Tsy fahadisoan'ny mpitondra

1. lapino ( 24/04/2006 21:06)
"Tsia, tsy fahadisoan'ny mpitondra fa fahadisoan'ny vahoaka ny tsy fandrosoana." Hadihadio sy fakafakao.

Raha izany moa no laza adina amin'ny bac, ahoana angaha no mety ho hevitry ny ankizy e?! Ary isika tsy manala bac, ahoana no hevitsika?
novalian'i marozevo ny 12/05/2006 21:35
2. Lejim ( 24/04/2006 21:22)
dia maninona no tonga dia atondraka be any @ vahoaka ny fadisoana iarahana mizara ity. Izay no avaliko azy!
Na i Lafrantsa nanjanaka aza, mbola manana ny anjara rasany koa!
3. Ragadona ( 24/04/2006 23:18)
Ka raha miankina amin ny vahoaka irery ihany ny mampandroso na tsy mampandroso azy dia tsy misy ilana mpitondra zany(tsy misy ny raison d'etre ny), dia tsy misy "antony" ihany koa ny tolona natao hatramin izay ka nanovana ny mpitondra ...... Misy ny antony avy amin ny vahoaka fa amin ny maha mpitondra ny mpitondra dia tsy maintsy hoe izy no tompon andraikitra voalohany satria matoa manao zavatra tsy ahafahany mandroso ny vahoaka dia satria, na tsy mahay manampy azy handroso ny mpitondra nofidiny hanampy azy, na ihany koa vao maika manosika azy hihemotra amin ny fomba samihafa
4. Fiffi ( 25/04/2006 03:46)
ahoana moa no hilazana hoe "tsy fahadisoan'ny mpitondra ny fandrosoana?
-raha tsy misy ny mpitondra dia asa izay mvba fiainana.
-ny mpitondra , arakin'ny maha-mpitondra azy dia manana ny andraikiny izy
-raha tsy misy ny mpitondra , tsy hisy ny lalana ka dia ho baranahany daholo izao fiainana izao , eny na dia hoe misy tokoa aza ny mpandika lalana fa ireo lalana ireo dia avy @ mpitondra
Noho izany: raha mandika ny lalana ny olona dia nohon'ny mpitondra hiany satria:
-tsy misy fanaraha-maso ny lalana hataon'ny mpitondra
-mahay mitondra ve aloha ny mpitondra ?
-raha tsy mahay mitondra ny mpitondra , @ fomba ahoana moa no hanarahan'ny olona izay lalana ?
Tsy ny vahoaka izany no diso raha tsy mandroso ny firenena , misy hadisoana hiany nefa fa io dia miankina @ mpitondra hiany , rehefa tsy mety ny fitondrana dia mazava ho azy fa tsy ho hety koa ny fandrosoana.
5. faly ( 25/04/2006 04:23)
Aoka ho dinihina ny tantara: Notsetsefin'ny mpanjanaka isika sady nozarazarainy ka nitondra takaitra htramin'ny mpanao pôlitika.Ity farany de lasa tia tena ka raha mahazo fitondrana dia manao busness; satria koa mora ny manao corruption internationally rehefa tonga eo. Dia mbola faly ihany ny vazaha fa manana namana hanamora ny fitsetsefany ny harentsika hatrany izy.Ny vahoaka dia adala tsy mahalala na inona na inona satria tsy ampahalalana na ampitahorina na efa very fanahy mbôla vel..
Efa tsy misy intsony ny fitiavan-tanindrazana fa aleon'ny mpilalao pôlitika mibizna, eny fa na ny tanindrazana mihitsy aza no amidy mora.
De fahadisoan'iza àry,?
6. ravakamalala ( 25/04/2006 08:41)
izao fotsiny :
"ohatran ny fiarakodia i Madagasikara, tsy mety mandeha ilay fiara, fa maninona? mipetraka ny fanontaniana :
- tsy mahay mitondra fiara ve ny mpamily?
- simba ve ilay fiarakodia?
- sa ny mpandeha no mbola tsy tapa kevitra ny handeha fa ilaozana misahotaka amin ny tsy fantatro?

raha ny fijeriko d samy manana ny andraikiny sy ny anjara asany!
7. jentilisa ( 25/04/2006 13:04)
Ny mpitondra sy ny vahoaka:
Efa fahavoazan-tsain'ny olona amin'izao fotoana izao ny mihevitra fa ny mpitondra na ny solontenany dia ny manampahefana ihany no tompon'andraikitra. Vokany: Rehefa tsy misy pôlisy ny lalana dia samy manao izay tiany daholo ny olona amin'ny fahadalana an-dalana rehetra. Raha misy ny olona no miteny amin'ny ara-dalàna izay ataon'ny sasany ka tsy eo ny mpitondra dia lazaina fa miseho milay iny olona iny...Vokany: mihamanjaka kokoa ny baranahiny.An'iza ny tsiny amin'izay fotoana izay?
8. apache ( 25/04/2006 13:10)
Marina mihintsy ny voalazanao miainga avy any amin' ireo ambony indrindra ny fampandrosoana. Manaraka ho azy fotsiny avy eo ny an-tana-tohatra ambiny hatrany @ vahoaka madinika. Saingy raha mbola manjaka ny fitiavan-tena sy ny tsy filaminana ao ambonimbony ao, afaka hanao inona moa ny isika madinika ?!!



9. xxx ( 26/04/2006 21:43)
Tsy fahadisoan'iza velively io zavatra io fa fanahiniana napetrak'i Lafrantsa, voalohany indrindra hanapotehina ny merina ary avy eo dia ny malagasy rehetra tsisy avakavaka sy ny toekarena miaraka @izany.
10. lamie ( 27/04/2006 12:40)
ny tena tadiavin'i lafrantsa ange ka ny hiverenan'i Mada colonie-ny indray e, raha tsy zany ve sakanana daholo zay gasy te hivoaka? tsy ny merina irery fa Mada tanteraka, ny mampalahelo dia ny orin'asa rehetra: exportation io, ny vahiny daholo no mitrandaka azy ireo, air mad aza lasan'ny allemands, inona sisa no fananan'ny gasy???zay manana projet ka mila credit dia tsy mahazo fa manofy eo e! raha vao vahiny anefa no mangataka? avy dia mahazo, mampalahelo e!!!
11. rhevinilsen ( 27/04/2006 22:13)
TSy haiko zany, fa nokaramaina reo hampandroso sy hampandeha ny raharaha eto @ firenena e!!!! Fa tsy natao gardien hiandry trano ao Iavoloha. Ka ra tsy tafavoakany ny asany de aleo miala ndray hidiran'zay mahay manao azy e.
Refa hita fa tsy possible le fandrosoana koa de aleo tsy manao kobaka ambava sy mandainga mamahandalitra, mba samy mpivavaka daholo ihany. Aleo manao hoatran'i Zafy "programo tsy misy"; ny azy ny marina no lazainy. Tsy haiko fa ny isika malagasy tsy mahazaka zavatra marina fa de miolakolaka gauche droite.
Tsy france mits ny probl fa tsika tsy mahay mitantana ny harentsika sy ny firenentsika e "Point final".
Iza moa no tsy nanenina t@ fanonganana an'i Tsiranana e, reny mba realiste, tsis olona hahazo tombony ho azy samirery zany fa tsy maintsy misy fifanakalozana io samy mba mahazo tombony kely. ny firenena any ivelany tsy hifampiraharaha aminao raha tsy mba ahitany tombony koa, zay le hoe commerce e.
Tsika tonga de miseho mahavita azy ery!! miseho ho mahay zv de refa avy eo mande mpangataka atsy sy eroa, ampifilafilain'ol amin'volany.
Raha nisaina aza ny mpitondra raha te hahita stabilité monetaire sy financiere de niditra CFA refa hiala Franc ihany. Iza no antenaintsika hanampy antsika hanarina ny volantsika Ariary io zao ohatra???
Il y a 5 ans io 1000 fmg = 1 FF. De aza miteny hoe ny grevy teto nisesy no nahatonga an'io fihenan'sandambola io!!!! misy nanao io mba hahabebe kokoa ny tombony azony @ exportation. misy mivavaka ne any ho any mba hidinanio hatrany hatrany hatrany e

de aleo zany samy hihinan'tadiny eto hihihi

12. naughtyboy ( 28/04/2006 09:27)
Ravakamalala>io fiara io zao no sary akaiky ndrindra anjarany mpamily no mampilaza ny zvmitranga @ mpandeha ny andraikiny sy ny tsirairay ao anaty fiara,aiza no itondrany ireo zay nifidy azy raha tsy vonona ny hanosika le fiara @ toerana hafa mba ampandroso ny dia ny tsirairay de mazava ho azy fa haka aina fotsiny ny mpamily anisa ny sarandalana teo @ io toerana io ,antsika no maminany ny ambiny .alaina @ reo mpandeha ny zony afantarany ny andraikiny ary fahanana lainga marivo tototra we notolorana trosa endrika vaovao hanatsarana
sehatra tsy mety .Ny rafitra,paikady,fanalalahana ny fahefana mba tsy ho eo antanan\'olombitsy fahaiza-mitantana ara-toekarena ny fianarana mba refa miatsara reo de hizotra tsara ny dia ny tsy azo adino de fitiavantena ihany no olana manakana an\'io ka ra tsy afaka le we tombotsoany tena manokana de
mbola tavela foana eo@ toerana eo efa taona maro le fiarantsika sao mba mivadika ny rasa otran\'ireo sinoa tsy ela zay nandrobaka ny varotra eropeana
@ textile andro 1 any..
13. fijo ( 28/04/2006 18:44)
jentilisa no hitako mahalaza ny zavatra misy.
misy filoha taty ivelany taty nilaza hoe:"ampio aho ry vahoaka,fa tsy fireneko izaho samy irery ity"

izany hoe ny fandehan'ny fitondrana dia izao raha atao tsotsotra.

ny vahoaka mifidy izay heveriny ho solontenany mahavita mitondra.
io solontena io,dia manao ny rafitra ankapobeany,tokony hizorana amin'ny fampandrosoana.
saingy,io rafitra io,dia tsy handeha na oviana na oviana,raha tsy ireo nifidy azy no vonona hanatanteraka sy hanao izay hampandeha ilay rafitra.

izany hoe tsy hisy fandrosoana raha tsy misy fiaraha mientan'ny mpitondra sy ny vahoaka.ka eo no misy olana any amintsika
14. lapino ( 28/04/2006 18:50)
ravakamalala, tsy azoko tsara ilay fanoharana nataonao:
- iza no mpamily?
- iza no olona entina?
- iza no fiara?

Ao anaty fiara manko, tsy mandray anjara amin'ny fampandrosoana an'ilay fiara mihitsy ny olona entina, fa mipetraka manavesatra fotsiny. Avy eo mimenomenona amin'ny mpamily raha misy olana ny dia. Loza raha ny vahoaka no ilay olona entina kle!!!

Momba ilay fiara indray, na i Schumacher aza no mpamily, fa 2CV ny fiara, tsy misy dikany. Fa raha F1 no asaina entin'dRakoto, dia fahadisoany raha tsy afaka amin'ny hazakazaka. Ka iza anefa no tokony ho moteran'ilay fiara?

15. lapino ( 28/04/2006 18:56)
fijo:
ny vahoaka mifidy izay heveriny ho solontenany mahavita mitondra.

Vao manomboka eo aza, dia efa andraikitry ny vahoaka. Raha ho avy izao ny fifidianana, hisafidy isika. Dia tokony hi-assumer ny safidy izay noraisina avy eo. Ka raha olona tsy mahavita azy no voafidy, dia ny vahoaka ihany ange no nametraka azy teo.

Fa ny olana tsy dia any loatra koa, fa eo amin'ny tena andraikitry ny vahoaka amin'ny fampandrosoana mihitsy. Mahefa adidy ve ny vahoaka, sa victime foana? Satria madinika ve dia miandry fanampiana foana?
16. fijo ( 28/04/2006 19:52)
lapino,ka mifidy aloha,dia manome ilay adidy amin'ilay voafidy.
fa io fanontaniana faharoa io,no tena mila fiheritreretana
17. naughtyboy ( 28/04/2006 20:34)
le voafidy foana no hanana ny hevitra farany hitondrana ireo ankamaroany nifidy
azy,io fahefana io hanapahany hevitra na aviliviliny ny fanantenany vahoaka sy ny safidiny na tsia ,
masahy mandray andraikitra alohan\'ny vahoaka rehetra fa tsy azo atsipitsy fotsiny @ zao fotsiny ny tsiny taona maro zao notratrany io aretin\'ny fanjanahana
zay tsy azo adino olona iray de ampy nahapotika firenena ray fa miaraka ny vahoaka ary matoa mifidy ny olona ray de manantena fiovana fandrosoana milay kokoa ka aza tezitra ra ozy aho we :tsy ny olona mana-tsaina no maory antsika fa mpitondra manantsaina sy mivelampanahy.....
18. fijo ( 29/04/2006 21:14)
manana olona manantsaina isika,saingy matetika izy ireo tsy sahy mandray andraikitra loatra
19. naughtyboy ( 30/04/2006 06:54)
asa aloha raha firy marina no isantsika rehetra ao gasikara ao fa tsaroako tao @ tantara namoaka ilay teny iarahamalala no narahan'asa we " tsy hiamboho adidy aho......." Gal.Ratsimandrava olona maherifo tahak'ireny tokoa no manana fijery lavitra indrisy fa narodana ny fikasany @ fomba tsy mendrika ,tsy matory nefa io fikasany io fa any ampo tsika rehetra any ka samy mieritreritra
20. fijo ( 30/04/2006 17:41)
aza adino ,fa ny fitondrana tsy natao hoan'ny malemy saina.tsy manakiana aho akory sanatria,fa izay no zavamisy.ka raha manana fahalalana sy fahavononana fotsiny,tsy tavela eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0507