Mbola Ra8 ihany alo

1. soanja ( 11/05/2006 14:50)
Nareo ka de nifoha,
Rehefa avy namangy an'i Mada fotoana fohy (2 semaines) nitety faritra efa ho 5 tao dia nahatsapa fa manao raha ity prezidan-tsika ity na dia be aza ny tsy mpitia azy. Ny antony dia ela izay nahitako an'i Mada izay fa izao aho vao manomboka afapo amin'ny resaka lalana. Io ihany alo no hitako dia efa faly aho satria efa afaka miakatra tsara ny vokatra avy any Ambanivohitra. Taloha io tsisy fa vavany fotsiny. Ankoatr'izay mba nandalo tao amin'ny Ambohitsorihitra ny tenako dia afaka nifanakalo hevitra tsara momba ireo olona mitranga any amin'ny faritra hafa izay tsy dia hita loatra. Nahazo fahafaham-po tsara aho tamin'ny valin-teny sy ny tokony ataoko. Inona intsony izany no tadiaviko. Aleoko izy ihany fa efa misy ny fihezahana. Omeo izay hevitrareo fa ny ahy alo toa mirona any ny safidiko.
novalian'i prime ny 26/05/2006 09:51
2. Fiffi ( 11/05/2006 14:59)
ka ho iza koa anefa no ho lany eo eh! misy manko tonga de mitsara sy ny mitsikera , izay hiany no mba zavatra fantany fa tsy mba mijery na mandalindalina ny zava-bita . Tsy mora ny mitondra firenena izay navela hijaly hatramin'izay. Tsy ao anatin'ny 4 taona monja akory ny havitana sy hanamboharana ny simba rehetra nandritrin'ny firy taona ?
3. victime101 ( 11/05/2006 15:20)
Normal satria any USA no misy anao tsy anomezako tsiny anao izany! raha misy 1.000dollar fotsiny no nentinao hankanesana any MADA dia mety.Fa 1.000 ar ento mankany USA dia ho hitantsika!!

Asa raha mbà tany @ province ianao io fa raha tsy hijery afatsy TOAMASINA sy MORONDAVA fotsiny dia mampalahelo tokoa ny mijery azy loto tsy loto ka aiza moa no tsy hisy aretina?
4. hery ( 11/05/2006 15:21)
FA Ravalo ve no tokony hanadio ny zoridiran'i Toamasina?
5. petsambava ( 11/05/2006 15:35)
Dia mbà asa raha sahy nivoaka kely ary ianao mandehana alina manomboka eo ANTOHOMADINIKA hatreny 67 ha ! mandeha tongotra an...
6. sareraka ( 11/05/2006 15:53)
-hay tokoa moa ny gasy efa tsy mandeha taxi -be intsony
-ny smig efa 1.000 euros.
-tsy misy mpangataka intsony
-tsy misy mpanendaka sy mpangaro-mpaosy intsony
-tsy misy tsolotra sy pistons
-tsy misy adilahy pôlitika intsony
-....

KA INONA NO TSY MARINA AMIN'IZANY?
7. Fiffi ( 11/05/2006 15:55)
KA TSY IZANY VE NO HIRIANA ?

KA INONA NO TSY MARINA AMIN'IZANY ?
8. petsambava ( 11/05/2006 16:07)
Ny mpitondra ary moa efa MASINA koah ....ST MARC
-tsy mba tia mandaingalainga
-mitondra baiboly refa alahady
Ny fitondràna malagasy no tena faka tahaka erak'izao tontolo izao
ntsoooooo:°)
9. xxx ( 11/05/2006 16:15)
hoy ianao ry namana SOANJA nandàlo tao AMBOTSIROHITRA aho nanontany ny olona tao.....soa ihany ny président RAVALOMANANA fa ao @ palais ELYSEE eto PARIS no mipetraka sa tsy izany ? normal raha manasohaso ny olona ao
10. Rainikarabo ( 11/05/2006 17:12)
Ny tokony ho fantatry ireo olona milaza hatrany fa tsy Antananarivo no madagasikara, dia mba tokony hamanatatra ny zava-misy sy ny fahefana ananan'ny Filoha sy ny Ben'ny tanana. Toa afangaron'ny sasany ilay izy.
victime101> anjaran'ny ben'ny tanana no mampandroso ny tanana sy miantoka ny fahadiovana ao.Matoa Antananarivo mivoa endrika dia satria mihetsiketsika ny ben'ny tanana. Ohatra iray ny nahavitana iny lalana eny Akorondrano iny izao dia fiaraha-miasa ny orinasa manamarona sy ny commune.Dia momba ny zava-bita eo amin'ny firenena indray ohatra:mba jereo kely hoe firy km ny lalana vita ,dia ataovy ny kajy fa tany amin'ny faritany no ampahany betsaka.
petsambava> tsy any Antohomadinika ihany fa maneran-tany, tsy azo antoka foana ny mandeha irery amin'ny andro alina.Aza mba petsana ihany owa fa faly ny hiteniteny fotsiny
sareraka> rehefa reraka ve ianareo tsy hangina eo ihany e ha ha ha, mbola hitohy mandat faharoa ny anay fa aza marary kibo fotsiny
11. sareraka ( 11/05/2006 17:18)
izaho indray ry lery tsy mbà reraka izany ah!raha mbola misy ny tsy rariny miteny foana aho iza no tsy efa nanagadra ahy ? fa tsy quoi izany eh
12. lamie ( 11/05/2006 17:21)
mahavariana koa ianareo!ry sareraka moa naninona sy maninona raha milatsaka ho fidiana e??@ tsisy fahantrana tsony aty mada!ary tena hitanao ny points faibles rehetra an!!fa maninona ianao no tsy miresaka @ president nefa e?jereo ry soanja afaka , tafiditra tao ambohitsirohitra zany koa!mandehana makany koa dia ampio ny mpitondra rehatra anova any mada fa tena mampalahelo tokoa anie zany tany zany e!
13. Rainikarabo ( 11/05/2006 17:27)
sareraka:

izaho indray ry lery tsy mbà reraka izany ah!raha mbola misy ny tsy rariny miteny foana aho iza no tsy efa nanagadra ahy ? fa tsy quoi izany eh


Ilay raika lahy taloha no nanagadra anareo ry lery e 8). milay ilay miteny foana raha mahita tsy rariny ka, fa raha ny fomba hitondranareo azy ry lery dia sahala amin'ny rano atondraka an-damosin'ny gisa.Lasa tsy misy "valeur" fa hoe "io indray leiry"
KA INONA TOKOA MOA NO TSY MARINA AMIN'IZANY! ha ha ha
14. sareraka ( 11/05/2006 17:35)
io in1 ry leiry tsy asiana blém ah !
manam-bava ny olona tsy maintsy miteny ah
fa angaha ny olona tavoahangy ka tapenana bosoa
sady tsy an'ny TIM irery MAGAGASIKARA na dia tiko madagasikara aza ny antokoanareo ah
KA INONA NO TSY MARINA AMIN'IZANY !!!
15. Rainikarabo ( 11/05/2006 17:42)
tsy misy manampim-bava eo ry leiry a!
za nge efa miteny fa milay ilay miteny foana e, dia mazotoa !
nareo ihany ry leiry no hanampim-bava ny tenanareo eo refa leo ny minoanoana a!satsyreraka? ha ha
mbola tsy niteny kosa aloha ny TIM hoe azy i madagasikara e, fa hoy izy hoe Tiako I Madagasikara, aza afangaro fa samihafa be ireo an,
KA INONA TOKOA MOA NO TSY MARINA AMIN'IZANY E!!
16. OLPolonaleopolitika ( 11/05/2006 17:51)
Tsy hisy hanome anareo eo na ariary aza e izay mahatsaratsara ny fiainanareo atao ! Miasà dia ampio ny mahantra raha azonareo atao izay pôlitika tsy ahavelona
17. Rainikarabo ( 11/05/2006 19:13)
izay mihitsy ka, miasa dia miasa fa tsy miandry mana milatsaka avy an-danitra.Ary aza hadino an, Miasa miaraka no fahombiazana :wink:
18. Herimiafina ( 11/05/2006 19:26)
Marina izany! Izay no optimista kokoa ny fomba fijery fa tsy ilay "tsy ampy hena iray ao ambilia fa voaroaka amin'ny asa noho ny ditra dia lazaina fa i Ra-8 no tsy mahay mitondra".
19. maditra ( 11/05/2006 20:01)
Io ambom-po sy tsy fahaizana mifanerasera entre samy Gasy io foana no mahatonga ny tanintsika mandalo crise grave. Extremiste loatra ianareo @ hevitrareo. Na ny pro-Ravalomanana izany na ireo izay contre-Ravalomanana. Samy mihizingizina ho manana ny marina doly. Raha ianareo izay mpanohana ambokony ny hevitrareo otran'io no na tsy te-hilefitra na hihaino akory @ hevitra izay mifanohitra @ hevitrareo, ahoana ny hieritreretanareo ny hisian'ny raharaham-pihavanana politika, hampandrosoana an'i Madagasikara. Sa tsy izay indray ny tanjona!?
Raha tsy izay dia ataovy otran'ny tsy misy ireo zavatra soratako ireo!
20. Rainikarabo ( 11/05/2006 20:18)
za kosa ry namana maditra tsy mahita extremiste eto amity lohahevitra ity. Toa samy maneho ny heviny no fahitako azy, ary tena mahay mifanerasera tsara. Sady tsy nisy adihevitra mafana ange teto ka hoe mihizingizina ahoana? aiza aza nareo zany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008