fa tsy mpiasam-panjakàna intsony. Misy dikany lehibe izany, indrindra eo @ toe-tsaina entina manatanteraka ny asa. Manopo vahoaka fa tsy manopo fanjakàna. Ny tambi-karama koa ange omena rehefa mahavita asa e! izany hoe karama = asa. Na izany na tsy izany ihany koa aloha,tsara avahana ny tena miasa sy ny mody miasa. Tokony hifandraika @ asan'ny tsirairay sy ny fahaiza-miasany ary ny vokatry asany ny karamany. Izay miasa dia omena fankasitrahana, ary izay tsy miasa dia anarina. sa ahoana e!
3. Fiffi ( 17/05/2006 11:22)
Fa anga tsy mba misy fizarana medaille rehefa taom-baovao ? "mérite du travail" moa zany an!
4. dadabe ( 17/05/2006 11:49)
:roll::roll::roll::oops:
5. mikeh ( 17/05/2006 17:31)
mpiasam-panjakana aiza no tena tian'ialahy ho tenenina ? Ialahy mantsy toa tsy any Dago intsony.
6. lemenakely ( 17/05/2006 18:29)
ny any dago ry bainina ah!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3563