MOZAMBIKA E.....mitabataba lalandava e...

1. xxx ( 28/04/2006 08:13)
MOZAMBIKA E....mitabataba lalandava e
MOZAMBIKA E ...tsy mahita andro miratra

GASIKARA A ..andeha ho aiza e
tanana misy antsika e ....nolokoina MANGAMANGA IZY E
feno trano ...mavomavo..

(HATRAMIN'NY ilay MAHA RANGAHY)

MILA MAMPIASA SAINA KELY ...dia azonareo ny tiako ho tenenina
hiran'i tarika MAHALEO izy ity
http://www.madanight.com/madagascar-photo-3857.htm
2. Fiffi ( 28/04/2006 10:26)
ny hira aloha dia tena aiko tsara , fa tsy hitako indray ilay manaraka! na nijery le forum tao aza zah tena ty hitako eh! fa tsara kosa aloha ilay vola an!
3. Fiffi ( 28/04/2006 10:31)
Mozambika e, mitabataba lalandava e (2)
Tanana andrefana ao izy e (2)
Manakoako i Mozambika e
Tanàna andrefana ao izy e (2)
Ny basy no mihirahira e !

Mozambika e !
Ny adiny tsy mbola vita e (2)
Tanàna andrefana ao izy e (2)
Masiaka i Mozambika e

Mozambika e !
Miady hoan’ny tanindrazana e !
Tanàna andrefana ao izy e ! (2)
Tsy mahita andro miratra e !
Tanàna andrefana ao izy e ! (2)
Mbola hamirapiratra e !

Gasikara, Gasikara ndeha ho aiza e !
Tanàna misy antsika izy e ! (2)
Nolokoina menamena
Tanàna misy antsika izy e ! (2)
Feno trano mangamanga

Naleko aloha natao eto ilay tononkira mba ahazahona tsara hoe inona sy inona na ahoana sa ahoana.
4. fijo ( 28/04/2006 17:55)
tsy mazava amiko koa ilay tena tiana lazaina
5. sonwin ( 29/04/2006 08:36)
raha ny fahitako azy ilay loko no tian leiry tenenina, satria ny loko ra8, manga..dia misy mavo, dia araho miadana amin'izay.
6. xxx ( 29/04/2006 15:28)
sonwin bravo!!!
7. fijo ( 29/04/2006 20:40)
loko rav8 ahoana kle???tsy azoko mihintsy
8. Fiffi ( 01/05/2006 03:45)
fijo: zah koa akia tsy dia hamaky loha loatra fa toa tsy matotra mihintsy le resaka ! io hiran'i Mahaleo io efa hira tranainy be ka inona no hidiran'ny loko Ra8 ao ?
9. mandrindra ( 02/05/2006 12:01)
ny loko mahery amin'ilay vola dia ny manga sahala amin'ny lokon'ny tim. dia jereo tsara koa ilay vola fa misy an'ilay masoandro mavomavo. ny logo an'ny tim dia misy boribory mavomavo toa io masonadro io. mandehana ao amin'ny tim-madagascar.net dia hitanareo ao ilay logo.
10. Fiffi ( 02/05/2006 14:40)
fa angaha moa ny TIM no nanapan-kevitra hoe izao hatao ny lokon'ny vola ?
11. fijo ( 06/05/2006 03:16)
mandrindra hay????tsy mbola harako izay kle.
12. mandrindra ( 10/05/2006 13:13)
io aloha ny zavamisy, ao ny milaza fa niniana io, ao ny milaza fa tsinahy io. ny tena marina aloha dia tsy haiko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4172