Andao analyséna 1 par 1 ireo candidats @ 2007 ary e!

1. lemenakely ( 13/05/2006 21:07)
Andao analyséna 1 par 1 ireo candidats @ 2007 dia ho jerena iza no maillon fort sy maillon faible.
-RA8.
-MONJA ROINDEFO.
-PASTERA DANIEL RAJAKOBA.
-HERIZO RAZAFIMAHALEO.
-LAHINIRIAKO.
-HASINA ANDRIAMANJATO.
-ROLLAND RATSIRAKA.

Ireo angamba aloha fa asa mety mbola hisy hilatsaka na misy adinoko
-pasitera DANIEL RAJAKOBA : t@ fifidianana farany teo no nahalalàntsika azy .Pasitera-na antokom-pinoana iray, ny slogany moa t@ izany dia hoe :hanompo ny vahoaka fa tsy tompoina!
Nanàsa ny tongotry ny olona izy sns....
Azo lazaina fa maillon faible avy hatrany raha tsy diso aho teo @ 1% teo no nifidy azy,5% ny miakatra moa vao mamerina ny caution ny HCC toa 125.000.000fmg t@ fifidianana farany teo.

Anareo ny manaraka :-D
2. Ragadona ( 13/05/2006 21:47)
Fa maninona no Rajakoba no tonga dia tsaingohina asiana ?
3. lemenakely ( 13/05/2006 22:13)
Tsy maintsy hisy hiteny an'ilay teny fampiononana sy fomba gasy izay tsy hita izay maharatsy azy izao an ilay hoe:mbà mirotsaha aza ho jerena e!
tsy hirotsaka fa mbà handrotsaka sady andriambavilanitra ny anay:-D:-D
http://www.dancehallreggae.com/imageview.aspx?ImageID=14101
4. Fiffi ( 14/05/2006 04:19)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D
5. Fanja1 ( 14/05/2006 06:22)
c pa bien de se moquer des autres:evil::evil:
6. lamie ( 14/05/2006 08:38)
daniel rajakoba:voalaza anao
herizo razafimahaleo: miseho mahay politika fa tsy mahay mandray zay tandrifiny,nanana projet tena milay angamba taty andafy kinanjo nandamoka dia nody soa,nisy tsy azoazon'ny vahoaka ny combine-ny sy bodo t@ fifidianana maire de tana,
lahiniriako:sarotra ny mitondra firenena, za aloha tsy hifidy azy e
hasina: be complexe fa nianatra tany russie,saika ratsy fiafarana fa notahin'ny Tompo,be vola aloha izy e
rolland ratsiraka:sarotra ny mitondra firenena
7. soanja ( 14/05/2006 10:58)
lamie:

daniel rajakoba:voalaza anao
herizo razafimahaleo: miseho mahay politika fa tsy mahay mandray zay tandrifiny,nanana projet tena milay angamba taty andafy kinanjo nandamoka dia nody soa,nisy tsy azoazon'ny vahoaka ny combine-ny sy bodo t@ fifidianana maire de tana,
lahiniriako:sarotra ny mitondra firenena, za aloha tsy hifidy azy e
hasina: be complexe fa nianatra tany russie,saika ratsy fiafarana fa notahin'ny Tompo,be vola aloha izy e
rolland ratsiraka:sarotra ny mitondra firenena

Mba hazavao kely eto anie azafady ilay hoe: Sarotra ny mitondra firenena. Teny navoakan'ireo olona ireo ve ireo sa tenin'i Lamie? Tsy mora tsinona ny mitondra firenena saingy matoa ry zareo mirotsaka dia efa manana plans sns ary mety vonona ny hiatrika an'io asa sarotra io.


8. lamie ( 14/05/2006 11:55)
soanja:sarotra ny mitondra firenena satria tsy plans no anatanterahana izany na hampandroso firenena 1,niaraka ihany isika sy "maurice", aiza hoaiza ry zareo zao? ary isika dia toa miverin-dlàlana foana zao no mba vitantsika! teniko io ary tamatave aza ve mbola oh izao de aona?
9. Fiffi ( 14/05/2006 13:54)
soanja:

Mba hazavao kely eto anie azafady ilay hoe: Sarotra ny mitondra firenena. Teny navoakan'ireo olona ireo ve ireo sa tenin'i Lamie? Tsy mora tsinona ny mitondra firenena saingy matoa ry zareo mirotsaka dia efa manana plans sns ary mety vonona ny hiatrika an'io asa sarotra io.
[/quote]Na tenin'i Lamie io na tenin'iza dia marina zany ! Tsy mora ny mitondra fanjakana ! Ary hoe matoa ry zareo mirotsaka dia efa manana plan : samy manana plan daholo anie ny olona eh! inona moa ny hirotsahany raha tsy manana plan izy ireo ? saingy tsy vitan'ny plan fotsiny hiany ny fitondrana , ny hanatanterahana ireo plan ireo no tena olana ka zay no hilazana hoe "tsy mora ny mitondra firenena"


10. xxx ( 14/05/2006 14:47)
I Hasina nianatra tany URSS hoy ny namana etsy ambony. Fanontaniana ny ahy fangaha moa ratsy ny fianarana tany Russie izany e ? Ny anao ve izany ny tsara ry Lamie ? Tsy nisy tsara noho Ratsiraka izany raha ohatr'izany ny jugement-anao, satria ny azy St Michel, Math Sup dia Ecole Navale de Brset , Qui dit mieux? Kanefa aiza ny vokany?
Tsy dia mety loatra ny jugement anao ry Lamie, fa mety hotsara doly ny fianarana na dia tany Kenya, na Cameroun, na Mada aza.
11. Rainikarabo ( 14/05/2006 14:58)
-Ra8 : favori,ny vato any ambanivohitra, faritr'alaotra, tana, mahajanga,sud-est ireo no heriny. Ny azahoany an'i Fianarantsoa, miankina amin'ny MFM.Raha hanohana azy moa ny AVI vao maika hazava be ny fandreseny province Tana.
-Monja: Manantena anaran-dray,mahazo vato ao Tulear
-Rajakoba: raha mahazo vato iray efa tsara
-Herizo:de principe loatra, tsy mahay maka ny fon'ny vahoaka.
-Lahiniriko: tsaratsara toerana nohon'ny fiaviany,hahery izy any Tulear,6 mbolana nefa tsy afahany manana base matanjaka, raha tsy hoe hanohana azy ny Arema, izy nilatsaka io anefa tafiditra tsara anaty ny tetiky Ra8: hanaparitaka ny vaton'ny opposition, ny filatsahan'i Lahiniriko no hametraka mazava be ny fandresen-dRa8
-Hasina: Leo ny rainy ny olona ka ho kely ihany ny vato ho azony
- Rolland : Toamasina ihany no hazahoany vato.

Ny vato any Antsiranana izao no tsy hay hoe ho aiza, ny faritra SAVA aloha lasan-dRa8. Ny ambiny, miankina amin'ny firotsahan'i Zafy na tsia.

Izay ny hevitro. Azonao toherina 100%.
12. jajaf401 ( 14/05/2006 16:34)
zahay kosa tsy hanao valalan\'alika eh! fa zahay majunga dia hifidy Daniel Rajakoba jiaby fa ny sasany reo zahay tsy hifidy. Ho lasa samy hifidy ny azy le aza hihihi ;
Fa ny programme-ny tsy mbola azonay fa iny Pasitera iny tsy mamitaka, izy koa izy vonona zahay paré hanohana azy, :-D:-D:-D:-D
eoah :roll:
13. lamie ( 14/05/2006 17:11)
za ange tsy miteny hoe ratsy ny fianarana nataony e! be complexesssss loatra nedala sady efa tsy yian'ny olona tsony ny rainy e! nefa ny heloky ny ray hono tsy anjanany an!raha samy hifidy ny azy no tena tsy politika ,fa mankaiza zany ny programa hitantanana ny firenena??
14. jajaf401 ( 14/05/2006 19:02)
lamie : maillon faible sy fort zany manko zavatra angatahina @ ty dinika iray ty ka zay no mahatonga anay miposy Pasteur Daniel.
Fa ao ambonimbony ao misy manaratsy be de be, iny in-1 tsy idiranay lalina fa raha tena hanao analyse tsi-11 dia mba tsy fanaratsiana no hasongadina eh!
Ary zany no mahatonga anay ho saro-piaro @ Pasiteranay Daniel, efa Propagandy angeh zany eh!! :-D
Fa raha tsy lany izy de zahay in-1 demokraty angeh ; izay lany eo zahay tsy hanongana, satria majunga zahay (zany hoe tsy tia tabataba firy) =)) =)) =))
15. lamie ( 14/05/2006 21:23)
marina ny anao ry jafa a! samy manohana ny azy e! zava-misy no lazaina oa fa tsy fanaratsiana e!za aloha mbola sadaikatra @fandehan-javatra rehetra any mada e, malhelo aho @ fiafaran'ny tantara, @ fijalian'ny malagasy nefa fanantenana moa zany eran'ny .......
16. marozevo ( 14/05/2006 21:58)
Za tamin'ny nijery voalohany ilay fandaharana hoe "Maillon faible" tany Frantsa dia saiky tafintohina fa hoe tena tsy manaja olona mihitsy ity Ramatoa ity, sady tsy mitsiky mihitsy. kay nony taty aoriana dia tsapako fa tafiditra anatin'ny tactiquen'ilay fandaharana koa ny toetra asaina tafian'ilay presentatrice.

Io angamba no tian'ilay nanokatra ny sujet ho tahafina kely eto. Izany no nahatonga azy nilaza avy hatrany fa maillon faible voalohany i Daniel R. Tsara ilay eritreritra, fa saingy tsy azon'ny mpandray anjara maro eto ny hevitr'ingahy ka izay no mahatonga ny valin-teny hiparitaka sy manjary polémique.
17. Fiffi ( 15/05/2006 06:46)
jajaf401:
zahay kosa tsy hanao valalan\'alika eh! fa zahay majunga dia hifidy Daniel Rajakoba jiaby
fa ahoana koh zany manao valalan'alika zany ?


18. jajaf401 ( 15/05/2006 09:26)
=)) =)) =)) =))
8-x 8-x 8-x 8-x
Tompony tsy tia ny azy no dikan'io ry Fiffi an!
Manala azy ny eto fa tssssss !!!!!!! an!
=))
19. Fiffi ( 15/05/2006 10:35)
jajaf401: manala azy fotsiny ve ? :-D:-D:-D fa na izany kosa aza aloha tena betsaka ny zavatra voalazan'ny rehetra eto tena mampiheritreritra mihintsy an!
20. jajaf401 ( 16/05/2006 02:09)
Fiffi : Raha mahafehy tsara fa vrai dinika ty de azo raisina fa ny sasany hoatry ny nde hanaratsy be fahatany fotsiny de mivoana ilay hevitra, zay no tsy idirana alalina @ hevitra mandeha eto.
Fa à vrai dire aloha maro ny zavatra azo tsoahina @ hevitra mivoaka eto eh; ary mba tsara ihany no nisy an'ty!
De mazotoa zany e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0877