MPIVAVAKA MASIRASIRA!!!!

1. xxx ( 01/05/2006 07:22)
inona marina no tena dikan'io e? mivavaka alahady ve dia mangalatra akoho alatsinainy sa in:?::?:
novalian'i prime ny 23/05/2006 11:53
2. LazaRandri ( 01/05/2006 07:26)
angaha tokotrany dia Alahady ihany ny anareo no ivavahana e? Mba ataovy isan'andro e! :) Aza atao toy ny hoe in-telo na in-dimy isan'andro akory fa ataovy lalam-piainana :wink:
3. Fiffi ( 01/05/2006 07:31)
de inona aloha ny hevitr'i xxx momba an'io ? iza no nanao an'izany ? ianao hiany no nanoratra an'io ka omeo ny hevitrao aloha !
4. LazaRandri ( 01/05/2006 07:37)
eny tokotrany! dia aleonao mpivavaka matsatso sa masira? hahaha!
Raha i Jesoa aloha toa tsy tia an'ilay matsatso e :wink:
5. Fiffi ( 01/05/2006 07:40)
fa mba tsara kosa aloha ny mba hahafantarana ny hevitr'i xxx an! fa nisy naninona ary inona ity "mpivavaka masirasira" ?
6. jentilisa ( 01/05/2006 08:16)
hono tokoa ho'aho,toa atao hoe fanasina ny kristiana fa tsy nekena kosa ilay hoe masirasira...misy fifangaroana sarotra avahana ao an!
7. xxx ( 01/05/2006 08:20)
Tsy haiko izay dikan'izany. Na izany na tsy izany aza tsy dia liana hahalala koa aho, sao hitsaratsara olona fotsiny koa mantsy avy eo.

Mifandray amin'ny tsy hitiavako ilay hira hoe Vavaka mihambahamba iny :-w:-w Ny lazain'io hira io mantsy dia hoe vavaka mihambahamba ony ny an'ny sasany satria:

- tsy mba tsaroany ny andro Alahady, sns
- mijery tovolahy sy tovovavy mipozipozy (no tena ataony any ampiangonana)
- hiresaka amin'ny namany no tena anton-diany (any ampiangonana koa io)
- sns

Ka hoy aho hoe ary ny nalehany tany ampiangonana izany dia:
- nijery hoe iza no tonga sy tsy tonga tao ampiangonana,
- nijery ny olona mijery tovolahy sy tovovavy mipozipozy,
- namantatra ny anton-dian'ny namany ...

Ka aleo tsy omena famaritana ilay hoe MPIVAVAKA MASIRASIRA, fa raha mahatsapa fotsiny aho hoe tsy ampy ny fitokisako, na ny finoako na ny fitiavako an'Andriamanitra dia ampitomboiko kely, na Andriamanitra ihany no angatahiko hampitombo azy.
8. Fiffi ( 01/05/2006 09:28)
fa raha mahatsapa fotsiny aho hoe tsy ampy ny fitokisako, na ny finoako na ny fitiavako an'Andriamanitra dia ampitomboiko kely, na Andriamanitra ihany no angatahiko hampitombo azy.
ka ny Tompo anie hanampy anao foana hanatanteraka an'izany.
9. vale ( 01/05/2006 11:26)
xxx>tsy ratsy kosa aloha iny hira iny an(mpivavaka mihambahamba iny)fa akory atao fa dia zava-misy tokoa izany koh! raha zaho aloha no mifidy aleoko tsy mankany am-piangonana raha tsy hivavaka no aleha any ko! hijery pozin'ol sns...mbola ankasitrahan'Atra kokoa angamba aza ny ol mivavaka @ fony nefa tsy mpandeha am-piangonana ka dia asa aloha ê!:-D
10. dadabe ( 01/05/2006 12:59)
yee misy manao vavaka miambahamba marina ka ,

fa soa ihany fa tsy hoe mivavaka sabata dia mangalatra akoho alahady :wink:
11. Fiffi ( 01/05/2006 13:09)
kay ve hira zany eh ?
12. xxx ( 01/05/2006 13:30)
dadabe:

yee misy manao vavaka miambahamba marina ka ,

fa soa ihany fa tsy hoe mivavaka sabata dia mangalatra akoho alahady :wink:
Io mihitsy no tiana hahatongavana teo. Fa iza moa aho no hitsara, ka hilaza fa mihambahamba ny namako rehefa mivavaka? Sao izaho no tena mihambahamba amin'izany?

Tsorina amin'ny namana rehetra, fa ny tenako dia mivavaka isan'andro, nefa indrisy fa manota isan'andro, tsy miandry ny ampitso akory, ka tsy mampaninona ahy velively ny fitenenana hoe:
mivavaka Alahady dia mangalatra akoho Alatsinainy. Satria izay no marina. Manota mantsy ny fahazahoako ny tiana ambara amin'io hoe mangalatra akoho io.

Asa ny mpivavaka sabata (sasany) angamba tsy manota raha tsy pre-sabata indray. Deraiko manokana izy ireo raha izany. :-*:-*
13. sonwin ( 01/05/2006 16:39)
14. Fiffi ( 01/05/2006 16:48)
xxx: rehefa mahatsapa tena fa mpanota de zay no zava-dehibe! satria koa iza moa no tsy manota ? fa dia mangataka hatrany amin'ny Tompo mba tsy ho voasarikin'ny ota . " Ary aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy , fa manafaha anay amin'ny ratsy. :)
15. sonwin ( 01/05/2006 17:39)
Amen
16. Fiffi ( 01/05/2006 18:31)
Amen
17. marozevo ( 01/05/2006 21:33)
Vavaka mihambahamba ny SASANY...
Io no teny miavaka ao amin'ilay hira, ary io no tsy hitiavako azy. Ny SASANY !!!... Fa izy mihira izany vavaka maninona ? Io maika hitsara ny hafa io no tena mahavoa ny olombelona.

Hoy i xxx eo aloha kely eo :
""Tsorina amin'ny namana rehetra, fa ny tenako dia mivavaka isan'andro, nefa indrisy fa manota isan'andro, tsy miandry ny ampitso akory, ka tsy mampaninona ahy velively ny fitenenana hoe:
mivavaka Alahady dia mangalatra akoho Alatsinainy. Satria izay no marina. Manota mantsy ny fahazahoako ny tiana ambara amin'io hoe mangalatra akoho io.

Asa ny mpivavaka sabata (sasany) angamba tsy manota raha tsy pre-sabata indray. Deraiko manokana izy ireo raha izany."".


Midera ny fanetren-tenanao aho, ary ilaina dia ilaina izay. Za koa mitovy aminao amin'io lafiny io, tsy miandry ny ampitso alatsinainy izany aho vao manota fa io andro ihany, indraindray aza mbola eo am-pivavahana aho dia manao fahotana. Inoako anefa fa fantatr'Andriamanitra izany, ary tia ahy foana Izy.
18. Fiffi ( 02/05/2006 03:40)
midera tokoa moa izany! Inona moa no tsy fantatr'Andriamanitra ? tsy misy zavatra miafina aminy fa dia anjarantsika fotsiny ny mitandrina mba tsy ahazahoan'ny fankapanahy hisarika antsika ary hivavaka hatrany . Ary ny Tompo anie Homba sy Hitahy antsika lalandava.
19. ndrena ( 02/05/2006 15:22)
Marina avokoa izany fa saingy tsy azo adinoina ny fahamasinan'A/tra ka tsy tia fahotana izy.Noho izany ny fahatsapana fa misy ota dia tsara fa ny fomba hialana @ io no tena tokony hezahina mba tsy ho mpivavaka masirasira e
20. marozevo ( 02/05/2006 21:38)
Mazava tsara kosa aloha io lazain'i ndrena io eh. Raha tsy hiezaka hiala amin'ny fahotana dia tsy misy dikany ny fahatongavan-tsaina fa mpanota ny tena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2628