ireo zaza tsy anilan-dray

1. xxx ( 26/04/2006 11:20)
Miarahaba ny mpiserasera rehetra indray;

Ny momba ny fanabeazana ireo zaza tsy anilan-dray indray no tiako asina resaka kely, matetika izy ireny misy olana any am-pianarany any, ka inona no tokony atao? rehefa manontany ny misy ny rainy izy inona no tokony havaly? (cas mère celibataire) dia misaotra mialoha e
2. Samoana ( 26/04/2006 12:03)
Na eo aza ny ray sy reniny misy olana foana izy any am-penarana raha tsy arahi-maso tsara e:)
Raha akaikin'ny ankizy hatrany ianao hazavao azy tsotra ny tsy maha eo ny rainy fa aza miolangolana fa maika manary ny fitokisany anao ny tsy filazana ny marina.
Mety ho safidinao ny ho mère celibany, mety efa manambady ilay rain-janakao na mbola tanora loatra de tsy matotra handray andraikitra, ets...Hazavao ny sain'ny zaza de hisava tsy hitaintaina hiafina ao ambadiky ny laingalainga intsony i xxx:wink:. Mahereza
3. Fiffi ( 26/04/2006 12:28)
mety tsy izy personely koa angamba fa mba tiany resahina eto fotsiny io an!
4. Samoana ( 26/04/2006 13:18)
fiffi/ fomba fiteny le "ianao "ampiasaiko eto fa aza heverina ho personely. Azafady raha fantatrao manokana i xxx namoaka ny hevitra:D
5. diamondra27 ( 26/04/2006 19:34)
rassurer-o izy e!
6. xxx ( 27/04/2006 06:27)
diamondra27, hoy ianao hoe rassurer o izy, fa @ fomba ahoana?
7. soleil ( 27/04/2006 07:03)
sarotra dia sarotra ny mitaiza zaza tsy eo anilan-dray , ny zanako ta@ voalohany anisan'ny ankizy nahay tany @ primaire ary nahatsapa zany ny mpampianatra , 2 taona teo ho eo anefa zay de tsapako nony nitombo taona izy fa misy akony amin'ny fianarany ny fahabangana , efa imbetsaka aho no niezaka nanazava sy niresaka taminy fa sarotra e, zay no azo amehezana azy

miankina amin'ny ankizy tsirairay ihany koa anefa io satria samy manana ny fony sy ny sainy ny ankizy , na miresaka ary ianao tsy rassurer- foana izy fa raha misy mahita torohevitra mahomby dia tena isaorana indrindra
8. diamondra27 ( 27/04/2006 07:20)
miresaka foana ianareo ka!
manàna fotoana hiarahana aminy, s'intéresser à lui, lui donner du courage et des compliments, omeo valeur izy,surtout henoy tsara izay tadiaviny, capter son code
9. tiatsara ( 27/04/2006 07:53)
Underlined textFanontaniany mikasika ny rainy :
Lazao azy ny marina, nefa arakin'ny taonany io, efa ho azony ve sa tsia raha lazainao azy (l'âge de comprendre )

Underlined textFitaizana azy :
Ny misy ray sy reny aza sarotra raha tsy ampy ny fanaraha-maso anie, ny azy izany dia mila hamafisina mihitsy :
- omeo fitiavana izy : feno, manan'amby, hananany assurance toy io voalazan'ny namana eo ambony io ;
- tefeo ny maha izy azy : izany hoe personnalité : tantano manantotosa zavatra iray izy, dia alefaso irery avy eo fa akaikezo foana, dia omeo bravo izy na mety na tsy mety ilay ataony, raha tsy mety dia teneno izy fa afaka manao tsara kokoa izy (je suis certaine que tu y arriveras mon grand ! ... ), dia miala ny complexe d'infériorité @ zay ;
- mandania fotoana miaraka aminy : tsy mifidy andro io na fotoana, fa ataovy tsapany hoe EO IANAO HO AZY @ FOTOANA REHETRA : ataovy misy vokan-tsoa ireny fotoana ireny, fenoy fitiavana ;
- fenoy ny banga : ataovy hoe sady ray no reny ianao : moralement, physiquement, financièrement ... ohatra, aza atao tsapany akory hoe raha mba nanana dada aho izao dia nisy nanao atsangory, na nisy nisangy, na nisy nividy kilalao, na nisy niaro t@ olona ratsy fanahy ...

Fototra :
- personnalité henjana be
- fitiavana bobaka be

Vokatra :
- fahombiazana @ lafiny rehetra ho azy : fianarana, quotidien : dia hitanao fa tsy misy mahasahy mikitika azy na haneso na hampagasiasy
- mafy orina ny ho aviny : satria izy manana ny maha-izy azy, ary manana anao ho tokiny @ fotoana rehetra.

Raha mivavaka ianao dia tsarovy lay hoe : ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.
Raha tena miankina @ Andriamanitra ianao, dia ho hitanao fa azo atao tsara ireo : ny fitiavana no tena ampiasao.

Mahereza !
10. harinah ( 27/04/2006 08:04)
za aloha tena mahatsapa fa hafa ihany ny eo anilan'ny ray sy renyeh!
11. tiatsara ( 27/04/2006 09:17)
harinah o ! hafa tokoa ka, izay no lafatra indrindra, fa misy anefa ny setrasetram-piainana tsy mampisy io, na koa mandrava ny efa nisy, dia eo no tsy maintsy atrehina ny zava-misy.
12. ari.malala ( 27/04/2006 13:37)
harinah a, raha ny faniriana anie dia izay no tsara indrindra e! fa misy kosa lafim-piainana tsy maintsy izorana @ io lalana iray io, ary anotny angatahan'ny namana hevitra eto io, izay isaorana ireo mpanoro hevitra moa!
13. tiatsara ( 27/04/2006 14:31)
Mety hiteny ihany koa lay reny mitaiza seule io hoe dia za zany ahoana, dia zao e !
aza mieritreritra ny tenanao tsony fa ny an'ilay zazakely asandratra, fa tsy manana iankinana afatsy ianao izy ;
hitanao fa rehefa mihalehibe izy, ka mahita taratra @ zay ianao fa nahomby ny nanabeazanao azy taminkerimpo lehibe sy mahitsy ary matotra dia mioty ny valinkasasarana @ zay ianao.

Mahereza an !
14. Herimiafina ( 27/04/2006 18:29)
matetika ny zaza tsy haniky raha tsy hitany na fantany ny Rainy, na tsy tiany aza.
Recherche d,identité avokoa izany amin,ny psychologie.
Mila image anakiroa defier-na mantsy ny zaza, ny andrainy izay mi-symboliser VIRILITÉ ary ny an'ny Reniny izay mi-symboliser SERENITÉ.
tsy lavorary izy raha tsy mahita an'ireo na amin'ny tena RAR-ny biologique na adoptif na havany akaiky misy lahy sy vavy.:@
15. ari.malala ( 28/04/2006 05:03)
Herimiafina, dia inona aza no tokony ataon'ilay reny raha io teneninao io ka! atao aza hoe tsy hita mihintsy ilay lehilahy, dia inona no hotenenin'ilay vevavy?
16. diamondra27 ( 28/04/2006 05:49)
de lazaina ny marina le zaza fa ianao ve handainga aminy eo
17. tiatsara ( 28/04/2006 06:34)
ari.malala : rehefa tsy hita trace intsony izy dia lazaina ny marina rehefa tokony ho takatr'ilay zaza e ! dia ampiseho ohatra ny sariny raha misy, hoe tena nisy tokoa ilay olona fa efa tsy eo intsony @ izao fotoana.
18. soleil ( 01/05/2006 12:48)
efa nisy lohahevitra iray nataoko ndray mandehany amin'io fitaizana io , ny rain'ny zaza dia mbola any soa aman-tsara tokoa ary misy ny fotoana iseraserany sy iarahany aminy , fantany daholo ny marina e , ny misy an'ny rainy , ny fiainany sy ny ahy izao sty misy miafina fa ny tsy laitrako dia mitomany sy malahelo be ny ankizy raha vao resahina ny antony zao rehetra zao ka sty te-hanimba saina sy fon'ny akizy ndray aho , zay ko ano maha-sarotra azy e

misy dinihina sy tsakoina daholo ireo hevitra rehetra , misaotra manokana an'iTiatsara , ny vavaka dia efa tena eo tokoa ary manara-dia ny TOmpo tokoa , na izany aza mbola hita sarotra ny mitaiza e tsy maintsy mahery tokoa noho ireo ankizy ireo , lava dia lava ny tantara raha resahina fa dia misaotra antsika rehetra

19. Fiffi ( 01/05/2006 13:21)
soleil: :-*:-*:-* ndry :)
20. tiatsara ( 03/05/2006 06:17)
soleil : mirary anao hahita ny rariny ;
Jereo ihany zay azo avoaka @ izy ireo sy sy ma
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2242