tonon-kiran'iBODO, sy ART'RINDRA

41. Fiffi ( 15/05/2006 18:46)
diamondra: aza hadino zah an! :):-*
42. Santiona ( 16/05/2006 13:44)
Izay vao fantatro ilay hiran'i Arson. Efa t@ nivoahan'ny dernière album: "Mety ve?" no nahazoako azy fa za koa tsy tonga saina mitsy!!!:roll:

ity ilay izy Arson a:

Ny fiainako hatrizay ka hatramin'izao
raha nitraka sy nihiratra aho
(dia noho ianao)
No nisaina koa, ny tananao nanaiky handray
ny fitiavanao no tsapako
(tsy mankalao)

Tsy niova aho n'inona nitranga teo:
tsy mba tia sehoseho.

Fiverenana:
Ny fanahy no olona
Mandalo izao rehetra izao.
Masoandro tsy foiko
ny tsiky avy aminao
(x2)

Hirahira soa ny teninao mambabo ahy
Toy ny elatra ialofako
(feno fitia)
Mampahery fo ny antsonao
tsy mampanahy
fa fitaratra manoritra ny doria.

Tsy niova aho n'inona nitranga teo
Tsy mba tia sehoseho...

Fiv:
Ny fanahy no olona [...]

:wink:

43. arson ( 18/05/2006 07:34)
santiona:misaotra betsaka fa androany 18/05/06 vao nijery tononkira indray.faly be za fa misotra e!
efa nisy nenjehiko kely t@ radio ihany!zay fa @ 26 et 28 mihaona raha aty dago e!
fiffi:remarkenao mihitsy ny sorabaventiko a!misaotra ano aloa na de izay fotsiny ary e!misy mahatsikaritra zany a!tena psy enao!
hahahahh:-D:-D:-D
44. rabilabila ( 18/05/2006 18:41)
Ho antsika an-dafy : toa hisy DADAH-BODO-BEKOTO ,hono miala any ,amin'ny volana Jiona io .Izany hoe hampiaram-peo sy talenta rizareo .Asa aloha fa hitako tena masaka io raha tena misy tokoa satria hitako (VCD che bel canto Mahaleo)mihitsy ny fifanajàna,sy ny complisité amindrizareo samy zareo .
45. rabilabila ( 18/05/2006 18:42)
complicité rizareo a!! nibolisatra ny tànana, azafady e!!
46. Fiffi ( 18/05/2006 18:57)
47. bolabola ( 14/06/2006 10:16)
HIRA TALENTA8O
48. Rainimala ( 21/06/2006 19:10)
Ty lay tonon'ny hiran'i Art'Rindra e:
Fitiavana avy ao anaty no miely ao am-po, toa tsy tana. Lay endrikao feno hazavana, no manjak ao an-tsaina tsy mba mety miala. Lay fitia omeko anao, anjakao, fa nataoko izy iny ho ahy sy ianao, feno fanahy sady lalaiko, sitraky ny fo sy ny saiko, raha tsy eo ianao marary ny aiko

Omeko anao tsisy fetra omeko anao ny amiko rehetra, tsy ho ravana, tsy hovonoina fa mba hitoetra. Omeko anao oreo fifaliana, zaraiko ho antsika ireo fahoriana, f'ianao tsy hamoy, tsy hanadino ny efa vita

Fitiavana tsy noterena, fa sitrapo tsy hay fefena, raha tsy eo ianao, toa mila tsy ho tanty ilay vetsom-po ho anao mandra-maty.
Lay fitia omeko anao.........
Io lay tonon-kira ry zareo a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1853