American dream

21. tovolahy007 ( 28/04/2006 01:15)
salut...!
rhevinilsen>za dia Malagasy,tsy ho vazaha na oviana na oviana mitsy za na andeha mbamin'ny lohako aza,ary mirehareha aho @ zany maha Malagasy ahy zany.Ny hoe rehefa mipetraka aty USA tsy midika akory zany fa tsy hiverina any Dago tsony,za manokana de hiverina any refa mahavoahangona avy aty USA,betsaka io zavatra angonina aty io toy ny fianarana,ny vola,sns,sns;refa voahangonako tsara reo ,dia iny aho no itodi-doha ho any Dago de zay zavatra tsara sy mba kely haiko avy aty de mba entiko anasoavako any ilay nosy mamiko de i Madagasikara zany.
Misaotra e
22. tovolahy007 ( 28/04/2006 01:27)
salut!
ainanahery>mitovy ireo gasy ao frantsa ireo iany e.Tonga any izy misy ny efa mahafantatra ny ataony misy kosa ny refa tonga any izy vao mitady izay tiany atao,dia toy izany koa refa ho aty USA e.Sa moa ny olona ho any Frantsa tonga de efa misy asa miandry azy any sy trano sy ny sisa ve?
23. tovolahy007 ( 28/04/2006 01:37)
salut..!
Ny zavatra mampiomehy koa de ity e,misy ny milaza fa tsy mamely tsony zany Ameriakanina zany e,nefa dia mbola betsaka ny matimaty amin'ny Amerikanina.Ohatra @ zany eo @ lafiny kolotsaina fotsiny ohatra,tsy maharay lamba mitsy raha vao maheno ny hirandry Back Street Boys,ry Maryah Carey,sns;ny resaka film moa de aoaka fotsiny.Zany hoe toy ny olona tsy mahalala ny antony tsy itiavana le aty USA e,fa de mba miteny ngambany ny olona hoe za tsy tia zany USA zany de mba tenenina koa,nefa refa mahita ny zavatra avy aty de velona ny hoe tsara kosa an,nefa avy aty USA le izy.
izany le hoe ,milaza tsy tia mangahazo nefa milelatanana ery mihinana tapioka,hahahaha
24. Lalah ( 28/04/2006 02:34)
tovolahy007, ianao an,aza manao an izany:(:(:(:(:(:(:(
25. kiadytsilaitra ( 28/04/2006 08:00)
Lalah, tovolahy007, cutie > aiza ho aiza ny @ zany USA zany hono no mipetraka dohol' zany?

Mimine > Ny lotery green card dia tsy andoavam-bola amin'ny takelaky ny fanjakana fa misy organism sasan-tsasany manao intermediare, dia ireny no mitaky vola.

Ny fahitako azy zany dia mbola lavitra be loatra ho an'ny saramba-be-mbahoaka ilay hoe USA e! Mbola nify tena tsy takatra ho an'ny akamaroan'ny gasy ka tsy dia heverina firy loatra ny momba azy. Fa amin'ny ankapobehiny dia mbola any ihany no heverina tsara indrindra. Fa dezaka be koa, tsy afaka mandeha etsy ambatofotsy intsony rehefa paska, raha misy jokiny ny fianakam's dia efa veloma mialoha fa tsy toy ny manketsy lafrantsa ny frais:(.

Momba ny be kintana sy ny frantsay dia samy be taim-bava hoe tsy alehany ny iray fa am-po, samy mitia ny koltsain'ny eo ampita (rehefa tsy tery saina sy mahafantatra kely ny mihoatry ny ao antokotaniny:-P):
- neny frantsay dia mbola maro dia maro no manonofy izany reve americain izay tena mbola misy fa tsy mora takatra toy ny taloha. Aiza no tiana aleha raha be saosy? New york:^).
- neny americain izay zavatra heverina tsara rehetra ity dia tovonana french dahol' : french fries, french kiss, frenc manucure, french touch-ny 'ty sy ny aroa;-). Inona no tanana revena ho hita: Paris.
26. kiadytsilaitra ( 28/04/2006 08:03)
Ny fahitako azy zany dia mbola lavitra be loatra ho an'ny saramba-be-mbahoaka ilay hoe USA e! Mbola nify... nofy fa tsy nify eh! :D
27. fijo ( 28/04/2006 18:10)
tovolahy,
marina klo fa za tsy mbola tany US,fa efa tany canada.
ny fantatro dia,vaovao momba ny US ary ao canada dia efa hafaka ahazoana vaovao momba azy.izay tsy dia mifanaraka loatra amin'ny fisainako.na dia tsy tia komunista koa aza ny tenako.
le fisainana any tsy tiako.izay no tena marina.
28. cutie ( 28/04/2006 19:23)
neny americain izay zavatra heverina tsara rehetra ity dia tovonana french dahol' : french fries, french kiss, frenc manucure, french touch-ny 'ty sy ny aroa. Inona no tanana revena ho hita: Paris.

freedom fries zao no malaza koa lol
ary zareo ndray tena mi se moquer an'ny frantsay mitsy ka
toy zany koa ny frantsay ngamba :-D:-D:-D:-D:-D
tanana revena, any amerique du sud sy ny tariny :P
29. xxx ( 28/04/2006 19:53)
Taiky tsy aleoko Québec kle, aty misy aide sociale sy assurance emploi baojy ko!
30. fijo ( 28/04/2006 19:57)
aaleo marina klo nacada e.
31. cutie ( 28/04/2006 20:18)
fa be taxes any koa
32. xxx ( 29/04/2006 00:12)
Milay aty ka! Izany hoe misy vola baojibaojy fanampiana omen'i Rafanja izany koa taxes ah taxes.
33. sonwin ( 29/04/2006 08:39)
Aty madagasikara ihany no milay ka,ary tena milay.
34. xxx ( 29/04/2006 13:07)
Aza mamahan-dalitra ranga an!
Mody hoe nefa, aza ny ataoko no atao.....
35. cutie ( 29/04/2006 14:16)
samy manana ny tiany , refa mety ve ny fiainanao any tsy tamana any enao e :-D
36. fijo ( 29/04/2006 20:42)
raha manana anie aleo ihany ao mada e.ny zokiko izao tsy mba te hiala ao,nefa efa fandehanany matetika na frantsa na zamerika na nacada ,na australia,sy ny azia iny.
37. tovolahy007 ( 30/04/2006 00:58)
Manaoana e..!
Lalah>ko izany no marina ko,
38. tovolahy007 ( 30/04/2006 01:18)
Salama e!
fijo>ra mbola tsy taty mitsy aloha de zao e,tsy afaka ny hiteny enao hoe ratsy aty USA na tsara.Raha resak'olona fotsiny no heno de tsy afaka ny hiteny mitsy enao hoe ratsy aty ,ary ny hoe efa tao Canada de zao,tsy misy itovizany mitsy zany Canada sy USA zany na dia kely aza.Dia sahy hilaza ko ve zany nareo fa refa tao Mexico de efa taty USA ko zany?Mety ohatra hoe io olona niteny taminy elahy io hoe ratsy aty USA ,niteny izany satria ohatra zao hoe mety tsy de mahavoa teny Anglisy izy ohatra de tsy misy olona mikozy aminy mitsy satria tsy misy ifandraisany ny resaka ko (olona Amerikanina io koziko io fa tsy hoe Gasy akory a,ny Malagasy aty refa tafahaona na miaoana dia tsy misy teny Anglisy zany fa de Malagasy variraka mitsy no itenenana fa tsy mitovy ny Gasy sasany ao Frantsa tsy mety miteny Gasy),de kamo izy ny farany de izay no mety nahatonga azy nilaza fa ratsy aty.Aty aloha ra tsy mahavoa teny anglisy zany de mazava be fa tsy ho tsara le fiainana e,niainako io t@ za vao tonga taty,nahatsiaro tsy de ao tsara zany e,fa refa avy eo de nianatra mafy de mba nahay kely de nanomboka nahazo fafiny @ zay.

Fa izao e,ny fiainana aty USA aloha de tsy natao ho any olona kamo e,tsy misy vola adala tompo zany aty ka hoe ho zaraina toy ny any Frantsa na Canada,zany hoe ireo aide avy @ fanjakana zany,aty refa tsy miasa enao de tsy misy vola zay fa refa mikandra mafy kosa de miditra ny vola.
Misaotra e.
39. tovolahy007 ( 30/04/2006 01:24)
salama e!
kiadytsilaitra>za aty Pennsylvanya aty e,aty akaikiny Harrisburgh aty io,fa nareo aiza kle?
40. xxx ( 30/04/2006 01:25)
Ny vola eo ihany fa ny fahazoana citoyennete no olana. Tena tsy aleo ihany Canada kle.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0081