ADIN'NY MPIVADY, NOTSINDROMINY ANTSY NY ZANANY 3 TAONA

1. tiatsara ( 19/04/2006 14:00)
Mahonena, mahamenatra, tsy mampino :
androany no nisehoan'izany tantara mampalahelo izany : niady izy mivady, nentin-drangahy rainy niteraka azy ilay zazalahy kely 3 taona tsy manantsiny, rehefa natory dia notsindrominy antsy ny fony, nivoaka tany @ lamosiny.

Fahaverezan-tsaina ve, sa fahambanian-tsaina, sa inona, tsy mety ho voalazako ny antony, fa marary ny fiaraha-monina malagasy.

Tokony haverina ny peine de mort ho an'ny olona toy izany. Sa ahoana ny hevitrareo ?
2. petsambava ( 19/04/2006 14:16)
porofo fa mafy ny fiainana!!!
vao omaly koa no hitako t@ gazety fa nisy ramatoa saika hamono ho faty ny zanany :oops:
3. tiatsara ( 19/04/2006 14:37)
Nisarahan-dravehivavy hono izy satria mifandany andro eny ihany, ny zaza efa 3 taona, nefa na fomba aza tsy mbola vita, dia tsy nety niverina intsony ilay vehivavy, nangataka ralehilahy hono fa tsy nety intsony ilay madame ; dia androany nentiny ny zanak'i ry zareo, tsy nisy nanampo hoe ataony inona ;
ilay zaza efa voatsindrony antsy vao fantatrin'ny reniny.
4. vintsy ( 19/04/2006 15:04)



Ny azoko ambara
Tsy hoe zavatra manao ahoana loatra ve de tokony hanaovana fihatsika mamoafady toy zany
mety hoe misy zavatra hafa ankoatra an'io . mety ho mamo na nifoka zavatra hafa ilay rangahy fa tsy tokony ho vitany zany raha normal izy t@ io fotoanaa io. Asa na ny hevitro
5. Fiffi ( 19/04/2006 15:06)
tonga dia peine de mort no sahaza an'olona tahak'izao fa tsy hasiana tolérance mihintsy!
6. tiatsara ( 19/04/2006 15:18)
Tsy misy mahalala azy aloha hoe nihinana inona na nifoka inona, fa ny hita dia izao, intentionnel na fanahy iniana, efa nomanina ilay zavatra ho atao.

Dia alohan'ny nifohany na nihinanany zavatra ve ? raha ataontsika hoe izay no nanosika azy nahavitany an'izao dia tsy nahatodika ny iray t@ ireto ve izy, iray fotsiny ihany hoy aho :
- tsikin'ilay zanany, na feony niantso azy hoe : papa
- vehivavy isankarazany eny @ arabe, mba hampitodika azy hoe : raha iny no very, itony mbola bobaka be.

Za raha nanao LALANA, dia anisan'ny nataoko ho an'ireto olona ireto ny peine de mort : ny mpanolana zaza, ny mpamono vehivavy, ny mpamono zanaka toy izao.
7. Fiffi ( 19/04/2006 15:54)
8. vale ( 19/04/2006 20:28)
8O efa olona tsy normal intsony izany fa efa very ny "raison" ny, mila fitsaboana kely any @ hôpitaly psykiatrika!!!!zanakao izao ve dia hovonoina na dia hatezerana otran'inona aza? "hadalàna" izany, fahaverezan-tsaina..
9. hajubru ( 20/04/2006 05:04)
Tsy fantatra aloha izay tena nitranga tao e ! mety hoe efa sahirana ry zareo nefa ramatoa mbola nihodina dia izay no hevitra hitany fa mety na zavatra afa koa azo heritreretina daholo izany fa tsy misy afaka manome tsiny azy, amintsika aloha indrindra fa eo @ maha malagasy dia heloka be vava izany fa aminy izay niharan'ny zavatra (mety ho mafy taminy ny zavatra nitranga) dia lalana iray mety hampihena ny fanaintainany na hampiheritreritra ny vadiny raha tena efa tsy tantiny intsony no nataon'ilay ramatoa izany dia nataony asa aloha fa mba vinavina ny ahy.
10. Fiffi ( 20/04/2006 05:25)
tsy ny adihady na ny famakivakiana ny hoe inona no zavatra nahatonga an'io olona io nanao an'io fihetsika io no olana satria tsy misy mahafantatra izay fandehan-javatra tany fa ny tena olana dia ny fisahiana namono olona tahak'izao .
Na dia mafy tokoa aza ve ny fiainana dia mahatonga hanaovan-zavatra tahak'izao ? dia mamono mihintsy tsy tahotra tsy henatra fa dia lasa ...... mampalahelo eh! :(
11. diamondra27 ( 20/04/2006 05:39)
:( eo ihany fa tokony mba hiaro tena le vhv satria tsy tonga de namono tahaka izao io lhl io fa siora aho fa alohan'ny nanaovana izany de efa mba nanao antso izy fa zany hoe: tsy ni-passer ilay appel=communication de lasa action le izy @ farany.

eo @olona iray dia misy ny besoin; raha tsy tanteraka izany besoin izany= tsy satisfait de lasa frustré le olona, angoissé arymiafara @ izao zavatra nataony izao. Fa io olona io anefa efa niresaka t@vadiny izao fa tsy nihaino azy ny vadiny, de ny solution hitany fa mety de maka le objet de satisfaction= le zaza , maha -jaloux azy de @izay samy tsy manana na izy na ny vadiny...
Mampalahelo fa raha sendra ny toa izao de mila fantarina mialoha ihany ny toetran'ilay lhl de tokony ni-protéger le ramatoa ....
12. Fiffi ( 20/04/2006 05:52)
Mampalahelo fa raha sendra ny toa izao de mila fantarina mialoha ihany ny toetran'ilay lhl de tokony ni-protéger le ramatoa ....
marina akia ny andry ry diamondra an! saingy ny toetran'ny olona koa anie mihovahova foana eh! androany miramirana , ny ampitso tsy hay intsony , asa re raha izany no azo lazaina hoe voan'ny "grain de folie" ve ?
13. diamondra27 ( 20/04/2006 06:29)
fiffi: io akia matoa niafara t@io de efa nisy ny disadisa taloha a!

ady ny mpivady hono, ieuuu, de siora za fa nisy jalousie tao sns... fa de tany @ le zaza no niantefany

raha manampotoana za de alefako eto ny lesona momba ny besoins
14. Fiffi ( 20/04/2006 08:16)
diamondra: alefaso akia an! fa mba aoka zany mba hitandrina fa tena tsy hay intsony an!
15. sarobidy ( 20/04/2006 08:16)
Taitra keli mihitsy a ry zareo nahita an'ty vao² ity sady gaga we misy olona ve mahafoy ny menaki ny ainy zay efa novolavolaina sy nokarakaraina tsara noho ny fitiavan-tena ôtr'zany??? Amiko manokana mila mitsabo saina ilay rangahy fa tsy normal tsony satri efa voadonan'le fahadisoam-panantenana ao anatiny izy.De samy gadraina any daholo izy mivady !!!!
16. Fiffi ( 20/04/2006 08:19)
indrisy fa dia misy tokoa ny olona tahak'izao an! fa ny tena mampalahelo dia ireo ankizy tsy manantsiny!
17. eh ( 20/04/2006 08:44)
tena olona tsy normal marina izany ê! ary mendrika ny hidina ary gadraina mandrapahafaty fa tsy vonoina kosa fa isika tsy tompon'ny aina ê! fa tena maharikoriko b alo ny nataony ê!! na ny biby aza tsy manao izany!!
18. mamy23 ( 20/04/2006 09:22)
Atao ahoana fa efa leon'ny fiainana ao aminy izy e! Mba te-hiaina any @ izany tsiafahy na Ambany atsinanana na any nosilava izany izy e!
Tsy adala anie ny ntaolo nanao hoe : "Izy mivady no miady dia ny ankizy no voaporiporitra", "Ny tendrom-po tsy mba namana". mahavita zava-mamoafady ny olona iray rehefa voadona.
19. Fiffi ( 20/04/2006 09:29)
fa tsy tokony ny ankizy no hiharan'ny hadalana!
20. mamy23 ( 20/04/2006 10:00)
Ka tsy izao anie no nisy io zavatra io fa hatry ny ela e!Dia ahoana ary no fomba hialana @ izany e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4889