Pierrot Rajaonarivelo: Sao dia adino

1. hery ( 05/05/2006 12:46)
Tsy haiko na ny Gasy sasany no be fanadino no mody gisa na dia tena manao ny sasany ho donto tanteraka mihitsy... fa i Pierrot Rajaonarivelo anie, raha tadidinareo, dia olona voaheloky ny lalàna Malagasy e. Nisy didim-pitsarana nivoaka mihitsy. Gaga aho mantsy amin'ity fiantsoantson'ny TDM azy ho prezidà.

Ny fandraisako azy dia:
- Na ny TDM (atosik'i Pierrot ambadika?) tsy mankato ny lalàna Malagasy (Gasy ihany ve izany?)
- Na ny TDM mieritreritra hoe hangina fotsiny io rehefa akaiky ny fifidianana... (Raha io no mitranga dia tena paiso ny fitondrana... ary aleo avoaka ihany daholo izay mpanao ratsy rehetra voaheloka fa tsy hoe rehefa i ranona dia wawawa fa rehefa i ranona dia gadra)

Raha hendry ny TDM dia miantso hoe O ry zalahy mialokaloka any ivelany TDM (Tonga Dia Modia) ianareo hotsaraina eee...
novalian'i maditra ny 07/05/2006 05:31
2. Fiffi ( 05/05/2006 13:19)
nanaraka an'io vao2 io zah fa meloka izy ka nga moa rehefa meloka dia mbola hafaka hanao na inona na inona ? http://www.lexpressmada.com/article.php?id=32086&r=4&d=2005-05-14
3. dadabe ( 05/05/2006 13:54)
ka izay anie le hoe samy manana ny reviny e :D
4. Herimiafina ( 05/05/2006 14:05)
Ary le iray iry hono mba rahoviana vao samborina e? le mpamono olona iry e! :roll:
5. jajaf401 ( 05/05/2006 14:07)
Ka le fanameloha tsy mandra-pahafaty fa mandra-mahavin'ny propagandy fotsiny!!!!!!!!!!
6. Fiffi ( 05/05/2006 14:22)
le mpamono iray iny zao no tena tokony hatao hentitra ny fisamborana azy.
7. xxx ( 05/05/2006 14:36)
hery> Gaga koa zah fa misy mikimpy maso amin'ny realite. Tsy te hanaratsy ny fitsarana Gasy aho fa ny zava-misy dia tsy azo kosehina. Purement politique ny fanamelohana an'i Pierrot Rajaonarivelo. Ny fitsarana malagasy dia fitsarana miangatra, tsy mahaleo tena, voabaikon'ny mpanao politika. Ahoana ny ahafahanao mankato izany, surtout eo amin'ny sehatra politika. Tsy adala akory ireo firenena matanjaka tsy mampody ireo mialokaloka any aminy noho ny raison politique.
8. Ragadona ( 05/05/2006 14:41)
Voaheloka izy saingy toa manamarina ny maha fanamelohana politika fotsiny azy ny tsy fahafahan ny fanjakana malagasy manao n inon inona azy. Raha tena zavatra hentitra sy mitobina mantsy dia tsy ho olana mihitsy ny hiara miasa amin ny iraisam pirenena amin ny fampodiana azy hanefa sazy.
9. hery ( 05/05/2006 14:46)
xxx> Ny hoe mikimpy maso amin'ny realité aloha dia misy tokoa. Olona efa hita fa nanao ratsy izao dia tsy sahy ny miantso azy hody hotsaraina sns...

Fa ny hoe raison politiques... Toa ohatran'ny afangaronareo izy izany... Tsy raison politiques no nitsarana an'i Pierrot Rajaonarivelo kah. Ny raison politique dia hoe Gadraina satria Arema sns... fa raha manodikodina volam-panjakana ny sasany, ny sasany namono olona sy nanimba fananam-panjakana... na iza na iza manao an'izany dia efa teny Tsiafahy.

ENY... miangatra tokoa ny fanjakana satria ry Voninahitsy Jean Eugene nogadraina fa ry Ratsiraka sy Pierrot Rajaonarivelo tsy sahy hanaovana demande d'extradition. Ny fanjakana malagasy mbola tsy nangataka ny hampodiana ireo VOAHELOKA ireo aloha hatramin'izao.
10. Herimiafina ( 05/05/2006 15:07)
Misy anie ny atao hoe "gadra politika" de misy ny antsoina hoe "gadra tsotra" e!
Rehefa heritreretina hanankorontana na hitarika korontana na ampisavoritaka dia tokony sakanana tsy hanao izany satria "Intérêt général" no jerena.

Tadidio fa ny fahavalon'ny fandrosoana voalohany dia ny fisavoritahana sy ny tsy fisian'ny fandriampahalemana.
11. xxx ( 05/05/2006 15:08)

hery:
Fa ny hoe raison politiques... Toa ohatran'ny afangaronareo izy izany... Tsy raison politiques no nitsarana an'i Pierrot Rajaonarivelo kah. Ny raison politique dia hoe Gadraina satria Arema sns... fa raha manodikodina volam-panjakana ny sasany, ny sasany namono olona sy nanimba fananam-panjakana... na iza na iza manao an'izany dia efa teny Tsiafahy.


Raison politique io satria raha nanaraka ianao dia roalahy ry zalah (pierrot dia izay namany iray mpitantana vola) no voaheloka tamin'ny heloka iray. Rehefa tonga ny fitsarana dia afaka madiodio ilay mpitantana vola, nefa i Pierrot tsy afaka.
Ilay hoe raison politique koa dia tsy azo abaribary ny fanaovana azy satria isika membre ao amin'ny communite international (ONU), ka tsy afaka manasazy olona noho ny firai-kevitra politikany.

Noho izany, tsy maintsy itadiavana porofo hafa na amoronana aza tsy maninona mba ahafahana mampisazy ny olona. Fa tsy adala ny olona ka tsy ahay hanavaka ny kary amin'ny saka!
12. Herimiafina ( 05/05/2006 15:25)
Aleo aloha gadraina na tsy misy antony aza satria betsaka ny manao menace sy mampanantena hitarika olana.
"mieux vaut condamner un innocent que de liberer un coupable".
13. Ragadona ( 05/05/2006 15:30)
Mbola hamafisiko koa hoe iezaho jerena amin ny maso tsy miangatra ny fandehany fa tena purement politique le izy ary izay no tsy ikitihana azy intsony na angatahana ny hodian i Pierrot satria hampirongatra ny hoe usurpation de fonction, izay manahirana refa idirana lalina. Aza hadino fa io no tena nanamelohana an i Pierrot : efa tsy manam pahefana hamoaka vola intsony satria efa tsy minisitra intsony ...ka usurpation de fonction nefa mampametra panontaniana amin izao hoe iza marina no nanao usurpation de fonction eo le olana sarotsaromana nefa hirongatra atsy ho atsy
14. naritsimba ( 05/05/2006 15:57)
Miarahaba antsika rehetra namana.

ny tsy maharaka vaovao dia sahy milaza fa tsy voaheloka i Pierrot RAJAONARIVELO.
5 taona an-tranomaizina no saziny ary tsy maintsy efainy rehefa tonga eto an-tanindrazana izy.

ny zavatra tsy fantatry ny sasany anefa dia izao: NANGALATRA VOLA NY CONSULAT MALAGASY ANY MARSEILLE SY IREO OLONA NIARAKA TAMINY TAO @ PAOSITRA MALAGASY. NASAIN'I RAVALOMANANA Marc NAVERINA NY VOLA DIA TSY MIGADRA IZAY MAHA TAFAVERINA.
@ IZAO FOTOANA DIA TSY NAHAVERINA NY OLONA 6 T@ 7 IZAY MPIKAMBANA TAO ANATIN'NY CONSEILLE D'ADMINISTRATION NY PAOSITRA MALAGASY KA ANY ANTANIMORA NO NIHAFARANY.
Ny fanontaniana tiana hapetraka ho anantsika Malagasy izay nandia fianarana dia izao:
1- Moa ve ny mpangalatra tsy mendrika ny hahazo ny sazy sahaza ho azy?
2- Ny mpangalatra izay midika fa tahaka an'i jodasy na tsy nihinana ilay vola 30 nivarotan'i jesoa aza dia tsy nahazo ny sazy sahaza hoazy ( satria izy namono tena, ary ny olona mamono tena duia tsy mendrika ny fanjakan'Andriamanitra ary tsy mahazo famelan-keloka ).
3- Moa ve rehefa arovan'ny FRANTSAY dia tsy maintsy olo-marina?
4- Ny zavatra miseho ankehitriny dia tena mampibaribary fa tsy misy ilana azy ny vahoaka Malagasy fa natao toy ny: "FATY ENTINA @ ALINA KA IZAY TIANA HANARIANA AZY NO FASANA HILEVENANY"
5- fanontaniana apetraka @ izay olona sahy miteny fa mpitondra fivavahana rehetra ity fa tsy mbola nisy sahy namaly hatramin'izao: IZA AMINAREO IREO NO SAHY MITENY FA TSY MANAO IZAY HAHAFAHANAREO MIVELONA NA TSARA IO NA RATSY, ARY IZA @ IZAY MILAZA AZY FA MPITONDRA FIVAVAHANA NO SAHY MITENY FA TENA MPIANDRY ONDRY MARINA FA TSY MPITSETSITRA NY RONONO HO AN'NY ZANAK'ONDRY" .

Mahavariana ihany mantsy ny mahita fa misy izay:

Milaza ho mpivavaka ny Alahady
Fa ny Alatsinainy mangala-bady
Mazava ny andro Kristiana
Fa vao maizimaizina mody fanina
Madio ivelany raha jerena
Nefa ao anatiny mahonena


Efa raiki-tapisaka ao anatintsika Malagasy ny hoe: FITIAVAN-TENA sy ny TIA KELY ka dia araraotina ny fahazoana toerana, mba entina hanandevozana ny hafa, fa rehefa voakitika ilay tombotsoa kely dia manangam-bovona tahaka ny alika romotra.

firy moa izay sahy nilaza ny fahamarianana sy ny fahamasinana izay fa moa ve nahatanteraka?

Anjarantsika no mandinika sy mieritreritra.

Ampahatsiahiviko eto ny zavatra nolazaiko t@ taona 2002-2203 fony izaho nanaohana an'i RAVALOMANANA.

Fe ankehitriny moa ve tena MASINA SY MARINA ARY TENA TSARA TANTANA NY FITONDRANA MISY?

Antsika no mieritreritra!

Am-bava homana am-po mieritra.

izaho manokana tsy manaiky ho zanahin'ny vahiny na ara-toe-tsaina na ara-pomba na harena fa asehoko azy ireo fa manana ny maha izy azy ny MAKLAGASY.

NARITSIMBA SADY TSY MAHAY NO TSY MENATRA.


15. xxx ( 05/05/2006 16:14)
Misy hita fa miditra lalina loatra, Andriamanitra sy ny finoana avy onjonina amin'ny resaka politika. Raha grand debat politique ity zavatra ity dia naneho ny hevitro soa amantsara aho.
Tsy hoe ataonao en bold na majuscule akory ny zavatra teneninao dia midika fa marina!
Raha mpanao politika izao ity naritsimba ity dia ireny olona miakatrafo be amin'ny radio ireny! hahah
16. Ragadona ( 05/05/2006 16:25)
Ny hitako fa manahirana antsika refa miady hevitra resaka politika dia ny tsy fahasahiana miditra lalina amin ny ady hevitra raha toa ka manohintohina ny tohanana le izy fa aleo manao di-dreniondry any fotsiny hoe raha zavatra mamalifaly ahy satria manemboka an ilay tohanako dia marina fa izay tsy ao anatin io kosa dia diso daholo. Manao an io daholo na ny mpomba mpanohitra na ny mpomba ny eo amin ny fitondrana. Izay no mampihisatra satria mitady hibahan toerana ny fanatisme ka manilika ny fahafahana manao "autocritique". Olana goavana amin ny fahafahana mifampiresaka an kitsi po io
17. hery ( 05/05/2006 17:15)
Ohatran'ny avilin'i naritsimba ny resaka.

HO ahy tsy olana amiko izay firehan-kevitr'i Ravalo. Resaka moraly izany fa resaka politika... ary TENA ADALA i naritsimba raha toa ka ny "Minoa fotsiny ihany" sy ny "maha vice-president-n'ny FJKM" an'i Ravalo no nanohananao azy. Tsy aleo nanohana olona hafa?

Fa ny an'ny sasany (toa ahy) izay nisaina kosa dia tsy ny fampanantenana (IZAY FANTATRA HATRANY FA POAKATY SATRIA MPANAO POLITIKA IZY) no tena antony nanohanana azy fa ny petra-kevitra izay efa nitantanany na teo anivon'ny orinasa izany na teo anivon'ny commune Antananarivo. Donc na pasitera mihitsy aza i Ravalo dia tsy blem amiko na lasa mpangalatra indray izy amin'izao... Ary toa ny mpanao politika rehetra dia azo soloina sy esorina koa i Ravalo fa tsy hoe mpaminany na mesia akory. Fa tsy any ny resaka.

Ny resaka dia hoe IZAY REHETRA nanao maloto teo amin'ny firenena dia tokony hijinja daholo... fa tsisy halako bika sy tsy tiako tarehy, na hoe ra-matahora.

Raha tena madio i Pierrot Rajaonarivelo, maninona no tsy mody miatrika ny Fitsarana? Ary raha lazaina fa tsy misy lanjany intsony io Fitsarana io... dia tsy hitako izay atahorany azy.

Very eo nareo zalahy TDM fa tsy mamaly ny antso Tonga Dia Modia ny tiana hatao prezidà.
18. maditra ( 05/05/2006 18:13)
Herimiafina:

Aleo aloha gadraina na tsy misy antony aza satria betsaka ny manao menace sy mampanantena hitarika olana.
"mieux vaut condamner un innocent que de liberer un coupable".



Ny monde-nao izany fa tsy ny ahy. Didy jadona ny anao fa tsy demokrasia!
19. Herimiafina ( 05/05/2006 18:16)
Ka tsy mitovy le monde kah, samy hafa mihintsy.
20. Stone ( 05/05/2006 18:16)
Aza adino fa nanao afera be tao @ douane anie i PIERROT sy SOPHIE hanangonam-bola e. Ka ahoana no hitenenana fa politika izany. Corruption grave be mihitsy izany ry ledàdà an!
Tsy misy tsy malala an'izany ny mpiasa ao @ny finances iray manontolo!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5053