le plus vieux métiers du monde?hono ka hoe...

1. xxx ( 19/04/2006 14:55)
Raha nandinika ianareo dia manomboka roboka ny sasantsasany @ ireo tanora ao DAGO @ ity raharaha manga ity mizara 3 mazava tsara ny tena antony hanaovandry zareo azy:
-noho ny tsy fisiana.
-noho ny rendrarendra sy ny fakam-panahy.
-noho ny ditra sy revy.
Ao koa ny professionnelle manan-karatra ao ny amatrices sy tsy ampy taona.

Ny tena mampalahelo anefa dia maro ny mbola tsy conscientes @ ireo aretina maro azo avy @ firaisana fa dia iarahana daholo na karàna na gasy na vazaha na ny sinoa na ny afrikanina...Ny zavatra tena tsikaritra koa dia presque olona efa manambady daholo ny majoritén'ireo clients na ny fixes na ny occasionnels .

Asa izy ity ry zareo fa dia mila fitandremana ihany angamba ity hamôlamolàna ity sao vidian-dafo sao efa manakaiky ny rangolahy vao tonga saina hoe tahak'izay !!Ny nenina hono tsy ao aloha fa ao aoriana handàtsa àry ny mahay rano ihany no maty an-dràno!!
http://www.madanight.com/madagascar-photo-20402.htm
novalian'i pitchou ny 27/04/2006 16:58
2. Fiffi ( 19/04/2006 15:18)
ka inona hono no azo hatao @ fiadiana an'io eh ?
3. tiatsara ( 19/04/2006 16:24)
Ireto ny ahy ny hitako fa mety :
- mandefa horonan-tsary tena atao teny gasy mihitsy, ireny tena CHOQUANTS ireny mihitsy eny @ toerana fiandrasandry zareo clients ireny, grand écran, azon'ny gasy henoina na tsy mahay manoratra sy mamaky teny aza izy : milaza ny vokatrin'ny firaisana ara-nofo tsy misy fimailo ;

- misava izay mana-karatra, ampy taona, sy tsia ; raha vao misy zaza tsy ampy taona tratra, dia saziana amponja ny ray amandreniny fa tsy mahara-maso, na mandefa azy ireny mihitsy ;

- asiana taranja matotra, mipaika ati-doha mafy ( frappant ) any an-dakilasy, eo @ kilasy efa tokony hahazaka azy an ! mikasika ty resaka firaisana ity : diapo, miampy teny gasy, miampy olona gasy efa victime ;

- asiana fanaraha-maso hentitra toy ny hananganana ny bianco io mihitsy ny famatsiam-bolam-pirenena mikasika ny MST sy ny SIDA, fa toa tsy mandaitra akory kale, zesta ny an'ny sasany no betsaka ; zay tratra tsy mampiasa vola @ tokony ho izy, gadraina.

- mba misy malagasy efa victime mba sahy mijoro, hananatra sy hijoro vavolombelona, anatra ho an'ny ao afara ;

- zay mba ray amandreny mbola afaka mifehy, manampy ny zanany, manazava, indrindra mifanakalo hevitra dia mandany fotoana maromaro @ izany dinika izany mba hahafantaran'ny tanora ny loza miandry azy raha mibolila izy.

Tapitra !:^)
4. diamondra27 ( 19/04/2006 16:55)
tahaka an'ireto ve

http://www.w3sh.com/archives/2005/08/campagne_pub_ch.html


5. diamondra27 ( 19/04/2006 16:56)
Ny tiana hambara @io dia hoe: raha maha-koditra anao io biby io de mihoatra lavitra noho io ny atao hoe:virus SIDA izay tokony hatahorana
6. diamondra27 ( 19/04/2006 16:59)
SIDA= Saino Ihany ny Didin'Andriamanitra

SIDA= Syndrôme pour Décourager les Amoureux
7. Fiffi ( 19/04/2006 17:07)
sao dia tokony hatao any @ RESAK'OLONDEHIBE ity :?:
8. 4mimananelatra ( 19/04/2006 17:09)
Satria Isika Dia Adala
Sipa Iray ihany Dia Ampy
ny eritreritro indray dia tsotra ny hanafoanana na hampihénana lanja io fivarotan-tena io
na ny tolotra na ny tinady(offre et demande) ny iray @ ireo no foanana jereo ohatra ny lalàna SARKOZY momba ny racollage,
tsy mila mitady zavatra betsaka :-P
9. Fiffi ( 19/04/2006 17:09)
tsy mety kosa aloha raha eto no hasiana ity dinika ity indrindra fa ireo sary ireo an! fa tokony any @ resak'olondehibe eh :!::!::!::!:
10. diamondra27 ( 19/04/2006 17:17)
fiffi: non non kosa e! nahoana no ferana tahaka izany kosa io, campagne momba ny SIDA nge io e! ka ao anatin'izany na ny adolescents na adultes no tiana hampitaina ny images.

Raha tsy mahita an'izao kosa izy de tsy hatahotra sa ahoana?

Sao de manana phobie kosa ary njy?
11. xxx ( 19/04/2006 17:28)
Mpamosavy sy makorelina
be devoly mpanelingelina
mpamosavy milalao ody
mpivaro-tena mivaro-b..
izao re no izy e izao re ry lahy
mbà mitandréma ihany isika lehilahy oooo
aza variana na miadaladala
ka ho fatifaty foana @ hamôlana ooo

ka ho antsika izay manan-tsaina
ialao lavitra toy ny daina!!!:-D:-D
12. Fiffi ( 19/04/2006 17:30)
diamondra: an3 akia an! tsy hoe manana phobie akia zah fa hitako manko fa misy ankizy tena mbola kely mihintsy manaraka sy mamaky forum eto an! dia mba miheritreritra aho hoe asa fa toa tsy mety ireny raha hitan'ny ankizy fa tena tsy misy idiran'ny phobie mihintsy akia an!
13. diamondra27 ( 20/04/2006 04:45)
De ataovy ary 'zay fantatrareo fa mety e!
Ny ahy manko io dia famaliana ny hatak'ilay namana etsy ambony nangataka horonantsary choquants.
Samy manana ny fomba fitaizana tokoa moa ka atao ahoana e! libre ny tsirairay.

Fa aiza akia no ahitanjy fa misy zaza mbola kely mi-surf eto? Ary firy taona eo ny tranche d'âge?

Ny zaza ange tsy azo ferana intsony izao e! ny interdit efa ilaozan'ny toetrandro fa ny éducation sy ny fanomezana azy responsabilité indray izao no mahomby. Amin'ny ankapobeny io lazaiko io an. Raha mi-surf eto ve ny ados de tsy hahita any ho any izy sary hafa rehefa tsy eo imasonao?
Io sary io anefa matoa natao campagne momba ny SIDA de mba anehoana indrindra ny maha dangereux an'ilay virus , sa le olona no jerenao?
14. Fiffi ( 20/04/2006 05:12)
diamondra: marina aloha ny andry hoe tsy azo sakanana ny ados hijery site an! ary fantatro koa fa mijery sy mikaroka daholo izy ireo , fiainana daholo izany , ary marina koa fa hoe miankina @ education'ny ankizy koa izany , marina koa fa tsara ny fampitana ny fiharovana ny haretina , ekeko daholo akia izany rehetra izany an! ary mbola haveriko eto indray fa tsy misy idiran'ny hoe misy na manana phobie ho ahy zany saingy zah aloha nahita ary mahita mihintsy ankizy , tena mbola ankizy kely mihintsy izay hatoron'ny mamany hoe mandehana mamaky forum fa @ teny gasy daholo ny ao mba hampitombo ny fahaizany hiteny gasy sy hanoratra , dia eto ny halehany , zaza vao 9 taona io lazaiko io an! dia noho io no mahatonga ahy miteny hoe sao dia hatao any @ resak'olondehibe ilay izy , na izany aza dia mihombon-kevitra @ ndry aho hoe tsara izao nohon'ny fampitana ny fitandremana ny haretina.
Ka dia hialako tsiny @ ndry zany noho ireo zavatra nolazaiko ireo. Misaotra.
15. Fiffi ( 20/04/2006 08:01)
diamondra: :-*:-*:-*:-*:-*
16. kiali ( 20/04/2006 10:50)
aingon'ny tanana reny eh!!
17. Fiffi ( 20/04/2006 12:34)
ny......... :?:
18. diamondra27 ( 20/04/2006 13:41)
fiffi: le tiako lazaina @ le oe phobie ange de oe: sao de matahotra le ala mainty be njy e!

efa milamina moa ny @iny e!:-*:-*:-*:-*
19. pitchou ( 20/04/2006 16:49)
sô kosa aza ny mety d ny lehilahy no entanina mafy tsy handende ? satria raha varotra no ataon'le sipa refa tsisy mpividy io mikatona ho azy ny orinasa! sa ahoana hozy nareo?
20. Fiffi ( 20/04/2006 17:02)
diamondra: :):) :-*:-*:-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6279