ZONE FRANCHE

1. HESHA ( 09/05/2006 13:09)
MBA MANAGATAKA ZAY ERITRERITRAREO MIKASIKA NY FISIANA NA TSY FISIAN NY ZONE FRANCHE ETO AMINTSIKA.
MISY TOMBONTSOA VE SA TENA TSY MISY TOKOA ? VOALAZA MANKO FA MIERITRERITRA NY FITONDRAM-PANJAKANA FA HANAO EZAKA HAMERENANA INDRAY IREO INVESTISSEURS NODY TALOU, . . . :?
novalian'i HESHA ny 24/05/2006 09:02
2. Fiffi ( 09/05/2006 13:51)
io kosa ve dia tsy hisy tombontsoa ? nefa moa fa dia ny mpitondra hiany no manana ny teny farany . Raha jerena manko hatraiza hatraiza ny firenena dia misy an'io zone franche io daholo ka nahazahoana tombontsoa indrindra fa ho an'ny chomage .Nahita article kely aho mikasika an'io .http://www.wanadoo.mg/economieMadaEco.php?articleId=254964
3. Fiffi ( 09/05/2006 13:52)
:oops: tsy nivoaka ilay izy.http://fr.allafrica.com/stories/200604110057.html
4. lemenakely ( 09/05/2006 14:20)
Amiko manokana aloha dia tsara ny fiasian'ireny orin'asa afak'aba ireny ho an'i MADAGASIKARA .Ny antony dia tsotra ny mponina dia mbola tantsaha ny akamaroany ary tena mahantra ,nefa hatrizay mbà niasan'ny tanora any @ ireny orin'asa ireny dia mbà hita fa netinety ny fari-piainany raha manao mpiasa antranon'olona izy zara raha mahazo 100.000fmg nefa raha miasa @ ireny zone franche ireny mba mahita 350.000fmg na plus ary raha manao suppl.
Ny zavatra hitako sy tsapako mantsy t@ ireny chômage téchnique t@ crise 2002 ireny vao tsy niasa ireo tanora dia feno mpivarotra teny amoron-dàlana tao koa ny asan-jiolahy(harom-paosy,halatra...) izay nahazo vahana tokoa.
Ho an'ny fanjakàna dia misy tombo-tsoa tokoa ny hetra alaina ho an'ny fanjakàna ,fa tsy ny entana aondrana akory (ny entana aondrana no tsy mandoa hetra),ao koa ny JIRAMA ,ny solika(Total,Galana..) ,ireo transporteur routiers manana camions mitondra containers,opérateurs GSM sy ny TELMA,na ny olo-tsotra mpahandro sakafo sy mpivarotra aza...mahazo tombotsoa @ ireny orin'asa afak'aba ireny avokoa...
5. kally ( 09/05/2006 16:22)
Marina izany ry Lemenakely, ny lalàna sasantsasany mifehy ny asa sy ny fitondrana mpiasa no mila arahi-maso kely fa firifiry moa ireo ankizy mitady kandra eny @ zone?
6. dadabe ( 10/05/2006 00:04)
tena tsara sady misy tombotsoa ka :°)
7. LazaRandri ( 10/05/2006 00:23)
ny fahadalan-tsika no mampisy an'ireny karazana orinasa tsy ilain-tsika eto Madagasikara ireny akory.
1- isika manaiky karama varimasaka
2- ny tompon'andraikitra tsy mivaky loha na mandoto tontolo iainana aza izy ireo
3- tsy misy tompon'andraikitra mijoro manohitra ny tsindry hazo lena manjo ny mpiasa
4- ny Malagasy manana orinasa mifaninana enjehina sy atao izay tsy ampandroso azy amin'ny fomba rehetra

kay moa rehefa dinihina toa tsy avela hanan-karena ny Malagasy sao manao pilifika? hahaha! Rehefa mba manao versement vola kely dia efa raikitra ny ankety be.
8. rhaingo ( 10/05/2006 04:46)
ilaina amiko ny fiasian'ny zone franche, mba afaka miasa ny sarababem-bahoaka, tsy voatery nahita fianarana anie ny olona rehetra, ilay hoe karama varimasaka indray ry lazarandri mino aho fa samy manana ny tandrifiny ny olona fa tsy dia voatery hoe hikarama be vao afaka mivelona, tsy aleo ve mihinan-kely toa izay mandry fotsy
9. LazaRandri ( 10/05/2006 05:09)
hehehe! ary maninona raha ny orinasa Malagasy afaka mampiasa ny sarababem-bahoaka sy manome karama tsara ny mpiasa no amporisihina fa tsy enjehina hakatona? hahaha
10. HESHA ( 10/05/2006 06:48)
MISAOTRA ANAREO NAMALY NY FANONTANIAKO.
FA REHEFA OHATRINN ALOU NY KARAMA NO ATAO HOE VARY MASAKA E ??????? NY HITAKO MANTSY DIA MAMPIHATRA NY SMIG APETRAKY NY FANJAKANA NY ZONE FRANCHE AMIN NY ANKAPOBENY, NY ORINASA HAFA AZA NO TOA MINIA TSY MIRAHARAHA IO MATETIKA.
OHATRA FOTSINY NY FEMME DE MENAGE ANY AM ZONE SY ANY AM BOITE PRIVEE TSOTRA ANIE KA TSY MITOVY E, NY AM BOITE PRIVEE TSOTRA NDRAY NO TSY MANARA-DALANA ETO SADY TSY MI-DECLARE LE MPIASA ?
11. naej ( 10/05/2006 09:12)
Amiko tena nampihena ny tsy an'ASA teto amintsika ny zone franche, fa mba ho aiza moa ireo tanora lahy sy vavy miasa @ ireny raha ny asam-panjakana no andrasana? Mahavelona olona maro izy ireny na dia ambanian'ny olona sasany aza noho izy mandray mpiasa manomboka @ niveau ambany indrindra angamba, nefa aza adino fa misy olona maro manana niveau ambony tokoa, nandany rondoha teny @ universite nefa noho ny tsy fahampian' ny asa dia mirona any @ ZONE FRANCHE, mahafantatra olona maro miasa amin'ireny aho, tena tsara kokoa ny fari-pianany noho ny mpiasam-panjakana aza,fa raha ORINASA MALAGASY TSOTRA ALOU tsy hahaloa ny karama voalohan' ny ZONE MIHITSY e!fa ny lalana mifehy azy anga no tokony harahin'ny fanjakana maso tsara,ILAITSIKA NY ZONE FRANCHE aoka ho tohanana fa mijaly ny zatovo tsy an'ASA.
12. xxx ( 10/05/2006 09:20)
KARAMA VARIMASAKA HOE ? analyser o kely ny teninao fa NY ZONE FRANCHE ange manaraka tsara ny GRILLE omen'ny FANJAKANA e! nefa misy tsy mahay mamaky teny sy manoratra aza tafiditra miasa any, ary misy kosa ireo izay mikarama AMINA MILLION , sa mitady VOLABE daholo na BOTO na SURVEILLANTS ? mba ampianaro ihany ny ankizy e!:lol:
13. xxx ( 10/05/2006 10:04)
Mahafinaritra kosa alou ny mahita ny mpiasan' ny zone franche jejojo kely ery e! mba manambola hanaovana metimety sy manimanitra satria ny SMIG zao no efa 60000ar,koa aiza ndray ry tovovavy no hahita izany A? ,any ANTANINARENINA SY TSARALALANA VE?
14. LazaRandri ( 10/05/2006 22:02)
HESHA:
FA REHEFA OHATRINN ALOU NY KARAMA NO ATAO HOE VARY MASAKA E ???????
rehefa tsy mahavidy ny sakafo tokony hanina (tsy hoe indraindray ihany) ankoatran'ny vary masaka (Lasagne, saucisson, fruits de mer, jus de fruits, fromage, ...). Dia tsy mahaloa dokotera sy vidim-panafody koa raha sanatria marary fa manao dokotera tena.
Ireo aloha no tena ilaina fa ny fitafiana sy ny sinema sy ny maro hafa mbola resaka hafa indray koa :)


15. LazaRandri ( 10/05/2006 22:13)
xxx:

mba manambola hanaovana metimety sy manimanitra satria ny SMIG zao no efa 60000ar,koa aiza ndray ry tovovavy no hahita izany A?

Andray kosa izany fanambanianao ny tovovavy Malagasy?
60000 Ar. ~ $27 (karaman'olona moyen adiny iray any Etazonia)
60000 Ar. ~ 24 Euros (SMIG adiny roa any Allemagne)

Sa kosa ny tovovavy Malagasy tsy mba olona? hahaha! Soa ihany izy fa tsy Malagasy raha izany. hahaha! =))
16. HESHA ( 16/05/2006 07:21)
LazaRandri :
Amiko olona tsy mipetraka eto ianao satria mampitaha biby tsy mitovy, fa nahoana mo no am allemagne sy etazonia no ampitahaina ny karaman ny malagasy ?
Maninona no saucisson sy lasagne no ampitahana ny sakafo hohanin ny malagasy ?
Sao dia ianao no minia manambany ny mpiray tanindrazana aminao am zany ?
Za miteny anao fa na be karama aza ka malagasy mipetraka eto, tsy mahalala zany lasagne zany akory, za alou mbola tsy nihinana an zany e, ny anay vary sy laoka ihany.
Any am zone franche, ny mpiasa ange manana dokotera sy infirmiera any ampiasana e !!!!!!! Fa ny olana matetika dia ireny no manavakavaka izay omeny fanafody tsara na fanafody ratsy, zany hoe koa alou mifandraika amin ny aretina daholo ny fanafody omena fa ny marque sy ny vidiny ihany no mahasamihafa azy
17. LazaRandri ( 16/05/2006 07:35)
izay ilay toe-tsaina tsy tia ny hivoaran'ny malagasy. Dia lazaina fa tsy azo ampitahaina satria ny Gasy tsy mendrika ny hihinan-kanina sy hitafy. Dia tsy mendrika andray karama toy ny rehetra ny Gasy hono e!
...dia aleo ny karamany ividianany ranomanitra Yves Saint Laurent mba manimanitra...oups! kay tsy mahazo 100 ml akory leaza! tsssss....
18. HESHA ( 16/05/2006 08:03)
LazaRandri
Tsy hoe refa mahatakatra YSL hoatranao vo atao hoe mivoatra.
Jereo tsara fa ny fari-piainan ny sinoa ange ka ambany de ambany ra miohatra am firenena hafa e, ra lazaiko anao fa ireo expatrie sinoa ireo dia mikarama 300$ nefa volabe zany any aminy, hino ve ianao ?
Mandra-piandry firy mile dolara sy firy mile euro zany de tsy ho azo lazaina fa mihatsara mihitsy ny fari-piainana aminao ?
19. LazaRandri ( 16/05/2006 08:09)
HESHA:

LazaRandrira lazaiko anao fa ireo expatrie sinoa ireo dia mikarama 300$ nefa volabe zany any aminy, hino ve ianao ?
TSIA! hahaha! Mandehana any Hong Kong, Taiwan, Malaysie,... fa iomehezan'ny sinoa fotsiny izany. hahaha


20. HESHA ( 22/05/2006 12:09)
Salama LazaRandri, Naej, Fiffi, sns
Somary niala an-dalana kely ny tenako fa nisy fahasahiranana e.
Efa miverina amin ny laoniny ny toe-draharaha ka izao indray ary ny tohiny :
- Ary i LazaRandri angaha mandehandeha eran izao tontolo izao ? milay izany ka fa izao fotsiny, ny revin ny mpizahatany anie matetika ka lafo raha miohatra amin ny fiainan ny sarambabem-bahoaka e. Sao dia izay no niantefan ny fampitahana nataonao indraindray
- Izao koa, efa betsaka ange ny malagasy tompona orinasa zone franche e, sao dia hoe ilay izy an ny vahiny no tsy tianao loatra. Tamin ny andron ny krizy 2002 nisy hevitra hoe hanangana ny mpiasa nefa toa tsy tanteraka izany mandrak ankehitriny
- Izaho izao ohatra raha hiangaran ny vintana ka manambola dia ireny ny ahy no zavatra tiako haorina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5202