Diosezin'i Moramanga

21. Fiffi ( 25/05/2006 05:36)
hery , marozevo: misaotra anareo fa tena mazava tsara @ zay. Izany hoe efa fantatro hiany aloha fa ny Eveka no mifidy ny pretra hoe alefa aiza izy , saingy ilay voalaza momba ny fiangonana no somary nanaitra ahy fa de efa mazava tsara zao an! :)
22. marozevo ( 25/05/2006 07:13)
Rahoviana i Fiffi no hamangy ny diosezin'i Moramanga? Tsarovy fa tsy azo idifiana i MAROZEVO (toerana) rehefa ho any anh...
Eh lahy eh... any ho any...
23. Fiffi ( 26/05/2006 07:35)
marozevo: enganie ka tsy ho ela io. :) efa mba mikasa ny ho any dago hiany fa dia raha mety hiany dia tsy ho hadino ny fandalovana any. :)
24. marozevo ( 26/05/2006 20:58)
Vao mandika ilay tetezana kely, km vitsivitsy miala an'Ambatolaona ianao, ka miditra izato ala mikirindro (izay efa miha simba indrisy ankehitriny), dia efa miditra ny diosezin'i Moramanga, izany hoe iny Mandràka sy Marozevo manontolo iny dia ao anatin'ny Diosezinì'i Moramanga daholo.
Ery ambony avaratr'i Moramanga ery misy tendrombohitra iray atao hoe Befotsy, misy lakroa avo dia avo eo. Indray sampan-kazo izay nisy aksidant fa nianjera ilay Lakroa ary saiky namoy ny ainy ilay tovovavy nianjerany. Sitrana ihany ary lasa nitondra hazo fijaliana any am-pitoriana ny Tenin'Andriamanitra any an-tany lavitra. Reharehan'ny diosezin'i Moramanga sy reharehantsika Malagasy any an-tany lavitra.
Mirary azy hahavita be.
25. Fiffi ( 27/05/2006 08:08)
marozevo: misaotra anao t@ fanazavana . :) Mahaliana tokoa manko ny mba hahafantarana ny zava-miseho any an-tanindrazana fa na dia ao aza ny net , mbola hafa hiany rehefa ny namana no manazava.
26. marozevo ( 30/05/2006 12:25)
Sady na nety aza ny NET dia tsy hahalaza ny antsipirihin-javatra tena misy koa eh..

Ohatra fotsiny izao : Raha vao miteny hoe Madagascar ianao, dia lémuriens na babakoto na ireny karazam-biby tsy fahita afa-tsy any Madagasikara ireny no eritreretin zalahy. Izay ihany ve i Madagasikara ?

Moramanga : Ny renivohitra dia ahitana Paroisse telo lehibe. Ny 1 dia ny eo afovoan-tanana (Sacré Coeur), ny faharoa dia eo Anosimasina,làlana mankany Ambatondrazaka (Notre dame de Bon remède sa Sainte Trinité) ary ny fahatelo izay vao vaovao dia ery andrefan'ny tanàna (Notre Dame de Mont Carmel).
27. Fiffi ( 30/05/2006 18:32)
marozevo: :oops: mbola hianatra kely géographie indray aloha fa tena .... fa MAROZEVO aiza ho aiza an'i Moramanga ?
28. marozevo ( 16/06/2006 19:45)
Marozevo iza aloha ? Misy Marozevo roa manko, hatramin'izao aloha... I Marozevo iray any Italie, ary ny Marozevo toerana dia 15 na 20 km miala an'i Manjakandriana raha ho any Tamatave.
29. Fiffi ( 17/06/2006 20:23)
hihihihi an3 kah! le Marozevo toerana dia 15 na 20 km miala an'i Manjakandriana raha ho any Tamatave. Io no tiako jerena sy hoe hianatra géo kely fa tena heu...tsy mahay eh!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2403