MPIVAVAKA MASIRASIRA!!!!

21. pissoa ( 03/05/2006 05:33)
Amen
22. ndrena ( 03/05/2006 10:06)
Samia mazoto ary ko
23. mandalo ( 03/05/2006 20:51)
Vakio tsara ny 1 Jean 1:8-10.
ny hira ara-pilazantsara dia fomba hiderana an'Andriamanitra; ny tenin'Andriamanitra dia toy ny fitaratra lehibe eo anoloan'ny olombelona rehfa torina; mahita ny mahatsara tarehy antsika isika ary indrindra mampiharihary ny fahadalantsika.
fihetsika roa ihany no tohiny:
1- mahatsiaro tena dia miala amin'iny faharatsiana iny. izay no atao hoe: kristiana
2- tezitra fa mandainga ilay fitaratra dia mirintona manao ny mahafinaritra.
iza amin'ireo no ataontsika?
24. marozevo ( 03/05/2006 22:21)
Io point voalohany lazain'i mandalo io tsy itovizako hevitra aminy.
25. Fiffi ( 04/05/2006 06:19)
1- mahatsiaro tena dia miala amin'iny faharatsiana iny. izay no atao hoe: kristiana
2- tezitra fa mandainga ilay fitaratra dia mirintona manao ny mahafinaritra.
iza amin'ireo no ataontsika?
izany hoe : tsy dia hitako loatra ny idiran'ny " Mpivavaka masirasira" @ ireo. Satria hoe mivavaka ny alahady dia manao ratsy ny alatsinainy. Na hoe mivavaka , mangataka amin'andriamanitra mba tsy hahazo zava-dratsy ohatra nefa vao vita ny fivavahana teo de manao zavatra tsy mendrika.
26. ndrena ( 04/05/2006 10:23)
Ny mpivavaka sy mpiangona anie be dia be e,fa ny olona tena hoe mpivavaka marina no vitsy ary izay io lohahevitra io hoe mpivavaka masirasira.Noho izany na inona na inona ataon'ny olona ka tsy araka ny sitrapon'A/tra na hira io na asa io na fanomezana ho any mahantra na fiangonana .....dia zava-poana satria mbola mpivavaka masirasira.
27. marozevo ( 04/05/2006 14:09)
Inona kosa ary izany no ilazana ny mifanohitra amin'ny hoe "mpivavaka masirasira"? Ary ianareo ve mino fa misy mpivavaka tsy masirasira ?

"Raha milaza antsika ho tsy manota isika dia mandainga ka tsy ao amintsika ny marina". I Jo 1,...
28. Achia ( 06/05/2006 05:02)
Ny ol rehetra de manota fa mandainga ze milaza fa tsy manota fa na ny eritreritra iahany aza defa mety misy fahotana ary le mpivavaka masirasira de zao ngamba misy ny ol ze mande mivavaka de ny vatany fotsiny no any ampiangonana fa ny fanahiny tsy any mitsy hany ka ny fomaba amampanao @ fahotana de tsy afaka fa eny ihany ohatra oe ny fitenenandratsy fanompana ol fijangajangana fialonana fifandrafesana avonavona
29. Fiffi ( 06/05/2006 05:51)
tsy nisy nilaza kosa aloha hoe zah mpivavaka ka tsy manota eto an! Iza marina no tsy manota anefa ?
Fa le mpivavaka masirasira fotsiny aloha no mampiheritreritra satria raha raisina ara-bakiteny ny "masirasira" asa raha @ tena gasy io no filaza ny olona mivavaka androany nefa rahampitso manao ny tsy fanao. Fa raha ny "masirasira" manko dia ao ny teny "sira" nefa ny sira misy ny dikany sady tsy ratsy.
30. marozevo ( 08/05/2006 14:32)
Amin'ny teny malagasy, matetika raha miverina in-droa ilay teny dia manana endrika tsy dia tsara loatra :

madiodio : Tsy tena madio.
tapatapany : Tsy tena tapany
Mangatsiatsiaka : tsy tena mangatsiaka.
masirasira : Tsy tena ampy ny sira ao aminy

Matetika, fa tsy izany daholo akory.
31. Achia ( 08/05/2006 19:09)
ka ra masirasira zany de tokony hapiana sira e sa ahoana ?
32. marozevo ( 10/05/2006 18:57)
Tsy hoe tokony hampiana sira, fa izy mihitsy no tokony hanampy sira.

Tsy atao iharana (passif) fa atao mpanao (actif).
33. Achia ( 13/05/2006 04:52)
:-D:-D
34. marozevo ( 16/05/2006 21:04)
:?::!::?::!::?::!::?::roll::roll::roll::roll:
35. naritsimba ( 17/05/2006 10:11)
Mody mivavaka ny Alahady
Nefa ny Alatsinainy mangala-bady
Mazava ny andro Kristianina
Fa vao maizimaizina mody fanina
Madio ivelany raha jerena
Nefa ao anatiny mahonena

Tononkira fanaonay io entinay ilazana ny hoe : mpivavaka masirasira e!
36. Achia ( 17/05/2006 12:57)
marozevo:

:?::!::?::!::?::!::?::roll::roll::roll::roll:


Inona ty mahagaga ? ny mampihome ahy nge de zao e sao voan'ny albemina ndray ra be sira loatra :°)
37. Fiffi ( 21/05/2006 12:33)
tsy maharaka intony eh!
38. marozevo ( 22/05/2006 20:39)
naritsimba > Tsy hitako izay mahadiso ilay hira fanaonareo, saingy manààna fahasahiana milaza ilay olona lazainareo fa aza atao impersonnnel le izy eh.
39. prime ( 23/05/2006 11:53)
Tsara ny manana fiainam-panahy sy fitondran-tena mendrika:wink:. Izay angamba no tian-dry naritsimba ahatongavana? sa tena hitsikera ilay fihatsaram-belatsihy amin'Andriamanitra mihitsy:??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1032