toetra maha zendana

1. fijo ( 12/05/2006 21:42)
nisy resaka tena mahazendana voatsikaritro io ambany io,efa novalian'i hery ihany le izy fa tiako tsindriana eto.
mimenomenona ny sasany fa maloto ny tanana??????
maloto ny vahoaka???????
tsy ilaina izay lalana fa sakafo aloha????

ô ry namana isany an,ny minisitry ny fahasalamana ve no tokony hamafa ny tokotanintsika,na ny manodidina antsika?????hanototra ny rano miangona eny amin'ny manodidina?????izany ve dia hiandrasana an'iza????

maloto ny vahoaka:
ny fandrona anie tsy voatery hoe mila savony "cadum" sy "fa" e,ary tsy voateryhoe manana paompy any antrano"tsy mba nanananay tany mahajanga io"vao hafaka handro.

tsy ilaina ny lalana:
mba hafaka manazava amiko ve ireo milaza an'io hoe ,inona no zavatra nihaingan'ny firoboroboan'ny famokarana taty amin'ny tany mandroso?????

ny anjara asan'ny fanjakana dia efa vitany"vita ny lalana"anjaran'ny mpamokatra amin'izay no mitady lalam barotra sy mamoaka ny vookatrany.fa tsy hoe omeo sigara letsy dia areheto koa an.
novalian'i Fiffi ny 20/05/2006 04:06
2. marozevo ( 12/05/2006 22:07)
Marina be io lazainao io, Nefa mbola misy mahalasa saina lavitra noho izany aza, fa lazaiko anao. Efa nisy President taloha nilaza an'izao : "Tsy afaka hihinana goudron ny olona". Asa tsaroanareo iny tamin'ny nahavitana ny làlana mankany vatomandry iny.

Kooo na mpitondra fahiny aza ve rangahy manana toe-tsaina toy izany, maika fa ny mpanohana "sans condition". Ary io tsy misy fepetra io no mahavoa ny maro amin'ny mpanao Politika, na ny marimarina kokoa ny "parvenus" (Tsy haiko ny teny malagasin'io ka miala tsiny) amin'ny politika.
3. dadabe ( 13/05/2006 01:44)
misy olona sasany anie tsy mnahay manavaka ny hoe , ity asan'iza ? ary itsy asan'iza? iroa asan'iza?

ny tiko holazaina dia hoe
1-misy minisitry ny fanajariana ny tany ao , dia izy aleo hisahana ny tandrify azy
2-misy minisitry afaka mifehy ny sakafo ao dia izy aleo hikaondoha
3-misy minisitry ny varotra ao dia aleo izy hiantoka ny fandehan'ny varotra eto madagasikara

fa tsy hoe misy loto eo andravoahangy dia ny filoha no omena tsiny ....tssss n'importe quoi izany e
4. Fiffi ( 13/05/2006 03:49)
Marina daholo ireo voalaza rehetra ireo !

-Mora ny mimenomenona
-Mora ny mitsikera
-Mora ny mandatsa
-Mora fanakorotana sain'olona
-Mora .....mora ny ........sns...

-Fa maninona anefa raha haretina kely ny maso dia:

-Mijery ny zavatra logika ?
-Milaza izay zavatra tokony hatao na manao mihintsy ?
-Miandry an'iza anefa ny hanatanterahan-javatra ?
-Miheritreritra alohan'ny hilazan-javatra .

Tsy vitan'ny fitsikerana sy ny fanomezan-tsiny an'i ranona na ranona anie ity fiainana ity eh !
Marina mihintsy hoe nga ny mpitondra no andeha hanadio ny fakon'ny iza ?
5. jentilisa ( 13/05/2006 04:49)
Dia mora ny miteny sy manome tsiny fa rehefa mandray andraikitra mahatsapa ny havesdatry ny asa ihany!
6. Fiffi ( 13/05/2006 05:05)
KA INONA NO TSY MARINA AMIN'IZANY REHETRA ZANY ? :)
7. sipagasy ( 13/05/2006 05:17)
koa samia aza manao ny tandrify azy avy e! mmhhh soa ihany aho mpamafa lalana ka voadioko fona ny tokontaninay hihihi,

"inay anie aho mpiasan'ny voirie..." hoy ilay hira izay
8. Ragadona ( 13/05/2006 08:28)
Marina fa raiki-po tanteraka amin-dra8 ianareo nefa aza dia faly ny mifampitaona hamely ny mpitsikera kosa fa mba alaivo ambony alaivo ambany .....lojika io ary mitombina fa tsy hoe refa mahita lalana tsaratsara any amin ny comune, na tananan olona madio dia hoe tena miasa ry reto ilay filohantsika ... dia refa maloto ndray ireo zavatra ireo dia hoe aiza ny maires ..... Ny asan ny filoham pirenena dia tsy azo atao am paritra hoe hatreto ny azy na dia samy manana ny andraikiny aza ny rehetra satria natao hanana vision générale izy ka hijery ny mety sy tsy mety amin ny lafiny sy toerana rehetra. Raha ivelan ireo ny filoha dia tsy misy antony tokony hifidianana filoha fa tonga dia ireo rafitra eo ambaniny no ajoro satria ireo no miasa zany...
9. ainaheri ( 13/05/2006 09:15)
Ianareo zay milaza fa vita ny lalana vita ny atsy ekeko zany,ary ekeko angamba ary mety ekenareo fa mety mijanona eo andrenivohitra fotsiny zay zavabita zay fa tsy tena tonga any @ toerana tsy itan'ny karatra hoy ny fitenenana nefa avy aiza moa ireny vokatra mivoaka ireny(misy ol na ankizy tsy mbola nahita zany fiara izany na @ zao tany efa mandroso izao aza )nohon'ny inona hoy ianao?? io lalana io,ka iza ary no omena ny tombotsoa;ny any ambanivohitra any ankodahoda,na ny lalantongotra aza tsy misy fa zary lakanamoteur no ampiasaina sa ny eny andrenivohitra ihany!!
Tsy mitomany inona aho fa na dia lalantany avy ve tsy ho vitan'ny fanjakana ny hamatsy vola an'zany???
Hany ka ra marary zay tsy afaka mande ianao d votery lanjaina mande tongotra 3andro zay vao tonga any @ hop nefa lalana 45km!!
10. Fiffi ( 13/05/2006 09:25)
Marina fa raiki-po tanteraka amin-dra8 ianareo nefa aza dia faly ny mifampitaona hamely ny mpitsikera kosa fa mba alaivo ambony alaivo ambany
ilay izy anie tsy hoe resaka firaiketam-po @ i Ra8 na @ iza eh!
na tananan olona madio dia hoe tena miasa ry reto ilay filohantsika ...
fa nga ny filohatsika no tokony hanadio ny tananan'ranona ? tsy ny tsirairay ve aloha no tokony hanadio ny tananany ?
dia refa maloto ndray ireo zavatra ireo dia hoe aiza ny maires .....
fa ny maires koa zany no handrasana hanadio ny tanana ?
ô ry namana isany an,ny minisitry ny fahasalamana ve no tokony hamafa ny tokotanintsika,na ny manodidina antsika?????hanototra ny rano miangona eny amin'ny manodidina?????izany ve dia hiandrasana an'iza????
i sipagasy zao mamafa ny tokotaniny hatrany fa tsy miandry ny voirie hanadio ny tokotaniny ! hihihihihihihih
11. methode ( 13/05/2006 10:05)
Ny tena marina dia samy miandry mana milatsaka avy any andanitra daholo ny gasy.Samy tsy te-hanao kanefa te-handroso.Izay manao lazaina ndray fa zara raha manao na hoe tsy tokony ho io aloha fa izao. Mety mbola hiandry zato taona angamba tsika fa handroso rehefa tsy misy tsony ny génération n'ny goaika antitra!
12. soanja ( 13/05/2006 10:22)
ainaheri:

Ianareo zay milaza fa vita ny lalana vita ny atsy ekeko zany,ary ekeko angamba ary mety ekenareo fa mety mijanona eo andrenivohitra fotsiny zay zavabita zay fa tsy tena tonga any @ toerana tsy itan'ny karatra hoy ny fitenenana nefa avy aiza moa ireny vokatra mivoaka ireny(misy ol na ankizy tsy mbola nahita zany fiara izany na @ zao tany efa mandroso izao aza )nohon'ny inona hoy ianao?? io lalana io,ka iza ary no omena ny tombotsoa;ny any ambanivohitra any ankodahoda,na ny lalantongotra aza tsy misy fa zary lakanamoteur no ampiasaina sa ny eny andrenivohitra ihany!!
Tsy mitomany inona aho fa na dia lalantany avy ve tsy ho vitan'ny fanjakana ny hamatsy vola an'zany???
Hany ka ra marary zay tsy afaka mande ianao d votery lanjaina mande tongotra 3andro zay vao tonga any @ hop nefa lalana 45km!!

Ny asa vadi-drano hono tsy vita raha tsy ifanakonana. Ekena tokoa fa mbola betsaka ny lalana any ambanivohitra mbola tsy vita, io tompoko dia miakina amin'ireo manampahefana eo an-toerana izay nofidianareo, mihetsiketsika sa tsia? ny fahitako ny any ambanivohitra mba nalehako dia faly aho fa vita soamatsara ny lalana any, ny fanatsarana ny tanana sns. Tsy ao andrenivohitra io an, tsy ao Tana fa any amin'ny provinces. Midadasika hoy aho i madagasikara ary tsy vita vetivety ny ezaka fampandrosoana. Ary miantomboka any aminao ny ahafahana mampandroso azy. Mahatsara zavatra ny tsikera. Raha misy zavatra hitanao fa tokony amboarina sy ilana fanatsiana dia manorata any amin'ny filoham-pirenena fa ho voaray ny taratasinao , manorata koa any amin'i Chef de region ary indrindra ny maire eo an-toerana ny maha zavadehibe ny fanalana io olana io. Araka ny nolazaina tamiko dia raha tena andraikitr'ireo olona ireo io asa io dia hisy hijery io olana io. Ny zava-drehetra anefa misy laharam-pamehana. Raha hitanao fa mbola tsy possible ny hahitana vahaolana haingana avy any amin'ny fanjakana dia entano ny manodidina anao hanao izay vita kely eo. Ohatra fandiovana ny manodidina misy anareo sns.

13. Ragadona ( 13/05/2006 10:46)
Hoan i Fiffi: - tsy ny filohantsika tokoa no andrasana hanadio ny tanàna ary tsy ny maires saingy biby tsy misy lohany tsy hande ka izay no dikan ny hoe mifidy. Mifidy solontena ny vahoaka hitarika azy sy hametraka paik'ady mazava hoarahina, izay no ilana mpitondra. Averiko indray fa raha miankina tanteraka amin ny tsirairay ny fandrosoany dia midika izany fa tsy ilaina ny filoha, minisitra, maires ..... ka tsy misy antony amin izay fotoana izay ny fisiany. Ka amiko ny filazana hoe tsy miankina amin ny filoha na maires na filoham pokon tany ... ny tsy fandehanan ny zavatra ao amin ny fiaraha monina dia fandavana ny raison d'etre n 'izy ireo, ka amin izay raha mahavita azy tsy misy mpanelanelana na mpandrindra ny vahoaka, inona no ilana azy ireo fa mandany vola fotsiny ndray ...
14. ainaheri ( 13/05/2006 11:03)
soanja>>Raha hitanao fa mbola tsy possible ny hahitana vahaolana haingana avy any amin'ny fanjakana dia entano ny manodidina anao hanao izay vita kely eo. Ohatra fandiovana ny manodidina misy anareo sns.
Ny fanadiovana ny manodidina alou dia anjaran'ny tsi11 ao antoerana ny manao an'zany ekeko!!fa raha ny ankoatr'zay kosa otrany we anao lalana d mila an'zay ve?? non kosa hoy aho na ilainy aza ilay izy satria misy ireo mpanararaotra laniny ny vola d ny vahoaka no asainy miasa maina eo ny ho aniny aza tsy itany,misy toerana naleako zay aza efa ela zay fa nasaina nandoa 6000 fmg ny 18ans miakatra fa anaovana lalana,efa folo taona zay tsy misy na lalovana bisikleta aza,d hoy ianao we manin ra torina?? itanao iany ny ol ambanivohitra mataotra tony fanjakana itony d mangina!!! Efa impiry manao tatitra any @ solombavambahoaka any antoerana fa tsy ita zay tohiny izy ko tsy mivaky loha fa tsy faritra andalovany ko nefa d zay ny asany;mamolavola lalàna sy manao tatitra any @ fivondronana misy azy!! KA MAHEREZA RA GASIKARA FA HO AVY NDRAY TY NY FIFIDIANA ZAY ISIAN'NY ANKANDAHATRA!!!!
15. lapino ( 13/05/2006 11:16)
Za aloha raha nampiditra an'ilay resaka hoe "Tsy fahadisoan'ny mpitondra" iny, dia mba niandry mihitsy hoe hivoitra ny andraikitry ny vahoaka eo amin'ny fampandrosoana. Fa mbola ny hanome tsiny ny mpitondra foana no haintsika (rainitetaka be).

Ekena ny andraikitry ny mpitondra. Fa ny vahoaka koa manana ny andraikiny.

tsy ilaina izay lalana fa sakafo aloha

Tsy anjaran'ny tsirairay ve kosa ve no samy hitady sakafo ho azy e?!
Fa raha ny manao lalana dia anjaran'ny mpitondra. Ka iza izany no tsy mahefa ny tokony hataony amin'izany?
16. soanja ( 13/05/2006 12:19)
ainaheri:

soanja>>Raha hitanao fa mbola tsy possible ny hahitana vahaolana haingana avy any amin'ny fanjakana dia entano ny manodidina anao hanao izay vita kely eo. Ohatra fandiovana ny manodidina misy anareo sns.
Ny fanadiovana ny manodidina alou dia anjaran'ny tsi11 ao antoerana ny manao an'zany ekeko!!fa raha ny ankoatr'zay kosa otrany we anao lalana d mila an'zay ve?? non kosa hoy aho na ilainy aza ilay izy satria misy ireo mpanararaotra laniny ny vola d ny vahoaka no asainy miasa maina eo ny ho aniny aza tsy itany,misy toerana naleako zay aza efa ela zay fa nasaina nandoa 6000 fmg ny 18ans miakatra fa anaovana lalana,efa folo taona zay tsy misy na lalovana bisikleta aza,d hoy ianao we manin ra torina?? itanao iany ny ol ambanivohitra mataotra tony fanjakana itony d mangina!!! Efa impiry manao tatitra any @ solombavambahoaka any antoerana fa tsy ita zay tohiny izy ko tsy mivaky loha fa tsy faritra andalovany ko nefa d zay ny asany;mamolavola lalàna sy manao tatitra any @ fivondronana misy azy!! KA MAHEREZA RA GASIKARA FA HO AVY NDRAY TY NY FIFIDIANA ZAY ISIAN'NY ANKANDAHATRA!!!!

Averiko indray o, rehefa misy olana dia tompon'andraikitra karazany 3 farafaharatsiny no anaoratanao: Ny prezida, ny chef de region ary ny maire na ny solombavam-bahoaka.Dia alefaso ireo ttsy ireo fa misy mandray ireo any ho any. Satria izay no antondiako tany Ambohitsirohitra nijery hoe aiza ny vahoaka no tokony hitaraina raha misy tsy mety any lavitra any. Maka noty ho an'izay hitanao fa nihinambola (tonony ao ny anarany) aza matahotra intsony fa tsy hisy haninona anao eo fa hafa tamin'ny andron-dRatsiraka. Avorio ny sonia , zany hoe ianareo mpiray tanana no mitory na mitaraina ilay olana fa tsy ianao irery. Mandra-piandry ny valiny, jereo sao misy zavatra azonao hanampina ny mpiray tanana aminao ho afaka hiaranareo manao hanatsarana ny fiainanareo ao. Entano dia samy mandray angady na tahak'izay. Tadidio fa ny fiainana dia indray ihany no miaina. Raha ratsy ny eo aminao dia ianao ihany no voa satria ianao no miaina azy. Ny depute na manampahefana mandalo fotsiny ary mety tsy hiraharaha. Efa nanao ny adidinao ianao. Milaza ny tsy mety any. Aza mifampiandry na mifanome tsiny. Ataovy ho modely tsara ho an'ny hafa ny tenanao. Raketo ny asa. Rehafa hitanao fa miasa mafy ianareo ka tsy misy vokany hitanao avy amin'ny fanjakana ho fanampiana anareo ao dia izay no fotoana ifidianana olon-kafa indray. Aza mifidy an'ilay tsy mamely intsony. Na iza io na iza.


17. jajaf401 ( 13/05/2006 12:53)
Eoah laolo marina jiaby zay voalazanareo fa trop tard eh!!!!!!!!
Efa amaray fifidianana ; niankia areo vao mikoragna, tsssssssss tsy interessant intsony;
Raha hanoratra hoany @ tompon\'andraikitra nareo de ho geste technique fotsiny no hataony fa vato aloha no tadiavina zao, fa andraso any @ 04 decembre 2006 zay vao mamoaka zany soso-kevitra zany eh!!!!!!!
tsy tianao laolo zany teniko zany fa significative jiaby koragnanareo teo, fa ny base d\' efa hita ato ny fanatisme sy ny namany, ........
Eo antsika mahita azy fa maro an\'isa hitsara aloha zay vao fandrosoana après, TSY MAINTSY MANDALO ZANY ANTSIKA NA TIANAO NA TSIA !!!!!!!!!
:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
18. lamie ( 13/05/2006 13:02)
president:oh dada:miasa sy mikaondoha ny hinanana, hisotroana, hianarana (any antsekoly io),mananatra, manitsy ny dia sao misy lavaka na voadona ny fiara, etc...
minisitra:mampita ny hafatra rehatra avy t@ dada
isika:mba mihezaka miaina oh tian'i dada,
elle n'est pas belle la vie????
19. lapino ( 13/05/2006 13:14)
jafaf401:
Eo antsika mahita azy fa maro an'isa hitsara aloha zay vao fandrosoana après,

Niverina namaky an'ilay sujet voalohany mihitsy aho. Fa misy ifandraisany amin'ny fifidianana angaha ity resaka ity? Fa raha iza no lany dia afak'adidy ny vahoaka?

Tsy te hanatavy ny troll-n'i jafaf aho, fa valiako ihany. Ny tokony ho izy ve tsy hoe: fandrosoana aloha - fandrosoana avant - fandrosoana before, karakory am'zay safidinareo maro an'isa avy eo? Sa tsy maintsy ny fandrosoana foana no après? Sa iza no mitsingolo-pisainana?
20. sareraka ( 13/05/2006 13:30)
SILENCE TAISEZ VOUS
méditation!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0794