Momba ireo klandy manao hetsika aty USA
1. tovolahy007
(
02/05/2006 23:43)
manaoana e!
Hono hoa,ny tsy ara-dalana ve azo avadika hoe ara-dalana?izany hoe ny illegal ve azo atao legal?
Io mantsy zao ny zavatra mitranga aty USA @ zao,ireo klandy tsy ara-dalana no manao hetsika mba hanerena ny mpitondra mba hanaiky azy ireo ho ara-dalana.
Dia misokatra ny ady hevitra e,Mazotoa

novalian'i tovolahy007 ny 25/05/2006 00:04
2. Lejim
(
03/05/2006 00:19)
Tsy misy zavatra tsy azo legalise-na izany fa opinion fotsiny no mitondra an'io. Raha manana pression sy motif tsara ampy andresen-dahatra ny mpanao lala amerikana izy ireo dia lasa legale.
Lalana io nataon'olombelona, ary afaka ovain'olombelona!

3. patrick2002
(
03/05/2006 00:58)
tovolahy ah mino izaho fa ianao tsy tonga dia nanana green card ,tonga tao USA fa izao vao manana izany hoe ny legaliseé na izany ny situation nao.
sahala @ sipa ihany io ry se ah !rehefa legaliseé nao izy lasa vady ny anarany fa tsy sipa intsony:-D:-D:-D

6. tovolahy007
(
03/05/2006 20:05)
patrick2002>fa izao ,za nahazo Visa ahafahako mijanona taty mandrapahazoako ny Green Card,ary nahafahako niditra taty,fa ry zareo anie tsy nisy Visa, tsy misy ininona fa tonga dia tonga aty @ zao e,tsy mitovy mitsy zany amiko
7. cutie
(
03/05/2006 20:07)
tsy mitovy zany fa mi-risque anie ry zareo mankaty e, aza tratra fotsiny. De heverinao fa miaina am-pilaminana ve ry zareo aty io .:P
8. tovolahy007
(
03/05/2006 20:11)
Lejim>toa hafahafa iany ra izany ko,zany hoe zany tsy misy ho voafehy ny lalana mihitsy raha izany .Le izy anie dia izao e,niditra tsy ara-dalana ry zareo,toy ny nangalatra zany e,dia tokony ahazo sazy na halefa mody e,ohatra fotsiny zany zao e,misy mpiklandy 20 millions tonga tao Dago,tsy nahazo Visa ireo ,tsy nanana taratasy mitsy,dia ahoana?Tsy hikredy ve ny fanjakana Malagasy @ zany hoy enao?Amiko refa tsy ara-dalana dia tsy izy zay,ary le hoe azo legalise na,izay anie no torohevitra omen'ny governemanta USA e,zany hoe alefa mody daolo de asaina manao fangatahana ara-dalana dia afaka raisina ho mpifindra-monina ara-dalana iany ko;amiko dia anisan'ny efa mi legalise zany amiko,fa tsy hoe tonga dia omeo Nationalite zay,amiko zany diso kosa rangahy.
10. patrick2002
(
04/05/2006 02:35)
mino aho aloha fa betsaka @ ireo no mitovy @cas nao,izany hoe tonga tao usa tsy hipetraka fa hanao mission (hianatra ,touriste,stage ,hamonjy reunion)dia manapa-kevitra ny hipetraka,ianao no manam-bitana nahazo ny green card,fa misy kosa ireo nangataka tapitra ny visas,fa tsy mahazo mihintsy.
Marina fa misy ireo mexicain izay misoty train, na misoty frontiere mba hatongavana any,ao ireo trinidadien sy cubains ary haitien sy jamaicain izay mandeha boutre ,ho tonga any nefa mino izaho fa tsy maro izy ireo.

11. tovolahy007
(
05/05/2006 01:15)
patrick2002>Tsy izany mitsy e,asa raha hainao fa misy karazany ny Visa ahafahana miditra aty USA,ny ahy dia le antsoina hoe K free Visa,mbola tany Dago za dia efa nahazo an'io,za tsy hoe nanao vacance taty USA na nianatra fa mbola tany Dago za dia efa tapakevitra ny ho aty USA ary nanao ny fangatahana rehetra.Asa raha fantatrao fa ao anatin'ny 1 andro anie ka olona 1000 isan'andro no miditra antsokosoko aty USA avy ao Mexico e,isan'andro io.
Koa aminao ve zany mety ny nataon'ireo olona ireo e,niditra antsokosoko tsy misy visa,tsy misy taratasy,sy ny sisa.Io no ilaiko valiny mazava satria raha izany dia tsy hitako izay ilavana Visa sy andaniana fotoana angalana an'io ra izany,tokony ho foanana koa ny pasipaoro fa tonga dia miditra @ zao fotsiny.

12. patrick2002
(
06/05/2006 07:19)
raha 1000 isan'andro no miditra antsokosoko any USA ny mexicain ,voalaza fa 20 000 000 izy ireo no tsy manana papier any USA LATINO no betsaka ,izany hoe 20 000 andro izany vao feno io isa io.
asa na mba fantatry tovolahy fa 50 taona anie izany vao feno ireo isa ireo eh ! tsy mitombona ny teninao.
Fa raha kosa hoe ireo mexicain miditra @ frontiere dia tsy tokony omena hoy izaho.

13. tovolahy007
(
08/05/2006 01:30)
patrick2002>Fa iza no niteny anao fa 20.000.000 izy ireo no aty @ zao,mba vaovao taiza no nahenoinao an'izany?Araky ny voalaza tao @ CNN dia 11 a 12 Millions izy ireo no tsy aradalana aty zao,koa asa na za no diso na enao na ny CNN nilaza izany;ny MSNBC koa dia nilaza io,jereo ao @ internet koa e.Ary na 50 taona vao feno io isa io ,misy tafiditra @ io koa anie ireo izay efa nipetraka ela taty USA ka tsy manana taratasy e,ary eo no miseho ny olana satria ny zanaky izireo dia mazava ho azy fa mahazo nationalite satria teraka taty,fa ny ray sy reny kosa dia mety halefa hiverina any @ tany niaviany raha tsy ho lany ilay lalana natao hoe izay efa taty nihoatra ny 5 taona dia afaka mijanona,samy mbola miandry daolo zao.Ary ny zavatra lazaiko eto dia tsy misy lainga azafady fa ny vaovao izay mandeha no lazaiko eto.Ka asa na za no diso na enao fa mba amarino iany le anao io aloha .Mbola haveriko fa tsy 20.000.000 izany izy ireo fa 11 ka hatramin'ny 12 Millions.
Dia misaotra e
Dia misaotra e
14. patrick2002
(
10/05/2006 01:54)
vakio ny soratrao ery ambony fa ianao no milaza fa 20000000 no isany ,tsy vaovao t@ cnn fa vaovao ny tovolahy.
Ary raha ny fomba fahazoana green card any etats-unis dia tena betsaka no azo tsikeraina ,hatao hatsapaka ve fa tsy mba misy selection akory.
Ary nahoana moa no homena nationalité ny zanany nefa ny ray aman-dreniny tsy homena.
Ny ahy ry tovolahy aoka isika sy ianao tsy
hifanditra amin'izany fa fanahiniana ataon'ny fanjakana amerikanina io mba hampitombo ny olona handevozina an'ny amerika ,io ilay hoe statue de la libertée fondée sur systeme d'esclavage :-D:-D:-D
Ity misy fanontaniana hapetrako aminao
-Mampandroso ve sa mampikatso ny economie amerikanina ny fisian'ireo clandestin ireo:?:
- Manana moyen ve ny amerikanina i legalise-na an'ireo sa tsy manana :?:

15. tovolahy007
(
10/05/2006 23:53)
patrick2002>manaoana e,tsika tsy hoe mifanditra rahalahy a,tsy misy miady eto akory sanatria fa samy maneho ny heviny e.Raha le hoe 20 millions dia jereo tsara fa ohatra nataoko io, hoe raha any Dago no misy klandy 20 millions tonga ,fa tsy le klandy aty USA akory io rahalahy.
Raha le fanontanianao ndray amiko dia izao e,azo lazaina fa latsaka ankaterena izao ny ekonomia Amerikanina @ zao tsika miteny izao,ary mety izay araky ny hevitro no mahatonga ny fanjakana Amerikanina hikredy momba ireo mpiklandy satria araky ny voalaza dia toa betsaka @ izy ireo no tsy mandoa Tax.Koa amiko raha izay ny zava-misy dia mampikatso zany ry zareo.
Raha ny @ le hoe manana moyen ilegalise na azy ireo ve ny Amerikanina,dia araka ny hita aloha zany zao dia tsy manana ry zareo fa dia hoe alefa mody zany daolo dia avy eo refa tonga any @ tany niaviany avy izireo zay vao manao fangatahana fahazoandalana hipetraka aty USA,io aloha amiko dia efa karazana fandroahana ankolaka.

16. patrick2002
(
11/05/2006 04:14)
Tsy mitovy aloha ny hevitra @ hoe mampikatso ny economie amerikanina ,samy aty amerika du nord isika sy ianao no mipetraka ary mahalala tsara ny systeme americain @ hoe profit ,profit ihany profit hatrany,io no tanjona marina fa tsy mandoa tax izy ireo @ karama nefa mandoa tax sur consommation izy ireo satria mividy sakafo sy kojakoja ,mandoa facture ,mila energie essence electricité,manofa trano izany hoe misy tax foncier ao,miasa mamokatra any @ petit et moyenne entreprise any etats-unis,IRENY REHETRA IRENY DIA MAMPANDROSO NY TOE-KARENA AMERIKANINA,fa kosa maninona no tsy ho legalisé-na ny papier:?:
valiny dia satria mampitombo ny charge ny fanjakana amerikanina @ santé,pension de vieillesse ,securité social isan-karazany .Io ilay profit teneniko etsy ambony izay tadiaviny fanjakana amerikanina.
izany hoe amiko araky ny fieritreretiko dia iniana tsy ho legalise-na ny taratasy satria mampihena ny profit ny fanjakana,izay ilay esclavage moderne,ka samia ho tahian'andriamanitra

17. tovolahy007
(
12/05/2006 00:52)
patrick2002>manaoana e!
Dia izao no mahalasa eritreritra ahy e,mitaintaina lava anie izy ireo aty e;ary raha misy marary aloha dia ho loza mitsy ra tsy misy namana na fianakaviana mipetraka aty .Koa amiko naninona raha mba naka taratasy aradalana e,sa dia tena tsy mety mitsy?Amiko aloha le tsy fanarahana lalana dia fahadisoana be e;ary io koa ny antony hitako fa tsy dia mampazoto ny Amerikanina hi legalise azy ireo satria malaza ho tany tandalana sy manaradalana ry zareo aty ka raha hoe legalisena izy ireo dia toa toy ny mpitari-bato filambava iany zany amiko ka hanome henatra andry zareo amerikanina.Izay ny fahitako azy,dia avy eo koa raha ho legalisena daolo izy ireo dia mety ho betsaka koa ny mbola ho avy ndray satria nahita ny nataony teo aloha,dia mibosesika hiditra ndray.Dia izay ndray ary aloha e.
Misaotra e

18. patrick2002
(
12/05/2006 02:48)
oh! ry tovolahy ah ! tsy vao izao nisy ny mpitsao-ponenana tany amerika fa efa naha amerika ny amerika.Tsy nisy legal izy ireo taloha fa ny legalise-na ,ka nahoana no tsy ho legalise-na,ny amin'izao ,dia hoy ianao hoe tsy manara-dalana, Ny lalana nataon'olombelona ka izany indrindra no takian'ireo olona ireo mba hanaovana lalana hiandany amin'ny mpitsoa-ponenana tsy manana taratasy ,fa tsy ilay lalana @ izao fotoana izao,heveriko fa marina izany noho ny antony izay voalazako tery ambony.
Mbola tantara ity hampatsiahivako anao fa rehefa vita ny esclavage tany etats-unis ,dia nividy tany tao afrique ny amerikanina liberia ny anaran'ilay firenena @ izao fotoana izao ,novidina t@ cote d'ivoire,mba hiverenan'ireo andevo mainty hoditra tany afrika nohandevozina tany amerika ,niady antrano ny mpanao politika amerikanina t@ izany fotoana izany hoe andao horoahina daholo ny mainty hoditra rehetra alefa mankany liberia ,nisy no tsy nety hoe aleo izay te handeha no handeha, Ka aminao rariny ve izany politika izany sa tsy rariny.Fantatro fa aminao dia tokony haverina ny mainty hoditra rehetra satria efa tsy misy ilaina azy intsony, ka eto dia mametraka fanontaniana izao manao hoe sao dia ku klux klan aza i tovolahy.:roll::roll:

19. tovolahy007
(
15/05/2006 23:44)
patrick2002>de mahagaga ahy mihitsy enao aloha e?Ireo mainty nohandevozina taty anie raha mba araky ny fahalalako kely dia tsy hoe nanao izay nahatongavany taty e,ary tsy niheriretritra ny ho aty USA zany fa noterena izy ireo;fa ity @ zao fotoana ity anie razoky ka ry zareo no nanao izay nahatongavany taty ,tsy noterena io;koa raha hoe fanandevozana no ilazanao azy dia mba gaga iany hoe hay ve izao efa misy olona tonga manantona hoa azy zany mba ho andevozina.Amiko zany dia tsy mahatsiaro ho andevo izy ireo aty na hoe andevozina izany,matoa miady ny hijanona aty,fa miaina toy ny olona rehetra izy aty.Raha ilaza ndray enao hoe fanandevozana maoderina io,dia hoy aho hoe,mbola gaga iany aho fa ataoko fa raha hoe fanandevozana no ilazanao le izy de tsy hisy olona hamono tena andeha hi pasy ny bordur zany mitsy eo akory,fa matoa ry zareo nano izany amiko dia mahatsiaro fa milamina izy aty USA ary miaina ankahalalana.
Raha ny hoe sao dia Klux klan aza i tovolahy de raha izay ny fandraisanao ny hoe tokony mba hanara-dalana daolo ny olona fa tsy hanao zavatra tsy mifanaraka @ lalana de tsy mampaninona ahy izany fa afaka antsoinao @ io aho mba ho olona tandalana daolo anie ny olona rehetra fa tsy hisy ho eo ambonin'ny lalana.Amiko de ianao io mihitsy zany le manao azy ho tsy maty manonta e,tsy manaiky ho fehezin'ny lalana.Ary mboola io toe-tsaina toa anao io no mbola tsy mampandeha mihitsy an'ny Madagasikara hatramin'izao satria mbola betsaka ny olona toa anao izao mihevitra ny teneny ho eo ambonin'ny lalana ka manao izay tiny atao hany ka betsaka ny tsy manaradalana'de rehefa izay moa no tonga de inona no zava-miseho,korontana.Milaza enao fa nataon'ny olona ny lalana ka azo ovana,marina izany raha teny ierana fa refa tsy teny ieran'ny daolo be de tsy izy zay .
Koa aleo aho ho Klux Klan toy izay olona tsy mpanara-dalana razoky satria eloka eo @ fiaraha-monina izany tsy fanarahandalana izany amiko.

20. patrick2002
(
16/05/2006 16:19)
voalohany sao dia tsy fantatrao fa ny lalana dia natao hiarovana rafitra anankiray ,mety koa ny lalana natao hiarovana tombotsoa anankiray, izay no hangatahan'i immigrant clandestin ao amerique tsy ny hoe handika lalana ,fa ny hoehametraka lalana hifanaraka @ tombotsoan'ny clandestin.
Ny momba ny momba ny mampety sy ny tsy mampety ny fandikana ny lalana dia misy ilay fomba fitenenana hoe LE GRAND AVOCAT CONNAIT LE JUGE MAIS UN BON AVOCAT CONNAIT LA LOI.Raha mandinika anio teny io ianao dia misy fandikana lalana na aiza na aiza ,fa misy foana ny firenena mandroso, fa ny any madagasikara ,dia izay olona manana fahefana mahazo seza rehetra izao manova lalana hifanaraka @ tombotsoany daholo ,tombotsoan'olona no iarovana fa tsy rafitra ,any ka isaky ny miova ny mpitondra dia miova ny lalana ,tsy misy rafitra mijoro mikorosi-fahana ny firenena,hany ka tsy haiko na ry tovolahy itony angamba ilay olona manampahefana mpanao lalana very seza dia mialokaloka aty amerika aty ,satria tsy afaka manao lalana intsony:-D:-D:-D