FA MANINONA KAY ISIKA GASY NO TSY MANAIKY HOE MAHANTRA ?

21. Fiffi ( 26/04/2006 13:29)
fa be dia be no ahazahoana manao ny klasifikation an'i M/car sy ny Malagasy raha resaka fahantrana no hatao.
22. Herimiafina ( 26/04/2006 17:19)
Ny olana amiko dia tsy any amin'ny hoe mahantra sa tsy mahantra fa kosa any amin'ny hoe: fa inoan mihintsy no tadiavin'ny ankamaroan'ny malagasy e.

Tsy manana angady dia milaza fa mahantra, omena angady avy eo de milaza mbola mahantra satria tsy mahatakatra traktera, omena tractera indray dai mitady limousine dia milaza ho mahatra foana.

Reflexe normale io satria ny fandrosona tsy processus linéaire na manaraka etapy velively fa processus circulaire na tourbillonaire mihintsy aza ary isan'andro dia miovaova ny filana.

Le besoin de developpement est relatif.

Maharaka an'izany fiovana lava izany ve nefa ny Politika entina mampandroso! Any no olana! tsy misy hahavita hanao izany politika circulaire sy evolutive izany raha tsy bandy mafy loha manao didy jadona eo anatrehan'ny demokrasia. :-D
23. Fiffi ( 27/04/2006 04:35)
Tsy manana angady dia milaza fa mahantra, omena angady avy eo de milaza mbola mahantra satria tsy mahatakatra traktera, omena tractera indray dai mitady limousine dia milaza ho mahatra foana.
marina aloha izany an! satria tsy mba mahay mihonina fa mba tokony hihetsika @ izay mba hanana aloha fa na izany kosa aza ve dia hiandry izay hanana limousine ? :wink:
24. cutie ( 27/04/2006 09:15)
le toe-tsaina ngamba no fahantrana:(
25. vale ( 27/04/2006 12:20)
Hoy i Fiffi> "ny malagasy ve no mahantra, sa i madagasikara?"

I madagasikara dia tsy tany mahantra velively satria manana harena natoraly be dia be,sady manana velaran-tany lehibe azo vokarina!!!!

isika malagasy kosa dia mahantra!!(@ ankapobeany io wa an!)

Zaho aloha ry mpametraka ny sujet ery ambony io dia manaiky fa mahantra isika malagasy, jereo fotsiny ireto trosa be miavovona @ i madagasikara eh?

Tsy mahamenatra ahy valively ny mihaiky fa mahantra aho satria malagasy, izay no izy ko atao akory!8)
26. Herimiafina ( 27/04/2006 18:15)
Faly aho anefa milaza aminareo fa tsy ny "toetsaina " velively araka ny efa voalaza foana no mahatonga an'izao sy izao fahoriana rehetra izao.

Ny Fotsy hoditra taloha no nisaina toa izanys aingy efa nitsiny ny baolina satria hita taty aorian rehefa natsangana ny PNUD sy ny tariny ka teraka ny antsoina hoe SOciologie du développement sy Économie de développement fa tsy "resaka toe-tsaina" no mahatonga ny fahantrana.

Miaiky ry zareo fa rehefa tsy hitany ny fika nentina nampandroso ny tany mahantra sy colonies dia mody natony hoe Toetsaina no mahatonga izany.

Olona milavo lefona no miteny an'ireny satria izany "toetsaina izany" tsy misy methode scientifiquement valable afahana mandrefy azy sy manitsy azy.

Ny olona mbola miheritreritra hanova toetsaina matetika dia mbola ao anatin'ny ancienne education Frantsay tamin'ny andron,ny fanjanahantany izay niheritreritra fa ny mainty dia SAUVAGE daholo ka mila beazina.

Vaha-olana:
-Dingana lehibe iray ny fanekena fa rehefa tsy mitovy amin,ny toetsainao ny toetsain'ny olona sasany dia tsy voatery ambany noho ny anao foana na ratsy noho ny anao.
-Rehefa vita izany dia afaka miheritreritra zavatra afahana mampifandraika izany toetsaina izany amin'ny fandrosoana amin'izay isika.

"Ny tsara sy mety aminao tsy voatery ho tsara amin'ny hafa, ary raha tsy mandray izany izy dia tsy midika fa ratsy ny toetsainy". :@
27. fijo ( 27/04/2006 21:13)
mahantra isika,ekena izay,fa raha izay no entina analikana antsika,dia laviko.ka io fanalikana io,no tsy tantin'ny gasy tamin'ilay fandaharana tao amin'ny F3.
toa ny frantsay ihany koa izay menatra sy tsy manaiky rehefa lazain'ny amerikanina fa,tsy manaja ny zon'olom belona.
nefa ny fikambanana miaro ny zon'olombelona izay ,nanao fitsidihana ,ny tranomaizina taty dia vaky vava,fa tena efa tsy izy mihintsy intsony arytsy misy izany fanajana ny zon'olombelona izany ,amin'ny gadra frantsay.
28. fijo ( 27/04/2006 21:14)
dia tahaka ny amerianina koa,rehefa lazaina izy fa tsy manaja ny lalana sy ny zon'olombelona ao guantanamo sy ny faritra sasany izay ampiasain'ny CIA;
29. rhevinilsen ( 27/04/2006 22:30)
4mimananelatra:

-Ravalomanana(tiko,mbs,etc...)
-Andriantsitohaina (Virio,Prochimad,Niag..)
-Ramanandraibe(Chocolaterie Robert,Ramanandraibe exportation..)
-Ramanantsoa Charles(Panorama Hotêl...)
-Fohine (Dzama ,Royal spirits)...sns...


manankarena ireo @ gasy fa tsy mbola manankarena raha @ zao tontolo zao, tsy 1/1000 fananan'i bill gates akoriny. ka noho izany malahelo aho milaza aminareo fa na R8 aza mbola mahantra. tsy mbola manana yacht perso ho azy akoriny izy, na fokker F28 jet privé ho azy, fa mbola mitavandra air force 1 an'firenena malagasy. nefa misy chef d'entreprise tsy manankarena be loatra akory USA na Europe manana anzany

ka tsy hitako mits ny proble fa samia manaiky daholo fa mahantra tsika eeeee

raha amidy sy tombanana daholo aza io nosy madagasikara manontolo io, misy mahavidy ireo mpanana any USA sy Europe reo ( tsy mila hoe ny volan'fireneny akoriny aza no mividy azy fa operateur tokana de mahavidy azy)

fa ny amaranako azy kosa de raisiko hoe nampahantraina isika, na koa hoe tsy haintsika ny nanome valeur ny harentsika (jereo anie ohatrinn no ividianandry lerony ny saphir aty amintsika??? hoatran'ny vidina sandwich any @ macdo ny vidina 10g)

tsika zany le manaiky ambakaina e

ka ry zareo reo no nametraka ny fitsipidalao rehetra ka, na hanao tsika hanaraka anzay, na midongy tsi hilalao hoatran' ikoto e.

manaiky tsika fa mahantra;
fa tsy manaiky tsika ny ho 4mi mandrakizay
ze hanao de ndao hiaraka aminay e lol :^):^)



30. fijo ( 30/04/2006 18:21)
ka le manana tsy azo jerena sahala amin'io.
ny jerena dia ny fananana arakarak'ilay misy anao.
mijaly ve ireo olona ireo any mada???sa miavaka amin'ny fiarahamonina ny fiainany.iza no jerena
31. xxx ( 14/05/2006 15:42)
Tsy ny Malagasy tsirairay angamba no mahantra, fa Firenena mahantra isika raha eo @ lafiny PIB,PNB, qualité de la vie, izay hoe raha ireo indicateurs no jerena.
Fa raha hoe ny tenanay manokana aloha dia tsy mahantra e!
32. Fiffi ( 15/05/2006 04:38)
xxx: inona aloha n zavatra hiriana mihoatr'izany ?
33. cutie ( 16/05/2006 23:49)
ny malagasy @ ankapobeny mahantra fa misy ihany ny vitsy mpanan-karena. Dikan'zany mahantra ihany Madagasikara.
34. LazaRandri ( 16/05/2006 23:51)
hery:
anisan'ny vahoaka mbola mpivavaka ny malagasy fa angamba tsy any no olana kah.

tena azonao antoka ve? sao dia mamita-tena? hahaha


35. fijo ( 17/05/2006 20:46)
azavao tsara le hevitra e.
36. Fiffi ( 18/05/2006 05:53)
[IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Hum.../U_THIN%7E1.GIF[/IMG]
37. xxx ( 01/06/2006 07:56)
iza ko no lazain'lah mahatra leaza! zay aloh tsy mahatra zany na tsy mandray 20€ ary. anay refa mikaly sy mitafy d zay fa tsy mahatra zany fa mety nareo no mahatra angamba:-D
38. Fiffi ( 01/06/2006 08:06)
samy manana ny fandraisany momba an'io mahantra io re eh! fa tsy misy mitovy.
39. mamps ( 10/06/2006 20:06)
za gasy manaiky fa mahantra donc arrête tous le monde n'est pas forcement comme toi. et ne generalise pas car chacun est bien different au cas où tu l'aurais oublier.
40. Fiffi ( 11/06/2006 04:45)
iza anefa no tsy mahafantatra an'izany ? (tout le monde) (tout)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3632