Fandrosoana, Fifidianana, iza no aloha ?
22. marozevo
(
21/05/2006 08:23)
mandrindra:
marozevo, marina daholo izany fa ny mahagaga ihany koa dia be ny milaza fa manao be ny mpitondra ka minia tsy mahita ny tsy mety ataon-dry zalahy. sa amin'izay tsy voatery mitady vahaolana satria efa niteny hoe milay io nama a?
Raha hitady ny lafatra kosa aloha ... tsy anisany aho. Aleoko mahita olona mampanantena 100% mahavita 5%, toy izay mahita olona mampanantena paradisa nefa afobe no hita.
23. mandrindra
(
22/05/2006 14:35)
fijo, ny mahavarina ahy anefa eto amin'ny dinika mandeha eto dia rehefa misy tranga tsy mety hiarahamahita dia izay mpanohitra ihany no asaina mitady vahaolana. raha vao misy mampitranaga olana dia ny valiny dia ny hoe manaova, fa maninona raha mba manampy mitady vahaolana ihany koa ilay miteny hoe mba manaova.
marozevo, ny lafatra aloha dia marina fa tsy ho tratra, fa ny manelanelana ny 5% sy ny 100% dia hitako fa lehibe tokoa. tsy ny fampitaha amin'ny ratsy taloha mihitsy no hampanadroso.satraia raha izay no atoa dia raha taloha izany -5 dia ankehitriny -3 ohatra dia tokony ho omena tehaka ve izany ?

24. marozevo
(
22/05/2006 20:06)
Kay ve i mandrindra mpanohitra eh... Nefa saiky hilatsaka depiote tamin'ny 2002/2003. Sa tsy ilay mandrindra avy any Antsirabe ity ?
25. mandrindra
(
22/05/2006 20:13)
tsy manana antoko, ary tsy avy any antsirabe fa avy any madagasikara ka
26. tangalamaitso
(
23/05/2006 04:55)
Somary amboariko kely ny lohahevitra raha sitrakareo. "Azo hatao ve ny mampandroso ny Firenena ka tsy mandalo fifidianana?" Na koa hoe: "miankina amin'ny fifidianana ve ny fampandrosoana ny Firenena?" ary farany: "Ny voka-pifidianana nisy teto h@ izay ve nitondra fampandrosoana ho an'i Madagasikara,". Rehefa avadibadika tokoa ity lohahevitra ity dia mampieritreritra be mihitsy an! Sa ahoana hoy ianareo?
27. Stone
(
23/05/2006 21:29)
Tsy misy dikany intsony ilay fanontaniana satria isika efa lasa repoblika hatramin'ny 1958. Sa hoaverina monarchie, ve sa dictature ?
Mety ho tsara ny monarchie constitutionelle (Cf. UK sy ny pays scandinaves) nefa tsy possible intsony izany izao.
Mety ho tsara ny monarchie constitutionelle (Cf. UK sy ny pays scandinaves) nefa tsy possible intsony izany izao.
28. tangalamaitso
(
24/05/2006 05:18)
Inona marina no tsiambaratelo mampandroso an'i Japon, Angleterre, Monaco, sns... nefa misy resaka mpanjaka any e???? Koa raha tsy afa miverin-dàlana intsony isika ry stone (ary isika tsy hiverin-dàlana izany) fa tsy maintsy misy foana ny fifidianana, isika anefa tsy mety mandroso h@ izao, dia inona marina moa izany no aloha e! fandrosoana sa fifidianana?:):):):):)
29. prime
(
24/05/2006 06:10)
Efa voavaly nama izany kôzy izany a! arson efa namaly.
Ny mandalo fifidianana dia safidintsika malagasy ihany, lalànan'ny tany rehetra mandala ny demôkrasia. Ka tsy maintsy atao; ny fandrosoana dia hafa mihitsy, azo atao foana koa ny mifidy olona efa tsy nampandroso rehefa izay no fantany fa mety.
Tsy izany ve no nataontsika teto nandritra ny fotoana ela izay e! Dia avy eo isika ihany no mody manontany hoe fa maninona ary isika no mahantra???
Raha amiko manokana aloha de tsisy hidiran'ny fandrosoana ny fifidianana satria ny fifidianana tsy maintsy atao na mandroso na mihemotra.Fa kosa anjaran'ilay voafidy teo @fifidianana kosa no mampandroso ilay fireneny e!
Ny mandalo fifidianana dia safidintsika malagasy ihany, lalànan'ny tany rehetra mandala ny demôkrasia. Ka tsy maintsy atao; ny fandrosoana dia hafa mihitsy, azo atao foana koa ny mifidy olona efa tsy nampandroso rehefa izay no fantany fa mety.
Tsy izany ve no nataontsika teto nandritra ny fotoana ela izay e! Dia avy eo isika ihany no mody manontany hoe fa maninona ary isika no mahantra???
30. marozevo
(
24/05/2006 14:18)
tsy voatery ho ny fifidianana akory no lalana, saingy mandram-pahita làlana hafa aloha dia io no izorana.
31. prime
(
26/05/2006 09:31)
Ka io indray amiko no anisany lalana haingana, ny ankoatr'izay mbola tsy mazava.........
:lol:
:lol:
32. fijo
(
26/05/2006 20:20)
mandrindra an,raha tsikeraiko eto ny tsy mifanaraka amin'ny lalana nataon'ireo mpitondra nifandimby tao mada tao an,maraina ny andro.
tsy ny fitanisaiko an'izay anefa no zavadehibe,fa ny fitadiavana ny vahaolana ,mba hanatsarana io fanarahana ny lalana io.
tsy ny fitanisaiko an'izay anefa no zavadehibe,fa ny fitadiavana ny vahaolana ,mba hanatsarana io fanarahana ny lalana io.
33. tangalamaitso
(
29/05/2006 08:14)
Ovako kely indray ny fanontaniana: iza t@ ireo voka-pifidianana nisy teto Madagasikara hatramin'izay no nitondra mankany @ fandrosoana? Amiko aloha tsy ilay fifidianana @ maha fifidianana azy no tokony hibahan-toerana fa hoe ilay olona nitondra ny foto-keviny ka lany taorinan'ny fifidiana ve tena nitondra mankany @ fandrosoana? Ary raha dingana tsy maintsy lalovana ve ny fifidianana, inona no mampatahotra ny sasany handalo @ izany? Raha matoky tena sy resy lahatra tsara @ hevitra entiny izay heveriny fa hitondra fampandrosoana ny Firenena ny olona iray, dia tsy hametraka olana tsy mitombona mikasika ny fifidianana izy. Raha adi-hevitra izany no hatao, dia mandeha aloha ny fampandrosoana, manaraka fotsiny avy eo ny fifidianana. Fa izao kosa aloha e!, ho an'ilay lalan-kevitra iray hoe: "raha tsy eo @ fitondràna aho, amin'ny fomba ahoana no ahafahako mitondra ny hevitra fampandrosoana aty amiko", dia azo atao ny mandahatratra hoe : ny fifidianana no mandeha alohan'ny fandrosoana. Ka iza marina no mandeha aloha e! :D:D:D:D:D:D
34. mandrindra
(
29/05/2006 15:06)
hoy i fijo :
dia hoy aho tery ambony tery hoe :
marina fa tsy ny fidradradrana ny zavatra tsy mety rehetra no mampiova zavatra na mampandeha ho azy any amin'ny tokony ho izy. fa kosa ny filazana an'izany no ataoko hoe dingana voalohany ahafahana mandroso. ny tiako ho lazaina amin'izany dia na iza na iza nitondra teo hatramin'izay ka hatramin'izao dia manao maso be tsy mahita ny olana sasany ka tsara ihany ny mampatsiahy. izany akory tsy midika hoe manao botolo toy ny fanaon'ny sasany ka milaza fa tsy misy zavatra mandeha mihitsy. io koa mantsy mbola olana iray amin'ny toetsain'ny malagasy, ny hoe izaho mpanohitra dia ho vazavazaiko rentany rendanitra fa tsy misy afa tsy ratsy ny ataon'ny eo amin'ny fitondrana, dia toy izay koa ny mpanohana ny mpitondra milaza fa mety be daholo ny tetikasa rehetra, na misy na tsy misy.
tsy ny fitanisaiko an'izay anefa no zavadehibe,fa ny fitadiavana ny vahaolana ,mba hanatsarana io fanarahana ny lalana io.
dia hoy aho tery ambony tery hoe :
fa maninona raha mba manampy mitady vahaolana ihany koa ilay miteny hoe mba manaova.
marina fa tsy ny fidradradrana ny zavatra tsy mety rehetra no mampiova zavatra na mampandeha ho azy any amin'ny tokony ho izy. fa kosa ny filazana an'izany no ataoko hoe dingana voalohany ahafahana mandroso. ny tiako ho lazaina amin'izany dia na iza na iza nitondra teo hatramin'izay ka hatramin'izao dia manao maso be tsy mahita ny olana sasany ka tsara ihany ny mampatsiahy. izany akory tsy midika hoe manao botolo toy ny fanaon'ny sasany ka milaza fa tsy misy zavatra mandeha mihitsy. io koa mantsy mbola olana iray amin'ny toetsain'ny malagasy, ny hoe izaho mpanohitra dia ho vazavazaiko rentany rendanitra fa tsy misy afa tsy ratsy ny ataon'ny eo amin'ny fitondrana, dia toy izay koa ny mpanohana ny mpitondra milaza fa mety be daholo ny tetikasa rehetra, na misy na tsy misy.
35. prime
(
31/05/2006 09:19)
Rehefa tsy mandroso isika tsy noho ny tsy fahamatorantsika mpifidy koa ve? Efa hita fa tsy izy dia io ihany ny anay... dia fidina... dia lany... dia mitondra elabe....
Ny mpitondra koa moa mamba noana avokoa, arapaho aloha dieny izao fa rahampitso tsy ho fantatrao... dia tsy mijery izay teny nifanarahana, toky nifanomezana t@ vahoaka fony izy mbola tsy teo...
Ny mpitondra koa moa mamba noana avokoa, arapaho aloha dieny izao fa rahampitso tsy ho fantatrao... dia tsy mijery izay teny nifanarahana, toky nifanomezana t@ vahoaka fony izy mbola tsy teo...
36. jajaf401
(
03/06/2006 06:10)
Ny vokatry ny safidy kosa tokony hiantraika @ fandrosoana eh!
Raha tsy halehany ny olo lany eo de mazava hoazy fa vita koa ny fandrosoana!
Sa tsy marina ve?
Raha tsy halehany ny olo lany eo de mazava hoazy fa vita koa ny fandrosoana!
Sa tsy marina ve?
37. lapino
(
03/06/2006 06:25)
prime:
Rehefa tsy mandroso isika tsy noho ny tsy fahamatorantsika mpifidy koa ve?
Tsy hoe ny tsy fahamatorantsika "en tant que mpifidy", fa "en tant que mpamokatra". :)
Fa na izany aza, izay lanin'ny vahoaka eo, na iza na iza, na olona milay na tsy mamango, dia tokony ho-assumer-n'ny vahoaka izay. Satria raha nolanian'ny vahoaka izy dia efa nametrahan'ny vahoaka fitokisana izany.
jafaf401:
Ny vokatry ny safidy kosa tokony hiantraika @ fandrosoana eh!
Raha tsy halehany ny olo lany eo de mazava hoazy fa vita koa ny fandrosoana!
Sa tsy marina ve?
Tsy voatery ho marina foana ka! Afaka mifidy izay olona favy indrindra ianao ohatra hitondra ny mainty eto, fa tsy ho tafavoaka mihitsy io. http://lalao.serasera.org/component/option,com_pcchess/Itemid,86/page,showgame/game_id,311/lang,fr/
Fa raha soloina vahoaka mamokatra kokoa ireo pions ireo (dame sy tour ohatra) dia afaka mandresy indray. :)
38. prime
(
06/06/2006 06:05)
hoy i lapino:
Marina io fa misy tsy azon'i lapino angamba ny tiako holazaina, ny fandrosoana tiana ambara eto toa tsy resaka famokarana no votoatiny sa izaho no tsy mahazo??? fa fandrosoana miohatra amin'ny fifidianana...
Ka ny ahy dia hoe tsy misy lohalaharana izy roa fa mifampiankina ka noho izany, anisan'ny lalana iray tokony andinihan'ny vahoaka tena ny fahaizana misafidy ataony raha tiany ny handroso. Eto Dago anie ry lapino asa raha fantatrao fa mbola ny "vaton-drazana" no mibaiko rehefa fifidianana e! ny andrenivohitra no vao manomboka mihamatotra fa nt any ambanivolo any mbola tantara be.
Izaho kosa aloha mitovy hevitra ihany @ jafa401 e! raha "jeu d'echec" toa io tokoa toa tsy ho tafavoaka, fa ny raharaha politika eto toa mbola misy fepetra hafa mifehy azy raha fandrosoana no resahina knohh! sady isika toa mbola tsy tonga @ sehatra tsy misy azo atao intsony ohatr'io... sa "trop optimiste" indray izany???
Fa na izany aza, izay lanin'ny vahoaka eo, na iza na iza, na olona milay na tsy mamango, dia tokony ho-assumer-n'ny vahoaka izay. Satria raha nolanian'ny vahoaka izy dia efa nametrahan'ny vahoaka fitokisana izany.
Marina io fa misy tsy azon'i lapino angamba ny tiako holazaina, ny fandrosoana tiana ambara eto toa tsy resaka famokarana no votoatiny sa izaho no tsy mahazo??? fa fandrosoana miohatra amin'ny fifidianana...
Ka ny ahy dia hoe tsy misy lohalaharana izy roa fa mifampiankina ka noho izany, anisan'ny lalana iray tokony andinihan'ny vahoaka tena ny fahaizana misafidy ataony raha tiany ny handroso. Eto Dago anie ry lapino asa raha fantatrao fa mbola ny "vaton-drazana" no mibaiko rehefa fifidianana e! ny andrenivohitra no vao manomboka mihamatotra fa nt any ambanivolo any mbola tantara be.
Izaho kosa aloha mitovy hevitra ihany @ jafa401 e! raha "jeu d'echec" toa io tokoa toa tsy ho tafavoaka, fa ny raharaha politika eto toa mbola misy fepetra hafa mifehy azy raha fandrosoana no resahina knohh! sady isika toa mbola tsy tonga @ sehatra tsy misy azo atao intsony ohatr'io... sa "trop optimiste" indray izany???
39. tangalamaitso
(
06/06/2006 09:59)
Raha ampitahaina @ lalao \\\"echec\\\" ity resaka fifidianana sy fandrosoana ity dia izao no azoko ambara. Ny tanjona (but)dia ny fandrosoana. Mba hahatrarana io tanjona io, dia mila mandresy ny fahavalo (adversaire) dia tsy inona fa ny fahantràna. Ny mpilalao (joueur)tsirairay dia samy manana ny paik\\\'ady (stratégie) entiny mifanandrina @ fahavalo sy manatratra ny tanjona. Mba ahafahany mampihatra na manohy io paik\\\'adiny io dia tsy maintsy mahafeno ny fepetra maha mpilalao azy izy, dia misoratra anarana ho isan\\\'ny mpilalao, ka rehefa feno ny fepetra takiana aminy, dia mangataka ny fankatoavana (Fifidianana)avy @ mpiara-miasa sy mpanohana azy izy (vahoaka). Ny anjarantsika mpifidy izany dia ny manadihady tsara izay mpilalao hitantsika fa manana paik\\\'ady mahomby (stratégie éfficace) ka hitondra mankany @ fahatrarana ny tanjona. Aleo ialàna koa ireo tsy te hilalao nefa te hahazo vokatra fotsiny. Na ireo matahotra ka ilay lalao mihitsy no tadiaviny fohanana. :D:D:D:D:D