Pierrot Rajaonarivelo: Sao dia adino

21. maditra ( 05/05/2006 18:29)
Stone> Ny zavatra tsy tokony ho adinoina koa, raha hiresaka politika sy hi-accuser olona isika dia ilay hoe: porofo! Ny honohono efa tsy maharesy lahatra olona intsony.
Lasa tsy credible ny zavatra ny tenenintsika, ary isika mihitsy, raha toa ka tsy misy io porofo io nefa mi-accuser olona!
22. hery ( 05/05/2006 18:48)
maditra> raha ny fitsarana kosa aloha no manameloka dia efa porofo izay e :-)
23. fijo ( 05/05/2006 19:04)
misy XXX mamaly an'i hery ery ambony milaza fa :"ny fitsarana malagasy dia fitsarana miangatra sy voabaikon'ny mpitondra"....
ny any sueda sy danemarka no tsy haiko,fa mba milaza fitsarana tena" malalaka"
ny TDM;efa voazavako taryambadika tary,fa ny atao hoe olona meloka dia izay olona nandalo fitsarana ka nisy didy nanameloka azy.misy io didy io,hoan'i pierrot,ka amiko dia meloka izy izany.saingy aza hadino,ary mino aho fa fantany izany,fa ny "jugement par contumas"rehefa tena eo ilay olona voaheloka,dia hafaka mangataka famerenana io fitsarana io,satria tsy teo izy.koa maninoan moa raha miverina dia mangataka io famerenana fitsarana io e????
usurpation de pouvoir ou de fonction" izay no nanamelohana azy;dia misy manontany io hoe iza no tena nanao usurpation?
tsy hanazava ny usurpation aho,fa mino aho fa haintsika io,fa ny tiako azavaina dia ,nandritra ireny korontana tany mada ireny,dia nifandrombahana ny fahefana.izany hoe tsy nisy hafaka ary tsy nisy tokony hoafaka namoaka vola tamin'ny anaran'ny fanjakana tao.izay nanao izany dia olona nisandoka fahefana daholo.ka mino aho fa toa nanao izany izy sy ry didier
ary ity ny fanontaniako;raha ratsiraka ve no nandresy teo,tsy nitranga koa ny zavatra toa izao,na ny ratsiratsy kokoa aza ngamba.???
24. maditra ( 05/05/2006 22:34)
fijo> Ny antsika dia tsy tokony hanao fampitahana hoe: "raha Ratsiraka no teo dia tsy ho...?"
Ny tiako tenenina dia izao. Efa hitanstika fa tsy nety ilay teo aloha iny, dia efa tsy lanin'ny vahoaka. Fitadiavana olona tsaratsara kokoa no nifidianana ny olom-baovao: Andriamatoa filoha Ravalomanana.
Dia raha tsy mety ve ny ataon-dRavalomanana dia hamarinina fotsiny izy satria hoe efa nisy ratsiratsiny teo aloha!?
Tsy miombon-kevitra amin'izany aho!
25. fijo ( 06/05/2006 03:07)
ny tiako lazaina eto dia ny vokatr'iny ady tamin'ny 2002 iny.na iza na iza nandresy teo,dia tsimaintsy nanao toa izao zavatra nataon'ny fitondrana izao.izany hoe famonoana ara politika ilay resy.fitsarana sy fanamelohana.
amin'ny ady fahefana dia izay foana no fandehany.isika gasy aza tsy mbola toa ny hafa izay mamono avy hatrany.
26. Stone ( 07/05/2006 00:03)
Maditra, Tsy honohono io affaire io matoa nomelohan'ny fitsarana malagasy i Pierrot. I Sophie dia efa meloka koa. Ka tsy azoko ny tianao tenenina.
27. maditra ( 07/05/2006 05:31)
Stone> Fanodikondinam-bola no henoko niampangana an'i Rajaonarivelo fa tsy t@ douane sady tsy niaraka t@ sophie. Olona hafa no voampanga niaraka taminy fa tsy i Sophie Ratsiraka!
Fa na izany, mbola haveriko recherchE-na indray@
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4954