US president

1. soanja ( 26/04/2006 18:49)
Ity rangahy ity ny ahy no tiako ho President ny US. Mba misy manohana ve aho? mino aho fa mety hilamindamina ny tany raha ity no mitondra eo.
Tsetsetra tsy aritro iny fa fantatro fa i Madagasikara no mahamaika antsika izao. :D:D:D
novalian'i fijo ny 06/05/2006 03:28
2. soanja ( 26/04/2006 18:50)
Ity ilay izy fa hadinoko teo.

http://www.dscc.org/news/multimedia/20060424_video/
3. Lalah ( 26/04/2006 18:51)
soanja ah! ao tsara ve ndry? Iza le rangahy tiandry fa tsy hainay anie e!
4. Fiffi ( 26/04/2006 19:17)
soanja: na io lhl io na tsy io , inona anefa no hampiova inona ? ny tanjon'ny amerikanina tsy hiova mandrakizay , na iza no eo na iza.
5. Lejim ( 26/04/2006 20:25)
Soanja> Mba Africain Americain mafana fo no fahitako azy, ary manohana koa zah raha io no candidat Democrate! lol
Fiffi> Tena manova zavatra mihitsy ny filoham-pirenena Americain, tsy te hanome example zah fa, amiko, arakaraka ny foto-pisainan'ny filoha sy ny zavatra inoany ny fomba fitondrany sy ny fomba fijeriny an'izao tontolo izao. Manaraka an'izay koa ny foreign policy raisiny!
6. Herimiafina ( 26/04/2006 20:49)
WASP ve ileiry io? Raha tsy WASP de adinoy! :-D
7. xxx ( 26/04/2006 21:34)
Oublie çà
C'est un Voeux pieux
8. soanja ( 26/04/2006 23:51)
Lalah:

soanja ah! ao tsara ve ndry? Iza le rangahy tiandry fa tsy hainay anie e!

Aleo izany hazavazavaiko kely eto ny momba azy e. Barack Obama dia lehilahy US metisy fotsy sy mainty. Avy any Kenya Afrika ny rainy ary avy any Kansas US ny reniny. Teraka tany Hawaii izy t@ 1961. Nahavita fianarana tao amin'ny Harvard Law School ary izy no African-American voalohany indrindra president'io Harvard Law Review. Senator ny Etat Illinois lery (democrate). Ny tena itiavako azy dia ny fomba fisainany. Nanoratra boky iray izay izy: " Dreams From My Father". Nianatra lalana izy ary afaka hahatsapa ny filan'ny mahantra aty US: indrindra as ho role model ny tanora African-Amrican hikatsaka ny tsara indrindra. Fa raha izy no ho mba milatsaka ho filoha US indray andro any dia mino aho hilamina kokoa ny politika ivelany izay tsy tiantsika Malagasy be dia be eto.


9. Fiffi ( 27/04/2006 03:55)
ka izao anie eh! hatramin'izay ka hatramin'izao , izay olona milatsaka ao dia mitovy @ rehetra hiany ny baratin-ny , nefa rehefa tonga ao , inona no hita?
Ny tsara fantatra koa angamba dia izao: misy ny olona tia sy mankasitra ho filoha ny olona iray , normal zany , fa izay te-hilatsaka rehetra dia samy hanana ny mpanohitra azy tsirairay , ka raha jerena ary ny popularitén'io olona hita eto io , asa re mba ahazo firy % izy eh ? Eny eh! fanirian'sasany hiany hoe raha io no président sns.... tsy hadino koa fa ny amerikanina dia mpanavakavaka , jereo fotsiny hatramin'izao fa tena mbola mihaina ry zareo hoe mainty sy ny fotsy a dia samy amerikanina aza.
10. kiadytsilaitra ( 27/04/2006 07:10)
Tena milay marina le tary io ry saonja a (*)(*)(*)(*)(*). Ary mino aho fa raha mirotsaka hofidiana izy indray andro any dia tena ho lany ho president **== Saingy hatramin'izao aloha dia tsy mbola manam-pikasana ny amin'izany ingama. Ny ahy ny ahiako raha mihiditra amin'izany izy dia hovonoin-dry lerony satria tena mbola bobaka loatra ilay fotsy tsy hazaka ny hoentina kolera hafa izany any USA. Misy toerana mantsy any dia tena tsy azo heverina mihitsy izany hoe mainty sy fotsy miara misotro ~O) izany fa tonga de 8-X ny hiafarany. Ary tena mifamono tokoa. Tsy resahina fotsiny ny mexikanina sy ny portoricain sns.
11. cutie ( 27/04/2006 09:30)
tsy kopy za :-D:-D:-D:-D
hopefully fotsiny tsy ho repoblikana ny lany.
Tsy aleonareo ve Hillary Clinton e
12. soanja ( 27/04/2006 10:54)
cutie:

tsy kopy za :-D:-D:-D:-D
hopefully fotsiny tsy ho repoblikana ny lany.
Tsy aleonareo ve Hillary Clinton e

Izy tokoa aloha mbola tsy nilaza hoe hilatsaka na tahak'izay saingy izy no hitako fa tsara ho president raha samy hifidy ihany. Mino aho fa mety izy Hillary no ifananinana indray andro any dia hita eo hoe ho lasan'ny vehivavy ve ity toerana ity sa ho lasan'ny mainty metisy, samby mbola tsy nisy teo ireo roa ireo. I Hillary aloha tsy lanin'ny vavoniko fa toa fake be sady be be politika ihany (be lainga sady efa teo koa ny vadiny e). Fa raha tsy i Obama kosa no mirotsaka dia voatery hirona any amin'i Hillary ihany ny safidiko. Fify a tsy voatery hitovy foana ny fomba fitondran'ny Repoblikanina sy ny Democrate , ary ny politika any ivelan'ny dia samy hafa tokoa rehefa tonga eo. Satria tsy maintsy jereny tsara hoe inona no tena handaniany ny volam-panjakana. Amin'izao aloha dia ny ady any Irak no tena mitroka ny vola aty US fa ankilabao ny resaka hafa. Ny hoe resaka fanavakavaham-bolokoditra indray dia tsoriko fa ny fotsy tsy manavaka saingy misy tsy maintsy moa ny ho singanina satria samy manana ny toetsainy ny olombelona. Ny toe-karena no manavaka ny olona aty. Ohatra aty aminay dia feno Mexicanina sy latinos, miaina tsara ry zareo ary afaka mampiseho ny mahaizy azy. Io fampisehona no mahaizy azy io matetika mety hitarika fitokanana na fanavakavahana tena. Izay no mahatonga hoe ity faritra ity an'i Asiatika, ary ny an'i Italianina sns ka raha misy hafa volonkoditra mankany dia somary be mpijerijery sady gaga izany ry zalahy, inona koa no ataon'io aty. Saingy tsy misy tsara ny hoe mitazona ny mahaizy azy satria perte ianao raha very ny maha ianao anao. Saingy ny gasy moa aty voaisa amin'ny tanana iray dia tsy maintsy miosona amin'ny hafa e.


13. cutie ( 27/04/2006 11:07)
soanja, mbola tsy hitan-jy nga le film US president iny de mainty le president , it's a joke
dikan'zany tsy hisy ho mainty na metisy mainty ho voafidy zany mitsy eo .
hillaryihany zao no democrate tsy matahotra ny repblikana koa.
14. xxx ( 27/04/2006 21:21)
Tsy resaka aitraitra ohatran'ny ataon'i Obama akory dia hitondra ny US rehafa avy eo. Any Harlem na NJ na Detroit angamba izy no mety ahazo olona.
15. fijo ( 27/04/2006 21:33)
araka io voalazan'i cutie ,io dia tsy hisy mainty holany izany eo.ary raha misy aza,dia tsy aharitra dia vita"maty"
16. Lalah ( 28/04/2006 00:42)
fijo aloha de mahita volana alohan ny biby fonany e! ianao aloha mila mankaty amiko asorina ao antiny ny lohanao zany mainty sy fotsy zany. aza asiana resaka an izany fa zahay anie mbo mainty koa aty ra par rapport andry zareo e! manino izahay tsy misy fanavakavahana mihatra aminay, nefa ra ataoko hoe misy izany tsy aleon-dry zareo ve manilika any toy izay reo american mainty maro anisa aty ireo? Aza mi-refer amin ny film fa fitadiavam-bola daholo ireny, fa tsy tena marina
17. kiadytsilaitra ( 28/04/2006 08:17)
Lalah > Ilay fanavakavahana mainty-fotsy-mena-latinos-mavo sy ny sisa kosa aloha dia tena misy any USA eh! Mety mbola tsy sendra izany ianao dia tena milay zany fa ny ahy ny ankapobehiny no jereko. Ataoko fa tsy fahatany ny nanaovan-dry zalahy ny lalana hoe rehefa manao CV tsy asiana filazana karazana, loko, sexe sns. Ireny getto isan-karazany ireny sy ny actes racistes ireny, tsy film ihany no ahitana azy fa mijery BBC sy CNN na BadBoys dia mahita an'ireny.
Ny zavatra iray koa dia ny gasy naizan'aiza tian'olona foana satria mora hiaraha-monina. Hoy ny positifa hoe sociable, hoy ny negatifa hoe docile. Sady ho an'ny be kintana rehefa mahita gasy dia mbola hoatrany mahita zavatra mivoaka avy anaty boky na film (zavatra hafa kely). Ny ankamaroan-dry zalahy aza moa tsy mahay ny toerana misy any Madagasikra amina carte du monde.:roll:
18. cutie ( 28/04/2006 12:37)
marian ny lazain'i kyady io , fa i lalah koa tena tssssssssss:twisted:
19. Lalah ( 28/04/2006 13:35)
kiadytsilaitra> sarotra be manazava azy aminao fa ny tsotra fotsiny dia izao nareo tsy ao anaty fiaraha-monina dia tsy mahita ny tena marina, fa tongava aty dia ho hitanao ny tena marina, efa mbo ela ela ihany aho no teto fa mbola tsy nahita eny fa nadia nahatsapa kely mikaiska izany aza. Za ve de hahalala ny zvtr miseho ao Frantsa ao, satria aho tsy ao, ary tsy afaka hahita ny rafitry ny fiaraha-monina ao hoe misy mpanavakavaka ve ao sy ny tariny, sady na misy ihany koa aza tsy maharototra ahy loatra. Ok !:D:D:D:D:D
20. kiadytsilaitra ( 28/04/2006 17:55)
Toerana efa nitsahako fotoana maharitraritra izany ilay atao hoe USA eh! Toy ny la frantsa koa. Izay no mahatonga ahy nilaza ny voalazako teo. Ary Za koa tsy mba voahavaka izany tany fa kosa tena nahita fa misy ny fanavakavahana (izay tsara marihina fa miankina be amin'ny tanana na faritra misy an'ny tena). Izay no nahatonga ahy nanontany tetsy ambony hoe faritra aiza avy no misy ireo milaza monina any USA?
Za ry ise satria misy an'ity internet ity sy tsy hay izay rahampitso dia mba rototra kely ihany amin'ny zava misy etsy sy aroa. Ilay post toi farany io dia efa tena manambara mafy hoe efa ao tsara ilay mantalite US (auto-suffisance). :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0973