Diosezin'i Moramanga

1. hery ( 16/05/2006 08:09)
Nofaritan'i Papa Benoà 16 ho diosezy i Moramanga. Moramanga moa dia tao anatin'ny Diosezin'Ambatondrazaka teo aloha. Mgr. Gaetano Di Pierro no eveka voatendry hitantana izany diosezy vaovao izany.

Nalaina tao amin'ny zenit.org

Benoît XVI a érigé un nouveau diocèse à Madagascar, le 13 mai : le diocèse de Moramanga, à partir du territoire du diocèse d'Ambatondrazaka, et il est devenu suffragant de l'Eglise métropolitaine de Tananarive.

Le diocèse de Moramanga représente une population de quelque 350 000 personnes, dont quelque 110 000 catholiques, 17 prêtres et 72 religieux.

Comme premier évêque de ce nouveau diocèse, le pape a nommé Mgr Gaetano Di Pierro, SCI, qui était jusqu'ici évêque auxiliaire dans le diocèse d'Ambatondrazaka.
novalian'i Fiffi ny 17/06/2006 20:23
2. Fiffi ( 16/05/2006 08:20)
Nahazo voninahitra lehibe zany Moramanga. Fa ny zavatra mampalahelo dia hatraiza hatraiza dia tena vitsy ny pretra .
17 prêtres pour 110 000 catholiques na mahery noho io aza .
3. McFy ( 16/05/2006 08:58)
fiffi sao dia hanao pretra là raim? :-*
4. Fiffi ( 16/05/2006 11:06)
McFy: ountssss ! enao zao no tokony hanao pretra fa zah aleo hanarato .:):-*
5. Jessimi ( 16/05/2006 11:20)
F'angaha tsy diôsezin'Antananarivo io taloha:?: satria nivavaka tao aho taloha kelin'ny nandehanan'i Mgr Armand nisotro ronono dia tena izy mihitsy no anarana voatonona amin'ilay "Tsarovy ny evekanay ..." iny:!:
6. Bariry ( 16/05/2006 11:41)
Eny houah Jessi! Zah kou nieritreritra fa diôsezin'Antananarivo io talouh kah.
7. andansonia ( 16/05/2006 12:05)
Tena ohatran'ny hoe kely velarana io diocèse io raha mitaha @ hafa.satria Atondrazka izao raha tsy diso aho ny faritra Ambato, Amparafa, hatrany Andilamena.Fa saingy mbola be lalana ratsy.
8. marozevo ( 16/05/2006 20:52)
Vaovao Mahafaly tokoa... Ela ny ela....
Tena diosezin'Ambatondrazaka i Moramanga hatrizay ka.. Ny diosezin'Ambatondrazaka (talohan'izao) dia nivelatra hatrany :

Avaratra : Andilamena (izay mbola manana zana-piangonana miala 120km any avaratra)
Atsimo : Anosibe An'ala (izay mifanolobodirindrina amin'ny Diosezin'Antsirabe ny farany atsimo).
Atsinanana : Eo anelanelan'Andasibe sy Beforona.
Andrefana : Marozevo.

Angamba eo Amboasary no faritra izaran'ireo diosezy ireo amiin'izao nahazoana
9. Fiffi ( 17/05/2006 12:46)
Hivavaka ho azy marina fa tena fahasohavan'Andriamanitra izao . Hivavaka hatrany koa mba hisian'ny pretra ho maro hanarato mba ho zanak'Andriamanitra daholo ny olombelona rehtra satria be ny fitiavan'Andriamanitra antsika.
10. xxx ( 18/05/2006 18:47)
Tsy mbola fantatra mazava ny isan'ny pretran'ny disezy vaovao satria eo an-dalam-pifidianana izay diosezy tiany ireo pretran'ny diosezin'Ambato teo alooha... raha izaho aloha no mifidy aleko ao Moramanga e ..akaiky ville k...
11. Fiffi ( 18/05/2006 19:26)
de mba hampitapitaho ny vao2 azo farany eh!
12. marozevo ( 18/05/2006 21:42)
Fa ilay isa 17 lazainy anie an'ny diosezin'Ambatondrazaka talohan'ny fizarana eh... Tsy mendrika hatao Mopera ialahy ry xxx raha izany no critère mba entin'ialahy mifidy izay diosezy hisy an'ialahy.
13. Fiffi ( 19/05/2006 04:27)
xxx:
Tsy mbola fantatra mazava ny isan'ny pretran'ny disezy vaovao satria eo an-dalam-pifidianana izay diosezy tiany ireo pretran'ny diosezin'Ambato teo alooha
tena tsy azoko aloha io an! nga ny pretra no mifidy hoe aleo zah ao @ dosezin'faritra izay tiany ?


14. marozevo ( 21/05/2006 08:40)
Fiffi > An3... tsy ny pretra akory no mifidy izay diosezy hisy azy amin'ny ankapobeny, fa amin'ny zava-misy toy izao dia izay no ataon'ny Fiangonana. Efa mpitranga izany, raha tsy hilaza afa tsy ireo diosezy vaovao isika : Ambositra (avy amin'i Fianarantsoa tamin'ny 1999); Fenerive-Est (avy amin'i Diego tamin'ny 2001), dia ity Moramanga ity.
15. Fiffi ( 21/05/2006 12:21)
ataon'ny fiangonana ? fa tsy ny eveka ve no manandrify ny toarena halehan'ny pretra ?
16. hery ( 22/05/2006 05:26)
Fiffi> ny atao hoe Fiangonana dia ilay institution... izany hoe ny lehibe-n'ny Fiangonana (izany hoe Ny Eveka) fa tsy hoe ny fiangonana tsirairay akory.

Araka ny nolazain'i Marozevo, rehefa misy diosezy vaovao izay nalaina avy tamina diosezy lehibe iray dia mifidy ny pretra ao na hijanona amin'ilay diosezy taloha na hiditra amin'ilay diosezy vaovao. Tsy maintsy diosezy iray ihany mantsy no misy azy.
17. pissoa ( 22/05/2006 06:15)
Ary izao kou izany vao fantatro. :)
18. Herimiafina ( 22/05/2006 16:33)
Lasa Diosezy izany i Moramanga! Izay tokoa no mety satria toa tanana iray goavana ihany io ka tsy voafaritra Distrika intsony azony efa mifanantona ireo tanàna. :@
19. marozevo ( 22/05/2006 20:26)
Tena ny Eveka no manendry ny Pretra hiasa atsy na aroa ao anaatin'ny dioseziny ka... tsy diso mihitsy ny fahalalan'i Fiffi. Ary tsy iza fa mbola ny Eveka ihany koa no manendry ny Pretra hisafidy ho atsy amin'ny diosezy izao na izatsy rehefa mitranga ny seho toy izao diosezy vaovao izao.
20. methode ( 24/05/2006 23:24)
Dia arahabaina sahady izany ny Diosezin'i Moramanga dia mairahaba ny namana rehetra any.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3988