FA MANINONA KAY ISIKA GASY NO TSY MANAIKY HOE MAHANTRA ?

1. xxx ( 25/04/2006 10:09)
Mahagaga ! ary maha lasa saina fa ny ankabeazan'ny malagasy dia tezitra refa tenenina hoe mahantra NEFA dia hita fa marina fa MAHANTRA! niteraka resa-be ilay reportage FR3 indray mandeha iry tezitra hatramin'ny ambassadeur eto PARIS ka nandefa taratasy sa dia sanatria ve idiran'ny pôlitika hatramin'izany !!!
-ny SMIG même pas 20 euros
-ny PIB par personne même pas 350 dollar / an.
-taux d'analphabetisation 20%
etc...Jereo ny ataon'ny police ao ROISSY fotsiny in 2 savàna ny gasy (sy ny tany mahantra rehetra)vao mivoaka ny avion sy eo @ PAF or ny amerikanina sy ny japoney nefa tsy mila visa akory...
Mety hisy hiteny indray izao hoe inona ary ny solution dia valiako fotsiny hoe TSY LAHATRA AKORY NY FAHANTRANA !!la pauvreté n'est pas une fatalité...miainga avy any @ mpitondra ny zava-drehetra
novalian'i Fiffi ny 11/06/2006 21:00
2. fasaly ( 25/04/2006 10:53)
zà zao gasy manaiky hoe mahntra tsika gasy kanou!!!!:°):°):°)zay ary ny zava-amisy ka hatao ahoana:°)
3. kala ( 25/04/2006 11:05)
zà ndray de manaiky tanteraka mitry fa mahantra tsika gasy.:(
raha tsy hijery ireo taha ireo fotsiny aza fa ndeha hijery ny momba ny infrastructure misy :-w:-w:-w:-w
izay mana-tsofina (mpitondra) : aoka hihaino
4. vale ( 25/04/2006 11:10)
xxx: zah klou tsy anisany zany eh, zvt efa marina zao ko mbola tsy ekena ihany, f'angaha koa moa manao ratsy raha hoe mahantra(ny gasy) koa hoe menatra ny @ izany?ny fanaovan-dratsy no tokony hahamenatra fa tsy ny hoe "mahantra", tena marina ny anao raha vaky vava miteny an'io eto:wink:

fa izao kosa alou an, raha mitsikera ny mpitondra @zao fotoana ianao dia tsy anisany aho satria ny fitondrana h@ zay mihintsy no efa nisy tsy fihetezany, satria ny manentsina ny lavaka lalina mandritry ny 30taona kosa alou hum! hum! ihany an!:-w
5. Fiffi ( 25/04/2006 11:11)
XXX ve manaiky sa tsy manaiky ?
6. xxx ( 25/04/2006 11:19)
tena manaiky aho fa mahantra na eto FRANTSA aza aho no mipetraka !!
7. xxx ( 25/04/2006 11:21)
Mahantra isika ka! Fa ...
xxx:
Mety hisy hiteny indray izao hoe inona ary ny solution dia valiako fotsiny hoe TSY LAHATRA AKORY NY FAHANTRANA !!la pauvreté n'est pas une fatalité...miainga avy any @ mpitondra ny zava-drehetra
Aaaaaaaaaaaaargh! Fa izaho tsy siora amin'io lazainao farany io miainga avy amin'ny mpitondra ny zava-drehetra. Ny sasany ihany ka ;)
8. Fiffi ( 25/04/2006 11:32)
tsy fantatra intsony koa hoe iza no mitany na izy @ le xxx :wink: ka halay an'iza zah zao ? xxx ve 1 hiany ? tsy araka eh!
Ho valiako hiany na zany aza. "tena manaiky aho fa mahantra na eto FRANTSA aza aho no mipetraka !! fa angaha aloha nisy niteny teo hoe rehefa aty frantsa de..... na rehefa any Dago de.... ? Rehefa resaka hoe ny Malagasy de Malagasy hiany sa tsy zany ?
9. hery ( 25/04/2006 11:40)
Ravalo tsy mahantra - Kanefa Ravalo Malagasy - noho izany ny Malagasy tsy mahantra
10. xxx ( 25/04/2006 11:46)
ra8 dia c'est une aiguille dans une botte de foin !
ny tena mahagaga anie rahery dia tena mal repartie be ny richesse eto DAGO eto e...misy ny gasy manana be sady tia tena(mbà miasà anie i toi @ ireny e) nefa dia misy ny fadirandray ovana nefa ireo fadirandray ovana ireo no majoritaire!!!
11. apache ( 25/04/2006 11:51)
Mialatsiny raha havadiko resaka fivavahana ity afera ity, satria variana any @ tontolon'ny materialy ny ankabeazan'ny Malagasy kanefa tadidio fa "La pauvreté vraie n'est pas dans l'apparence". Fantatr'Andriamanitra ny tokony hataony fa aza mikorapaka amin'izany ianareo. Hendre tsara fotsiny.
12. hery ( 25/04/2006 11:58)
apache> anisan'ny vahoaka mbola mpivavaka ny malagasy fa angamba tsy any no olana kah.
13. 4mimananelatra ( 25/04/2006 12:15)
-Ravalomanana(tiko,mbs,etc...)
-Andriantsitohaina (Virio,Prochimad,Niag..)
-Ramanandraibe(Chocolaterie Robert,Ramanandraibe exportation..)
-Ramanantsoa Charles(Panorama Hotêl...)
-Fohine (Dzama ,Royal spirits)...sns...
ireny dia isan'ireo gasy manana ny atao hoe société familliale .Izy no tompony ary nahay nitsetsitra ny fahorian'ny gasy mpiray tanindrazana matoa miroborobo ,lazaiko aminareo fa mampalahelo ny anaovan'ireo gasy mpanana ireo ny gasy mpiasa ao an!!fa izany hoe tsy manana choix moa ka atao ahoana
14. Herimiafina ( 25/04/2006 13:16)
xxx:

Mahagaga ! ary maha lasa saina fa ny ankabeazan'ny malagasy dia tezitra refa tenenina hoe mahantra NEFA dia hita fa marina fa MAHANTRA! niteraka resa-be ilay reportage FR3 indray mandeha iry tezitra hatramin'ny ambassadeur eto PARIS ka nandefa taratasy sa dia sanatria ve idiran'ny pôlitika hatramin'izany !!!
-ny SMIG même pas 20 euros
-ny PIB par personne même pas 350 dollar / an.
-taux d'analphabetisation 20%
etc...Jereo ny ataon'ny police ao ROISSY fotsiny in 2 savàna ny gasy (sy ny tany mahantra rehetra)vao mivoaka ny avion sy eo @ PAF or ny amerikanina sy ny japoney nefa tsy mila visa akory...
Mety hisy hiteny indray izao hoe inona ary ny solution dia valiako fotsiny hoe TSY LAHATRA AKORY NY FAHANTRANA !!la pauvreté n'est pas une fatalité...miainga avy any @ mpitondra ny zava-drehetra


Mahantra ny malagasy kah, fa tsy ireo zavatra voalaza ireo no hanaovako heo mahatra azy.
Zinona moa izay PIB raha hampidibola informellement daholo ny malagasy ivelomana ka ny 1/3 ny vola miditra ao aminy ihany no declarer-ny ka hikajiana ny PIB.
Mino ve ianareo fa ireny olona mikarama SMIG ireny dai mivelona amin,iny, tsy maintsy manao zavatra hafa izy any ambadika any.

Ary farany, tsy ireo mihintsy no indicateur ny fahantrana amiko, raha tandrenivohitra daholo ny malagazy dia azo ampiasaina ihany ireo, saingy ba jereo koa ny 75% any ambanivohitra izay tsy tafiditra anaty PIB ny ankamaroany, tsy mandray akory na SMIG aza nefa velona. Fa mahantra ny gasy kah, noho ny ataon'ny fanjakana hatramin'izay 1960 izay, miaro seza dia manambitamby ny tandrenivohitra be sitrampo. Fiangarana tsotra izao.

Raha mba misy moa politika lavorary mikasika ny any ambanivohitra, dia mi-grevy ny tandrenivohitra, dia matahotra ny mpitondra dia asaina mandefitra hatrany ny any Ambanivohitra.

Fanamarihana: Ny amerikana ny japoney, sns dia manana accords amin,ny CEE ka tsy mikla visa rehefa ho ao Europe, i Madagasikara sy ny tany sasany dia tsy manana ka tsy maintsy mangataka. :@
15. vale ( 25/04/2006 19:10)
....mahantra moa tsika eh,rehefa miteny hoe "ny malagasy" ange dia ny @ ankapobeny sy ny ara-toekarena fa tsy ny fiainan'ny olona tsirairay e,

ny any @ tany mandroso ohatra antsoina hoe "manankarena" ry zareo nefa misy koa fadiranovana ao aminy fa saingy vitsy an'isa ,

dia ny antsika indray mifamadika @ izay=> ny mahantra maro an'isa noho ny manana:!::( donky azo lazaina fa firenena mahantra i madagasikara:(
16. Fiffi ( 25/04/2006 19:28)
-ny gasy ve no mahantra sa i M/car ?
-mahantra @ inona ?
-tsy mahantra ve ny gasy sa i M/car ?
-tsy mahantra @ inona ?

M/car mahantra , ara-toe-karena ka mahatonga ny gasy ahantra satria be loatra ireo mpitsentsitra.
Tsy mahantra ny gasy satria tia tanindrazana sady tena mbola anisan'ny mpivavaka. harena tena mbola hanan'ny gasy koa ny fifankatiavana , ny fivavahana , ny finoana.
17. mandrindra ( 26/04/2006 07:22)
tsy mahantra isika malagasy, fa misy fahantrana aratoekarena any madagasikara !!
18. Fiffi ( 26/04/2006 09:50)
mahantra ara-toekarena fotsiny.
19. soanja ( 26/04/2006 12:00)
Mahantra ara-toetsaina isika Malagasy (indrindra fa ireo mpitondra hatramin'izay) ary itovizantsika amin'ireo firenena voazanaka-ny Frantsay io, io ihany dia nitondra antsika ho mahantra ara-toekarena. Ny tena ankamaroan'ny Malagasy kosa 80% dia mbola miampy iray : mahantra ara-pahaizana. Mifampitoy ireo dia iodikondina eo. Fehiny Mahantra tanteraka ny gasy. i Madagasikara tany kosa manakarena.
20. jamala ( 26/04/2006 12:38)
Mahantra ihany isika ka raha ny eo @lafiny vola any anaty poketra no jerena^^ tsy afakamividy zay mba tiana satria tsy ampy ny vola tsy afaka mankany @dokotera satria tsy ampy vola tsy afaka hanao :oops:cours satria tsy ampy ny vola sns sns raha tsorina nefa tsy azo atao loatra dia mahantra aho ,mahantra ilay namako maniry te hanao cour de compta zay sy ilay namako te ho any @ dokotera satria tapaka sy namana :oops:
tsy mamely ny defaitisme ka samia mitraka ny vola kely any @nao no ataovy zay tokony ho azony fa aza sahirana8-) ka tsy misy tsinona aza terena i neny hitady fa izay eo ihany aloha
Ary ny bla bla bla:-D aoka tsy hisy intsony fa vao maika mannambany ny morale n ny troupe sy ny bandy kely:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.18