Tsy fahadisoan'ny mpitondra
21. naughtyboy
(
30/04/2006 18:37)
marina zany ry fijo an,ny mahavariana de efa miova ny rivotra ny politika erantany fa vitsivitsy sisa reo firenena toa antsika mbola varina @ fiadivana seza sy tombotsoa ary ny vahoaka varina manakina fotsiny, ny firenena lehibe mandroba fotsiny @ fomba mihaja eo varotra ivelany sy ny trosa etsy andaniny
ka ny fandraisan andraikitra no ezaka ilainy tsirairay ary fanamboarana zay tsy mety fa tsy ho lany resaka raha fitsikerana sy fijerena fahadisoana
\"Experience is simply the name we give our mistakes\"Oscar Wilde
misy lesona mbola tsy haintsika tsara de miverimberina ny tantara...

22. vetsoko
(
03/05/2006 15:09)
ASAN'NY MPITONDRA SADY ADIDIN'NY MPITONDRA NY MANAO NY REHETRA HAMPANDROSO NY FIRENENA SY NY VAHOAKA HOENTINY,HAFA NY HOE MPITONDRA DIA HAFA NY HOE VAHOAKA
23. fijo
(
06/05/2006 03:34)
marina fa asany izany,fa ny vahoaka koa dia tokony samy hitady izay mahasoa azy.
24. naej
(
09/05/2006 12:40)
miankina @ mpitondra aloha voalohany ny mampandroso na tsia izay entiny , fa raha ny vahoaka kosa moa miezaka izay mba hampandrosoana ny farim-piaianany manokana nefa voasakan' ny didikofehy lehibe apetraky ny mpitondra afaka handroso ve?
raisiko ohatra raha mba te hanorina trano dia midangana be tsy takatra ny droit de construction alain' ny commune,dia hampanana ny tsy manana ve izany , dia iza no diso ny vahoaka sa ny mpitondra?

25. lapino
(
12/05/2006 07:48)
Ny hoe 'mandroso' amin'ny ara-toekarena, tsy ny PIB sy PNB ve moa no andrefesana azy? Izany hoe ireo valeurs novokarina teo amin'ny firenena?
Anjara asan'iza anefa no mamokatra? Anjaran'ny vahoaka izany. Ny adidin'ny vahoaka dia ny mamokatra betsaka hatrany, ka raha kely ny vokatra, dia ny vahoaka izany no tsy nahefa ny adidiny. Ko tsy fahadisoan'ny vahoaka izay?
Tsy miasa ve ny vahoaka? Tsy marina anefa izay, miasa ny vahoaka ary tena miasa be aza. Fa maninona no tsy mandroso? Asan'omby no atao tsinona?
--> Tsy ny miasa be fotsiny no adidin'ny vahoaka, fa ny misaina ihany koa hoe ahoana no atao mba hampahomby ny asa?
Dia hoe tsy misaina ve izany ny vahoaka miasa? Tsia dia tsia!! Misaina tokoa ny vahoaka, fa tsy dondrina akory. Ka ahoana izany?
--> Manan-tsaina ny vahoaka malagasy, fa toa vitsy no tena mba misahirana mieritreritra, mamorona stratejia hamokarana bebe kokoa. Io tsy fisahiranana hampiasa saina io koa no mahatonga ny fandavana fiovana isankarazany. Ny saina anefa tena ananana tokoa, fa tsy tena miasa amin'ny tokony ho dôziny. Ko tsy fahadisoan'ny vahoaka ve izany?
--> Manan-tsaina ny vahoaka fa tsy ampy fahalalana. Firy isanjaton'ny zaza malagasy izao no mandia sekoly? Ka fahadisoan'iza raha tsy mianatra ny zaza? Tsy fahadisoan'ny vahoaka ihany ve?
Efa betsaka ny sekoly miparitaka, SFF isam-pokontany, SAFF isam-piraisana, Lycee isam-pivondronana ary Oniversite isam-paritany. Fahadisoan'ny mpitondra ve izany?
Mpitsitsy vola ny gasy. Inona moa no mba vola hihodina eo amin'ny firenena raha samy hamitsaka ny volany any am-paosiny daholo, fa tsy hampiasa an'izany? Ahoana koa moa no fomba hihodinan'ny ekonomia raha ny vahoaka mihitsy no tsy mampihodina ny volany?
Mbola bediabe no azo resahana, fa tairo farany e. Hoe mahay mionona ny gasy. "Atao ahoana moa fa tsy hita e!". Vahoaka tsy te-handroso mihitsy io izany, ka fahadisoan'ny mpitondra ve?

26. sareraka
(
12/05/2006 08:45)
TSIA tsy fahadisoan'ny mpitondra ny mameno paosy raha eto MADAGASIKARA satria :manaiky atao an'izany ny olona tokony izay no tena izy
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY?
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY?
27. marozevo
(
12/05/2006 21:35)
Taitra tao i sareraka (antenaina ho tena izy), ka nitranga ihany na voalaza aza fa tsy hita tato mihitsy ihany.
Mangataka an'i sareraka mba hanome porofo milaza fa mameno paosy ny mpitondra ankehitriny. Raha tsy misy porofo dia heveriko fa fanalana baraka mpitondra izany ka raha tamin'ny andron'ilay raikalahy taloha, dia mendrika fidirana am-ponja.
Marina fa mafy ny tolona amin'ny fahantrana, nefa heveriko fa mandaingabe izay sahy milaza fa tsy ahitana endrim-pandrosoana mihitsy any Madagasikara amin'izao fotoana izao.