BETSAKA ireo adala mivezivezy erak'ANTANANARIVO nefa...

1. 4mimananelatra ( 08/05/2006 11:14)
Zavatra marina no lazaiko aminareo io maso be tsy mahita angamba raha misy milàza fa tsy misy an'izany!
Be ireo adala mivezivezy erak'ANTANANARIVO ary mampidi-doza satria mandeha tsara eny @ arabe ianao no iny misy adala miampita arabé tampoka misy mitady hitoraka !!
Misy ilay vehivavy iny eo ANALAKELY ny claxonéna no tena tsy zakany nefa mbola misy manao fanahy iniana manao ihany !!

Asa dia jerena fotsiny ve ry zareo ireny fa tsy mbà misy zavatra ataon'ny tompon'andraikitra!!:?::?:
novalian'i vale ny 12/05/2006 21:51
2. Fiffi ( 08/05/2006 11:42)
Be ireo adala mivezivezy erak'ANTANANARIVO ary mampidi-doza satria mandeha tsara eny @ arabe ianao no iny misy adala miampita arabé tampoka misy mitady hitoraka !!
fa ilay miampita arabé tampoka kosa aloha dia ohatran'ny efa fahazarana mihintsy io eh! fa asa le hoe mitady hotoraka .. heu.. fa midika ve hoe ADALA ? Fa adala ahoana aloha ?
3. sonwin ( 08/05/2006 12:15)
fa ohatran'ny ahona ny atao hoe ADALA amin'i Fiffi? ..Adala marary saina ange io resahin'i 4miavecaile io e
4. Fiffi ( 08/05/2006 12:19)
sonwin: ka zah ary mba manontany koh ! :roll:
5. sonwin ( 08/05/2006 12:32)
Adala = marary saina = misy fahavoazana = mivika = miparitaka ny lohany etc....
6. Fiffi ( 08/05/2006 12:43)
sonwin: ka mba fantatro kosa aloha ny dikan'io an! fa misy fitenenana koa hoe "adala" fa @ fomba fitenenana fotsiny kah! hoe "enao ve adala no manao an'izao zavatra izao eh ? "
7. soasoafy ( 08/05/2006 13:01)
fa ny tena loza de lay adala lehilahy misavoritaka somary lava volo iny mandehande eny Analakely,Antaninarenina, efa ela2 ihany no nitranga ngamba tany @ 1999 tany,indray maraina nifanena t@ vhv ndeha hiasa izy tonga de notolominy nofihininy tsy afa-nikofoka le vhv de ohatry ny manao rapport ireny ny paoziny fa tsy navelany raha tsy lasa ny azy, tena nampalahelo be ny nijery lay vhv t@zay teo Antaninarenina teo, sady maimbo maloto b @'io le adala.
8. xxx ( 08/05/2006 13:21)
nisy ilay karàna adala iny koa asa raha mbola any na tsy any intsony!!
9. vahatra22 ( 08/05/2006 13:53)
izy ireny tokony asiana fiheverana mintsy ny aminy fa manahirana! tokony atao izay isakanana azy tsy handende eny an-dalambe eny!
10. vale ( 08/05/2006 18:20)
ary tsy azo atao angaha raha ny olona no miantso tompon'andraikitra (asa karazany "pompiers" aty ivelany ireny) ohatra mba hisamborana azy. Ohatry ny zava-misy aty manko izao raha misy ol mahita adala mirenireny dia tonga dia miantso ny pompiers izy mba haka io ol io ho any @ fitaizana ny adala!! ka asa wa raha mitombona ao mada io fepetra iray azo raisina io na tsia?? fa tena mampidi-doza mihintsy ireny ol adala mirenireny ireny! Ary misy tena masiaka , manenjika , misy adala izay koa aza mitondra famaky mandehandeha dia isaky ny mahita ankizivavy izy dia henjehany @ iny! ny tena moa mbola kely tamzany ka dia mitsoaka fotsiny no azo natao!!
11. vale ( 08/05/2006 18:25)
... ary tsy jamba mihintsy ny tompon'andraikitra fa hitany ireny ka izay koa ny tena mahagaga, ka rehefa minia tsy mahita izy dia ampatsiahivana azy kely ny andraikiny fa ny filaminam-bahoaka no simbany @zany!!
12. fasaly ( 08/05/2006 18:37)
efa mafy reto lay fiainana de lasa adala dooly ny tsy mahazàka anlay izy a! mampalahelo fa atao ahoana e! marina fa tokony ho samborina izy ireny de karakaraina fa lay oul any madà kou nge amzao tena sam somokotra be am fiainany daholo de......zà kou tamzà tany 2005 teo , vao adala vao haingana angamba ra kalakely, nesorina ny akandrony ray manontolo de miridana matandraka beuh izy vao maraina beuh iny, hoy aho hoe vao adala vao haingana ve satria ny vatany mbola masamasaka beuh, satria complet marron sisa no teny aminy e!:wink: fa tsara bika beuh mahintsy izy amzany trisy ankanjo zany an! :? mapalahelo!!!!!:cry:
13. xxx ( 08/05/2006 19:13)
mbola ao AMBOHIJATOVO ao ve na eo ANOSY ilay manao hoe OMEO VOLA AHO MAMA AH iny
14. ikalakintina ( 08/05/2006 20:40)
ie tadiddiko tokoa fa nisy namako zay efa nodarohana adala tao am lamosiny tam taona 2000 teo analakely teo, ny bleme any dago mantsy de izao, vidina dolo ny zavatra retra, aloha vola doly, ka ohatra oe ampidirina any am 18 le adala de mando avola ny fianakams, ect vidina fanafody ect, ka angamba zay, nefa tokony jerena akaiky indrindra izy ireny !omeo vola mama, tsy aiko ra mbola ao
15. ari.malala ( 11/05/2006 11:21)
le manao omeo vola ah mama iny mbola mandende any ka! fa tena mampatahotra marina tokoa ny mahita an'ireny adala be dia be mandehandeha eny @ arabe reny an, misy tonga de mivandravandra mila hamelaka izany....
16. Rainikarabo ( 11/05/2006 17:38)
marina ny voalazan'i 4mimananelatra eto, tokony handray andraikitra amin'ireny ny tompon'andraikitra, asa na ny BMH na ry zareo eny Anjanamasina no tokony hijery an'ireny, tsy haiko, fa za aloha dia vavolombelona nahita fa ny dadan'ny namako akaiky dia namoy ny ainy:
Misy ilay adala, lava be mitafy gony iny, mikorotam-bolo manao endrika karana, misy volombava, nifanena tamin'ny leiry ilay dadan'ny namako dia nodominy mafy be teo amin'ny tratrany, nitolefika ilay rangahy, tody soa aman-tsara tany an-trano anefa,nanatona mpitsabo satria tena narary, andro vitsy tato aoriana, maty ilay rangahy.Tamin'ny taona 94 izany nefa ilay adala hatramin'izao mbola any ihany.
17. vale ( 12/05/2006 21:51)
mety izay voalazan'ikalakintina izay izany no mahatonga ny havany tsy handefa azy any @ 18, ..mampalahelo mihintsy raha toy izany! :(

ary rehefa sendra le adala masiaka reny ianao an, tena brrrrr! zah efa nofelahan'adala ny tehamaina koa tao analakely tao, vhv adala izay le izy, dia tena nivaky vava mihintsy aho hoe fa nahoana ko ary tony no havela hirenireny ohatr'itony?:oops::oops:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1552