ireo zaza tsy anilan-dray

21. tiatsara ( 03/05/2006 06:26)
Jereo ihany zay resaka azo avoaka sy mbola tazominao irery aloha noho ny taonan'izy ireo, fidio ny fotoana, aza miresaka zavatra mampalahelo azy ireo anatin'ny fotoana hianarany ;

Fadio mihitsy hoe izy ireo no hiara-handinika aminao ny fahorianao, fa mahazaka izy imasonao, fa any ambadika any izy mitomany sy mitsetra anao, mety hisy vokany tsara io, nefa ny ratsy matetika koa manaraka afara (rebelle be izy any @ tokantranony satria fay fa i neny aza nataon'olona toy izao ...)

Sarotra ny mitaiza anefa dia ataovy matanjaka foana ny saina sy ny fo, ary omeo azy ny fiarovana tsara indrindra : vavaka ; rehefa hivoaka izy dia teny iray ihany tononina ao am-ponao : iny izy Jesosy apetrako eo an-tananao, fa ratoandro indray izy vao hitako, hialoavy lalana, tariho, atoroy, arovy, fa izaho tsy maharaka izany rehetra izany, mamindra fo amiko.

Andramo fa tsara io e ! miankina tanteraka dia ho hitanao anie e !
Za tsy hoe mpivavaka be an ! fa efa nanehoany ny Voninahiny aho t@ fotoana nieritreretako fa tsy misy an'iza an'iza intsony teo akaikiko, dia zaraiko.

:-* :-*

Mitsikia, mirĂ na endrika
k'aza hodianao hita akory
ny fiketokin'ny jaly
ao anatinao ry foko !

Rado



22. ari.malala ( 04/05/2006 06:05)
tiatsara, merci fa tsara b ny conseil nao:-*:-*:-*
23. tisera ( 23/05/2006 12:49)
Tena marina ilay hoe : ny roa aza efa sarotra ny mitaiza mainka fa raha irery . Fa dia mila fitiavana be dia be mihitsy aloha mba hampanginana ny ambom-po diso tafahoatra izay mahatonga ny andaniny na ny ankilany hanaratsy ilay reny na ray : io no tena fadiana fa dia ilay milaza ny marina am-pitiavana sy @ teny voalanjalanja no tena zava-dehibe : ary indrindra matoky ny Ray ambony fa Izy efa nanome toky : " fa ny zanako sy ny asan'ny tanako diq qoka ho adidiko ihany"!:D:D
24. ninimalala ( 09/06/2006 03:26)
Ny any azoko ambara dia ireto manaraka ireto :
- Mahereza fa efa miantra @ tena io de tsy maintsy zakaina, tsy azonao omena ny hafa fa anao
- Ataovy ao andoha foana hoe : Tsy misy fanomezana tsara indrindra nomen'Atra ahy teto an-tany afa tsy ireo taranaka ireo, noho izany tsy maintsy mitovy @ rehetra ireo ary tsy maintsy tafita
- Tsapako ny fahasarotana saingy tsy misy ohatran'ny milaza ny marina fa izy zaza hia lehibe no handinika sy hitsara ny mety sy ny tsy mety @ farany.
- Marina avoko ny voalazan'ny namana teo aloha : Fa ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany
Soleil : aza kivy ambony ihany fa vitan'ny hafa ve tsy ho vitanao, mahatoky anao aho e!

Mba tantanona ry Raiko
Zato lalan-janakao
Ny mifidy toa tsy aiko
Ka maniry indrindra Anao

Moa diso ny safidiko
Raha nandroso ka nakao
Sa ty lala-nofinidiko
Dia tsy ilay voasoratrao

Nefa fa ra tsy izay no didy
Namboarinao ho ahy
Amboary ny safidy
Sy ny ratrako am-panahy

Rado

Mirary soa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.8008