Novaina ny tsikeran'ny sary

1. hery ( 03/05/2006 09:07)
Novaina ny momba ny fampidirana sy fijerana tsikera ao amin'ny sary.
Noraisin'ny serasera.org antanana tanteraka ny fitantanana ny tsikera rehetra.
http://hery.blaogy.com/post/4/844 ny fanampiny
2. dadabe ( 03/05/2006 09:45)
milay ee, tohizo sefo oo=D=D
3. sakaizakely ( 03/05/2006 10:00)
Dia lasa aiza daholo ireo tsikera taloha ry Hery ?
4. vale ( 03/05/2006 10:02)
tsara mihintsy izay, satria mahamenatra be ny mijery ilay fifamaliana ataon'ny tompon-tsary sy ireo mpanatsikera!8)
5. mamzelkely ( 03/05/2006 10:05)
micii hery tena tsara mits io amizay tsisy migafy manimba ambiansy trony =D:-*
6. hery ( 03/05/2006 10:08)
sakaizakely> ireo tsikera taloha dia any amin'ilay toerana hafa iny ihany.

Raha misy tena maniry ny hametrahana ny tsikera taloha dia azoko alaina sy ampidirina... noho ny tsy fahafantarana ny olona nametraka tsikera anefa dia sarotra ihany ny mamerina azy manontolo ao.
7. lapino ( 03/05/2006 11:47)
Izao kosa izy no masaka ko! Na ilay smiley fotsiny aza dia efa hafa! :)
8. pissoa ( 03/05/2006 11:59)
Ie, milay be amin'izao!
9. Fiffi ( 03/05/2006 12:27)
andraso hoe mba ho any......
10. fasaly ( 03/05/2006 15:11)
lapino:

Izao kosa izy no masaka ko! Na ilay smiley fotsiny aza dia efa hafa! :)


fa ahoana no mampiasa ny smiley am tsikeran'ny sary io kay:°):-w:-w:-w
11. fasaly ( 03/05/2006 15:12)
ny ahy zao nofafako dooly ny sary satsia tsy nisy tsikera ataoko souvenir trony:cry::roll::°)
12. Fiffi ( 03/05/2006 15:24)
hery: de rehefa nijery sary 1 tao zah , de hita tokoa zany fa io ambanin'ny sary io no toerana hitsikerana. Fa avy eo kosa ahoana no fomba hiverenana hijerevana ny sary hafa ? de lasa voatery zany mi-klike ery ankavia indray de mitady ny "sary rehetra" zay vao tafaverina ao?
13. hery ( 03/05/2006 16:17)
fasaly> oudryyy. Vao tsy ela io fanaovana smiley io no napetrako teto http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m444f2d6e2638a
14. fasaly ( 03/05/2006 16:24)
8) hihihi! hay veuh e! kou zà veuh no nahalala hoe azoko hatao arokatra izy io fa de aleo aloha hanao essai zany e!mciiiii hery an!:-*:-*
15. hery ( 03/05/2006 16:27)
Fiffi> amin'izao aloha dia izay ihany ny fomba hiverenana... misy rohy hoe Sary rehetra eo ambanin'ilay sary fa hijerena ny sarin'ilay namana ihany.

Mbola hohatsaraina ihany io.
16. diamondra27 ( 03/05/2006 17:12)
de ahoana tokoa aloha le olona mandefa sary tsy miady ao ireny nefa ny an'ny sasany nalàna
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3089