KMSB: mampihomehy ny akoho!!!!

1. 4mimananelatra ( 05/05/2006 18:28)
KMSB na: Komity Miaro ny Safidim-Bahoaka .Hanomboka hietsiketsika hono ry zareo fa efa ho avy ity ny fifidianana ,koa raha komity miaro ny safidim-bahoaka tokoa ve izy ireo tsy izay hampihéna ny vidim-piainana ankehitriny aloha no tena safidim-bahoaka fa tsy izay fifidianana !
Lazaiko marina aminareo fa maro ny zavatra efa tsy ampoizina vitan'ny olona noho ny hamafin'ny fiainana :vono olona,soloky,halatra,miteny irery ,lasa adàla ,manary zanaka eny @ fako fa tsy velona intsony!...
20 euros monja ny SMIG eto MADAGASIKARA izany hoe tsy karàma-na frantsay adin'ny 1 akory.
Tsy izany ve aloha no prioritaire tokony ho jeréna?
Pôlitikan'omby mifanipaka eny an-tsena ny anareo ry KMSB ,valàla eny an-danitra ve dia asiana sira sahady e?
novalian'i vale ny 08/05/2006 18:36
2. Fiffi ( 05/05/2006 19:07)
ny dinika rehetra mandeha @ zao fotoana izao dia tahak'izao daholo ! ny fijalian'ny olona , ny fahantrana sns...... ka inona anefa ho azo hatao ? fa maninona ary no tsy misy mihetsika ?
3. fijo ( 05/05/2006 19:09)
alao izy handihy e.efa hetsika izay
4. Optik ( 06/05/2006 19:04)
O ry 4mimananelatra a!
Voalohany indrindra an, ny fiainana tsy sento sy taraina fa tolona!
De ny fiainana koa tsy misy mora n'aiza n'aiza!
Aza ankinina @ mpilalao politika ny fiainana.
Aza ny fomba fiainan'ny frantsay koa no atao filamatra, na koa hoe ny karamany no atao ho tanjona fa tsy izany no fototry ny hasambarana.
Ny sakafo ihany no tsy ampy amintsika Malagasy,noho izany dia mila mamokatra isika. Ny ankoatr'izay ananantsika .
5. fijo ( 06/05/2006 20:43)
optik
tena marinaizany,satria ny aty koa anie ka mimenomenona be amin'ity fiainana ity e.
6. xxx ( 07/05/2006 00:05)
Fiffy , hihetsika hoy ianao, ny marimarina kokoa angamba dia ny hoe maninona no tsisy manaraka ireo mpihetsika? Ny valiny dia satria tsy credibles.
7. vale ( 08/05/2006 18:36)
Misy andraikitry ny vahoaka tsi 1-1 koa ao ry 4mimananl à, fa raha i mcar ho tafiarina izany alou toa mbola ho ela tokoa raha ny mpitondra fotsiny no miezaka!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0497