tratry ny paka

21. mimiso ( 17/04/2006 08:16)
De ho tratrin'ny @ manaraka indray e!!!:lol::lol:
22. Fiffi ( 17/04/2006 18:18)
misaotra eh! :-*:-*:-*:-* de torak'izany koa!
23. marozevo ( 17/04/2006 23:11)
dadabe > Na nahatratra roapolo kilometatra aza ny fanazavana nentinao dia izahay kosa tsy manaiky an'izany eh.. Ny Paka dia ny fandresena ny fahafatesana fa tsy ny fahafatesana fotsiny.

ACHIA > Iza no nanoratra io boky io, hoy ianao ? Ny boky rehetra na inona na inona dia OLOMBELONA daholo no nanoratra azy, fa tsy nisy Andriamanitra nanoratra mivantana na anjely na zava-boahary hafa.
24. Fiffi ( 18/04/2006 05:28)
marozevo: tonga soa indray ianao :) fa na mahery na tsy hita maso aza ny halavana dia tsy miova hevitra @ io aho
dadabe: aminao zany ohaviana no NITSANGANAN'NY TOMPO ? sa maty Izy dia nalevina dia tsy NITSANGANA intsony ?
25. bichette ( 18/04/2006 05:40)
:-D
26. Fiffi ( 18/04/2006 05:53)
:roll: ka tsy arako mihintsy ity zavatra lazain'i dadabe io ko!
27. marozevo ( 18/04/2006 12:23)
Ho an'i dadabe, raha azoko tsara ny fanazavany hatrizay, dia tsy misy ny fitsanganan-kovelon'i Kristy. Raha azoko ho'aho ilay fanazavany hatrizay. Mety ho diso ny fahazoako azy, ka raha diso tokoa aho, dia miala tsiny amin'i dadabe.
Eo indrindra no tsy mahamety ilay ady hevitra satria ny sasany mino ny fitsanganan-ko velona, ny sasany tsy mino.
28. Fiffi ( 19/04/2006 04:33)
fa ny mba tiako fantarina fotsiny dia rahoviana ary Jesos no tafatsangana ry dadabe ?
29. mandalo ( 19/04/2006 16:44)
samy manana ny fijerin\'ny baiboly ary samy manana koa ny fandraisana sy ny fampiharany izany ami n\'ny fiainany, tsy misy mitoky tena ho iry no marina na ny anareo no diso fa tsy maintsy miainga amin\'ny fototra ihany isika ary mangataka ny fanahy masina hampazava ny marina amintsika. vakio ny 1 cor 15 manontolo fa manazava ny fitsanganan\'i Jesosy tamin\'ny maty ary ny fitsanganana hiseho hoan\'ireo izay manaraka Azy.
Mazava ny tenin\'i Paoly fa raha tsy nitsangana tamin\'ny maty i Jesosy dia foana ny toriteniny ary foana arak\'izany koa ny finoantsika an\'i jesosy ka stsy haiko izay tian\'i dadabe tenenina amin\'ny heviny fa izao tsy naharaka tsara.
ny mety azo andraisana ny fijeriny izay manome lanja ny fijaliany sy ny fahafatesan\'i Jesosy (fomba fijery katolika) izay tsy manafoana ny fitsanganany velively (ny fijery protestanta dia manindrahindra ny mahazava-dehibe ny fitsanganany (jereo tsara ny hazo fijaliana fa tsy eo intsony Jesosy fa ny an\'ny katolika dia mbola mifantsika eo i Kristy ;entiny milaza fa tena nijaly hoantsika tokoa ny Tompo);.
sao dia mba izay fijery izay notian\'i dadabe hambara fa tsy manafoana ny fitsanganan\'i jesosy akory i dadabe. Izy irery ihany no afaka mamaly izany fa isika rehetra miezaka mianatra ny tena marina.
Efa nitsangan ny Tompo ary efa vita ny famonjena; izay no tena marina :anao sisa ny safidy na hino na tsia, efa natao eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana : anjaranao sisa na hihinana na hiandry laoka (det 30:15-20)
30. marozevo ( 19/04/2006 20:03)
Nisy loharanon-kevitra izay hitako tamina konferansy, ary nanaitra ahy kely.
"Ny Evanjely efatra sy ny Testamenta vaovao dia samy milaza ny fitsanganan-ko velona. Ny tsindrim-peo kosa anefa dia arakaraky ny mpanoratra... i Joany dia mametraka tsindraim-peo mafy amin'ny fijaliana sy fahafatesana, satria ho azy dia nanamarika ny fiainany io, izy irery no mpianatra tena nahita maso ny fijaliana sy ny fahafatesana, fa ny sisa moa nitsoaka tamin'io fotoana io. Ho an'ny mpanoratra hafa kosa dia ny
31. Fiffi ( 20/04/2006 06:20)
marozevo: inona aloha izany hoe "tsindrim-peo" ?
Ary ilay konferansy ve anaty boky na gazety no tsy ahafahanao manao jereo eto ?
32. marozevo ( 20/04/2006 14:30)
Tsindrim-peo ve ? Tsy haiko izay tena hanazavana azy, fa raha lazaina amin'ny teny fohifohy dia angamba hoe ny hevitra tiany hasongadina indrindra.

Ilay konferansy sady tsy boky no tsy gazety fa resaka na dinika natao - Konferansy eh !
33. Fiffi ( 21/04/2006 09:34)
marozevo: mazava @ zay ka! :) fa io konferansy io zany dia hadika na soratana zay vao mety raha izany!
34. marozevo ( 21/04/2006 20:27)
Fa ny havanao tsy naharay naoty an-tsipirihiny ka tsy nahazo ilay konferansy- Konferansy tany am-pianaranay anie izany e.
35. Fiffi ( 25/04/2006 19:40)
marozevo: zay vao mazava .
36. marozevo ( 27/04/2006 20:55)
Ka sady izao koa eh... ilay konferansy tsy tena io loha hevitra lazaintsika io, fa teboka kely tao anatiny tao fotsiny ilay fanamarihana nolazaiko.
Io konferansy io no mandany ny andro eh--- Ny tsy fananana mahazaka maniraka.
37. Fiffi ( 28/04/2006 05:42)
Tratry ny Paska hoy ny nandefa ny dinika: "nandalo izy de niserana" de tsy hita intsony .
38. marozevo ( 28/04/2006 14:26)
Eny ho'aho !... Tokony mba ho nanao veloma izy eh ?
39. Fiffi ( 29/04/2006 06:26)
fa enganie ka handalo eto izy de ho gaga isika satria koa anisanny fahagagana daholo izay zavatra rehetra.
40. marozevo ( 30/04/2006 08:37)
Zay le nolazaiko tary !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.144