Teny Malagasy: Lahy sy Vavy

1. pissoa ( 24/04/2006 05:14)
Nisy niteny izaho hoe rehefa olombelona ony no resahina dia lehilahy sy vehivavy no fiteny, fa rehefa biby no resahina no atao hoe lahy na vavy.

Misy afaka manamarina ve na manadiso izy io. Izany hoe ilay mpahay teny Malagasy izany e.

Misaotra.
novalian'i pissoa ny 29/04/2006 08:53
2. jentilisa ( 24/04/2006 05:37)
Ka mety avy amin'ny hoe ilay lahy sy ny hoe viavy izany hoe avy...izay voasoratra ao amin'ny baiboly ihany manao hoe taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ihany!
3. vancleef ( 24/04/2006 05:44)
lehilahy, vehivavy : substantif
lahy, vavy : adjectif
alikalahy, alikavavy : substantif
4. Fiffi ( 24/04/2006 05:52)
de hoe kisoa vavy sy kisoa lahy zany ?
5. vancleef ( 24/04/2006 06:17)
dia sahala any hoe ankizy vavy ankizy lahy ary rehefa hoe ankizy fotsiny dia épicène (terme générique qui désigne le mâle et la femelle d'une espèce). Ohatra korisa saovaly nefa misy saovaly vavy, saovaly lahy sy saovaly tapaka @'ilay izy
6. kiali ( 24/04/2006 07:54)
ouaii! tsy mazava amiko zany resaka zany fa aleo mijery forum afa!
7. pissoa ( 24/04/2006 12:15)
jentilisa sy vancleef, misaotra!

vancleef, dia inona indray koa izany soavaly tapaka :roll::roll:
8. lapino ( 24/04/2006 12:48)
pissoa, soavaly vositra angamba izany soavaly tapaka @'ilay izy :)

Ny lehilahy izany olona lahy, ary ny vehivavy olona vavy. Mazava amiko hatreo. Fa ny fanontaniako indray dia hoe: Ahoana no hamaritana ny atao hoe "lahy" sy ny atao hoe "vavy"?

Na amin'ny zavamaniry aza manko misy hoe "lahy" sy "vavy" (zavamaniry "dioïques") toy ny coco (raha tsy diso aho). Avy amin'ny hoe: "lahimbony" sy "vavimbony" angamba io. Ka maninona no "lahy" sy "vavy"?

Amin'ny teny malagasy aloha ny zavamanan'aina ihany no misy lahy sy vavy. Fa amin'ny teny vahiny hafa, toy ny teny frantsay, na ny zavatra aza dia anavahana ny masculin sy féminin. Tsy "lahy" sy "vavy" ihany ve moa izany? Ka maninona ary ny latabatra sy ny varavarana no "vavy", fa ny penina sy ny rantsan-tanana no "lahy". (Na ny fivaviana aza "lahy" amin'ny teny frantsay.)

Ka ny teny malagasy ve no misy tsy lojika amin'izay, sa ny teny vahiny no misy superflu? :roll::roll:
9. pissoa ( 24/04/2006 13:08)
lapino:
pissoa, soavaly vositra angamba izany soavaly tapaka @'ilay izy
Hay marina izany. Misaotra e :)
10. Herimiafina ( 26/04/2006 17:05)
pissoa:

Nisy niteny izaho hoe rehefa olombelona ony no resahina dia lehilahy sy vehivavy no fiteny, fa rehefa biby no resahina no atao hoe lahy na vavy.

Misy afaka manamarina ve na manadiso izy io. Izany hoe ilay mpahay teny Malagasy izany e.

Misaotra.

Ny olombelona anie ka biby ihany e! Saingy manantsaina fotsiny!

Règne: Animal
Embranchement: Chordés
Classe: Mammifères
Ordre: Primates
Famille: Hominidés
Genre: Homo
Espèce: sapiens



11. lapino ( 26/04/2006 17:43)
Genre: Homo

Misy dia ho faly izao ny :twisted::twisted::twisted: any! :wink:
12. pissoa ( 26/04/2006 18:25)
Herimiafina:
Ny olombelona anie ka biby ihany e! Saingy manantsaina fotsiny!
Ie :)

lapino =))=))=))
Tsy hoe faly zah io fa ianao indray no mampihomehy ahy :wink:
13. lapino ( 27/04/2006 02:40)
Pissoa, fa maninn anefa moa raha faly ndry e? Tsy izany aza no tadiavina? :wink:
Mahana ihany hoa ny :-w e! :D
14. pissoa ( 27/04/2006 06:01)
Dain kooooo :? Elah ihany no niteny teo hoe :twisted::twisted::twisted: izay faly kooooo! Inn zao no :-w:-w am'zany?
15. lapino ( 27/04/2006 10:29)
Za kosa tsy niteny an'zany e! :)
16. pissoa ( 27/04/2006 11:39)
Hihihi, tsy hainy akory kay izay teneniny :roll::roll:

Oops, tsy haiko akory mantsy no tiako nosoratana teo e :lol::lol:
17. Herimiafina ( 27/04/2006 14:26)
Miady re izy mitsam ny farany klé! Ny lahy sy vavy anie tsy miady ry zareo fa mifankatia fotsiny e! hehehehe=))=))=))=))
18. pissoa ( 27/04/2006 14:37)
Njy ity tsy mahalala olona mody miady mihitsy ry Herimiafina kah :-w
Sa tena miady ve tsika ry lapino :roll::roll:

=))=))
19. Herimiafina ( 27/04/2006 14:50)
Mifankatiava moa fa aza miady izany e! Izay no nanamboarana anareo mba hifankatia klé. hehehehe=))=))
20. pissoa ( 27/04/2006 14:56)
Ka efa hoe izahay tsy miadyyyyy :twisted::twisted:
Izaho sy ianao no hiady eto ny farany an :-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5935