KALANDRIE COUPE DU MONDE

21. totofy ( 11/05/2006 11:56)
fa mahazo maka équipe firy alou ny favori é ,
tsy tsara ve hoe refa 2 è tour no manao ny pronostique daholo ny rehetra... mahazo miorakoraka ve eto @ sera² , mitabataba koa ???????
22. diamondra27 ( 14/05/2006 15:40)
ze atao fa ny anay 1er tour d'efa fantatra fa angletera no mandresy eo
23. dadabe ( 15/05/2006 09:50)
iza no pronostikan'ialhy ry totofy a :-w
24. totofy ( 15/05/2006 10:51)
nena zé maharesy :-D:-D:-D:-D
za 2è tour milaza , mbola tiko ho hita alou ny phase de jeu an' ny ts11 na refa tena manomboka za milaza :lol::lol::lol:
25. mandrindra ( 15/05/2006 12:58)
raha ny fahaizana aloha no jerena dia marina fa manana ny mpilalao kalaza ny breziliana. saingy eo amin'ny lafiny taktika dia misy lavaka be azo araraotina. i barazily dia milalao ny 4-2-2-2, ny mpanafika moa izany dia i ronaldo sy adriano, izay mbola zara fa niara-nilalao, match 3 no niarahan'izy roalahy ireo tao amin'ny seleçao. ny milieu offensif 2 dia i ronaldinho sy i kaka, izay mpilalao afovoany (dans l'axe) daholo, toy izany koa ny milieu récupérateur sy relayeur, juninho sy edmilson dia mbola mpilalao afovoany ihany koa. ny sisiny izany dia hiasa irery any amin'ny toerany i cafu sy roberto carlos. na matanjaka sy mavitrika aza anefa izy roalahy ireo dia efa manomboka mahazo taona. any no lavaka azo andresena an'i brezila.
ambonin'izay di a maro amin'ireo mpilalao breziliana no vizaka satria tonga tamin'ny dingana avo tamin'ny champion's league.
ny ao amin'ny groupe misy azy moa tsy dia misy hoe tena henjana fa saingy efa nahavita zavatra tsara daholo. efa indroa no nihaoana tamin'i japon i barazily ary nisaraka ady sahala. i croatie dia vao nandresy an'i argentine tamin'ny isa 3-2. i australia aloha tsy dia haiko loatra fa manana mpanazatra mahay ry zalahy dia ilay neerlandais guus hiddink.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2528