POLISY GASY = ZERO VIRGULE

1. Arrow ( 15/05/2006 07:48)
izaho re olona dia tena kivy mihitsy @ reto pôlisy na prah eto Mkara reto. Sady donendrina no mpitady tsolotra fotsiny (ny karama midangana mitaha @ fonctionnaire hafa) kanefa dia miseho ho favoris bé @ tanàna.
Aiza vé ka permis misy scotch avy dé hilana vaniny hakana sôsy. Jereo indray lé golf maintsomaintso namono nandona nahafaty ilay renimpianakaviana @ gazety androany iny. Iny zao dé tsy misy tohiny ohatran'ilay nahafaty an'ilay tovolahy 19 taona tsy manantsiny teny Ampasampito t@ lé nanenjika gangs ireny ry zareo. Mpanao mise en scène fotsiny ny pôlisy. ^Ny niveau intellectuel ndry zareo reny mihitsy no tokony hamboarina fa tsy izy mihitsy. pôlisy gasy = zéro virgule
aiz vé dé mis pôlisy mpody eny Ambohitrarahaba izay dia mamo tampona foana isan'andro rehefa hody ary tsy mandoa frais mihitsy ao anaty taxi-bé; tena tsisy éthique mihitsy é, miseho ho azy ho dadany fotsiny kanefa zéro é. SA AHOANA NY HEVITRAREO ETO @ SERASERA?
novalian'i Fiffi ny 19/05/2006 04:14
2. Fiffi ( 15/05/2006 08:00)
Arrow: misy tokoa izany fa angamba tsy genéralizena kosa an! Mba manao ny asany kosa ry zareo eh! fa le tolotra kosa aloha tena tsy lasa mihintsy io an! Tena mampalahelo tokoa aloha ireny an! Fa raha tsy misy kosa indray aloha ny polisy de ahoana ?
3. victime101 ( 15/05/2006 08:28)
o r'ingahy pôlisy ô polisy malala ô ....:lol:
4. ainaheri ( 15/05/2006 08:44)
Fiffi>> Tsy hoe foanana ny kotopoly fa mba tokony asiana lalàna entitra mifehy azy ary ko tokony ol mba au niveau ny manao lay asa fa misy izy ireny
tafiditra polisy nohon'ny fahafantarany olona nefa tsy ao mihitsy na eo @ maripahaizana aza!!!
5. Fiffi ( 15/05/2006 08:56)
ainaheri: tsy mandaha ny lazainao akory aho fa mbola haveriko hiany hoe" raha tsy misy ireo polisy ireo dia inona no vokany ? fa angaha kosa de tsy misy manam-pahaizana daholo ny polisy rehetra ao ? na izany aza nga tsy misy formation ?
6. rurik ( 15/05/2006 09:19)
za aloha tena manohana io evitry ainaheri sy ilay napiditra ity evitra ity ,
raha misy zavatra atao ao @polis ianao ka mandoa vola tonga dia vita eo noho eo fa raha tsy ùmisy kosa dia miandry izay sitrapony amizay izy miseo azy ho masiaka ery , ny sasany indray raha misy afera @polisy ianao ka le olona mikontre anao manambola dia aza manatena ny hahazo ny rariny na voarirarira na ianao indray no sahirana .
tena mila fieverana fa matimbola loatra sady misy ny manararaotra ny toerana misy azy .
zavatra iray tsy hampivoatra an'i madagascar satria izay manana ny toeranny dia manararaotra ny madinika.
7. Fiffi ( 15/05/2006 10:06)
mampalahelo aloha ny fanararaotina tahak'izany an!
8. rurik ( 15/05/2006 10:31)
mampalahelo fa efa lasa ohatran'ny rivotra ihainana le izy raha vao misy zavatra atao manomana kely any amin'ny sisitsisiny any tena mampalahelo
9. Fiffi ( 15/05/2006 11:57)
ka raha tsy misy mitaraina na hitarainana koa anie de sy hiova mihintsy io eh!
10. rurik ( 15/05/2006 12:57)
ka iza no itarainana samy manao daholo, izany raha mba hitady asa zany mo raha tsy mahalala olona dia eo ianao sady amizay mbola mila manome ilay olona nampiditra hiasa an tsy ny polis ihany aloha fa tena efa izay aleha rehatra e.
11. soasoafy ( 15/05/2006 13:01)
Raha mba nahatsikaritra ianareo, fa taloha mba nisy ihany ny jiolahy fa vitsy fa hatr@n'ny nampitomboana ny isan'ny pôlisy de vao maika nihabetsaka ireo jiolahy mpandroba,ary matetika aza de tafiditra ao anatiny mihitsy ireo pôlisy.Tokony hojerena akaiky mihitsy ary tokon'ny arahin'ny fanjakana maso ny fanaovana recrutement-na pôlisy ireny, mba asiana limite ko ny niveau fa tsy izao ol tsy mahita atao rehetra izao de afaka manao pôlisy avokoa, de avy eo miteraka olana eo @ fiaraha-monina.
12. Fiffi ( 15/05/2006 13:13)
marina daholo aloha izany an! fa hitako tao @ gazety koa fa mahazo bahana be ny mpisandoka hoe polisy.
13. wesny ( 15/05/2006 13:37)
marina mihintsy rey olona fa ilaina mihitsy ny polisy fa ny polisintsika mihitsy no tsy mamely é. Aiza ve dia isaky ny manao opérations izao dia misy dérrapage foana. T@ andron'ny kidnapping ireny aza nisy polisy voarohirohy. Sady mamono olona no voarohirohy @ halatra tomobil. Indray mandeha izay aho very kara-panondro nandéha nanao déclaration de perte tao Amboditsiry dia izaho indray no ni-intimider n'ilay polisy hoé ahoana hono no nahavery karatra ahy, notreritrerominy teo ary elaela vao nataony ilay taratasy. Tsy azoko mihitsy? angamba izy nitady vola. Avy eo aho nasainy nanomé taratasy A4 efatra??? tena gaga aho rey olona hoé : adala angamba ito polisy ito. Ny tena very zavatra efa mampalahelo indray no voatrerona sy mbola niantoka taratasy.
14. Fiffi ( 15/05/2006 13:47)
wesny: normal kosa aloha raha mametraka fanontaniana izy eh! aty koa manko bdb ny fanontaniana hapetraka momba ny nahavery ny karapanondro zany an! Raha vao manao declaration de perte aloha de tsy maintsy misy ny fihadihadiana alohan'ny hanomezany ttsy hanolohana azy .
15. Zina ( 15/05/2006 14:02)
tokony manao stage mihitsy ry zareo, sy hanaraka ny lalana.. io raha tsy ny lehiben-ndry zareo no manao ny lalana dia tsy mety mihitsy ..
16. dadabe ( 15/05/2006 14:39)
mba manararaotra kely aho milaza hoe : tahaka izao no asan'ny polisy eto CHINE
1-miambina ny vavahadin'ny oniversite sy ny lycee ary ny fianarana rehetra (raha any dago izany dia mety efa nisipa @ mpianatra angamba )

2-miambina ny banky rehetra

3-manaramaso ny entana simba sy efa lany daty eny @ supermarket

4-mampianatra ny olona eny andalana ny "code de la route " (any dago tsy misy fampianarana fa izay mandika avy dia baoro)

5-manao ronde @ alina

6-miambina ny toeram-pandihizana rehetra

7-miambina ireo olona manapahefana rehetra

8-mana-pahefana miditra any anaty toerampianarana na toeram-piasana rehetra , ary tsy mba mampiasa basy rehefa manenjika mpangalatra fa corps a corps

9- ......aoka aloha izay fa aleo hojereko indray dia lazaiko anareo ny manaraka :D

fa tena marina ireo a
17. rurik ( 15/05/2006 17:55)
Tena mampahalasa saina nefa tsy hay we ahoana no anovana azy efa tena eran'ny madagascar mihintsy le izy .ny polisy tokony hiaro ny vahoaka indray no toa mampihorohoro ny vahoaka .
18. Fiffi ( 15/05/2006 18:18)
ka ny polisy rehetra kosa ve aloha no manao an'izany ? nahita tao @ gazety manko aho hoe misy olona misandoka ho polisy.
19. booboo ( 15/05/2006 20:10)
tsy izy aby aby fa saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay manarara ouz ny Ntaolo izay.
20. Fiffi ( 16/05/2006 03:30)
ka zay indrindra manko!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6043