Felaka raozy

1. dragon2madagascar ( 12/04/2006 06:51)
Salama e!
Misy dinidinika momba ny fiaraha-monina karana sy Malagasy ao @ takelaka http://dragon2madagascar.over-blog.com/ ho an'izay liana @'izany.
Veloma e!
novalian'i Fiffi ny 15/04/2006 03:21
2. Fiffi ( 12/04/2006 07:03)
=D=D=D=D=D=D misaotra anao an! fa ity misy indro kely : Hoatra, mianatra teny karana @’zay tsy voambaka intsony na voa-fosa imaso imaso.dadany kosa aloha io an!
3. jentilisa ( 12/04/2006 07:26)
m'sotra e!
4. kiadytsilaitra ( 12/04/2006 07:38)
=D=Do^o=Do^o=D=D

fiffi> tsy dia azoko loatra ny tianao tenenina amin'ilay hoe ito misy indro kely. Mety hiova tokoa anie ny lanjan'ny fifandraisana raha mahay teny karana (na mahazo fotsiny fa tsy voatery miteny) ny malagasy e.

Fa tena lanina tokoa aloha ilay hoe "Hoatra, mianatra teny karana @’zay tsy voambaka intsony na voa-fosa imaso imaso"
Ny tiany dragona tenenina ve dia hoe :
- karana tsara fanahy sy tena tia gasy ilay farouka ka milaza hatramin'ny fombafomba tsy mety fanaon'ny iray firazanana aminy?
- sa tonga amin'ilay hoe adidin'ny mpino silamo no mampiely ny finoany sy ny fombafombany ka aratony hianatra ny teniny ny malagasy :?::{

Lalina ka =D
5. Fiffi ( 12/04/2006 07:47)
ny tiako lazaina @ io dia izao: hay va re eh! tena mpanambaka ny gasy mihintsy ire karana sady be fosa ny gasy ka!
6. diamondra27 ( 12/04/2006 07:54)
ka teny karana misy maro fa inona le izy pakistanais sa sri lankais sa inona no ianarana?

De aiza no mianatra an'izany
7. kiadytsilaitra ( 12/04/2006 08:00)
fiffi> hay ve zay no tianao lazaina e.

Fantatrareo ve fa ny akamaroan'ny mpiasa an-tranon'ny karana dia tsy antsoiny amin'ny anarany fa ataony hoe "Marie" daholo:lol:. Amin'izay hono masimasina dia tsy mangalatra no mora tadidy:roll:. Ry lerony manko misolo sol'fa matetitetika fa tsy dia mahatamana olona amin'ny fitondrany.

8. kiadytsilaitra ( 12/04/2006 08:05)
diamondra27:

ka teny karana misy maro fa inona le izy pakistanais sa sri lankais sa inona no ianarana?

De aiza no mianatra an'izany



Atao daholo izay vita ka. Fa eo ny mahafetsy an-dry lerony satria tsy misy sekoly azo hianarana an'izany aty aminy tanana. Tsika koa tsy rotitra sy tsy mitady ny hisiany hatrizay. Ao @ arabo-lybianina etsy behoririka zao no toa misy fa tsy ilay karana manao Kem'tso! (dika-teny malalaka: K'aiza!) no ao.
9. Fiffi ( 12/04/2006 08:14)
kay ve tena difotrin'ny ireny vahiny isan-karazany zany ve dago sa ??????
10. dragon2madagascar ( 12/04/2006 08:28)
Fiffi:

kay ve tena difotrin'ny ireny vahiny isan-karazany zany ve dago sa ??????


Ny hoe difitra aloha tsy aiko fa ataoko fa toy ny tanana rehetra eran-tany, misy mpiavy karazany maromaro: fotsy, mainty, mena, mavo, manga sns. Ny indro fotsiny aty @-tsika dia @ ankapobehiny dia ny mpiavy hatrany no milaitra ny mamy indrindra dia ny manana no mitsetsitra misy tsirony ary ny vahoaka malagasy mifika ny ambony :( Ny toe-javatra tsy hiova ho azy fa anjaran-tsika no mampivoatr'azy koa manaova izay vita fa efa tsara noho ny tsy nanao e!
Mankasitraka ireo izay mpitsidika ny Malagasy Poli-zika hatrany :wink:

11. Fiffi ( 12/04/2006 11:17)
ka izay indrindra manko no nolazaiko hoe difotrin'ny vahiny satria mitsentsitra loatra , mampalahelo ny gasy .
12. cutie ( 12/04/2006 12:05)
za aloha tsy hianatra teny karana zany e :roll:
13. Fiffi ( 12/04/2006 12:07)
zah koa aloha an!
14. fijo ( 12/04/2006 21:28)
za raha vao karana izany dia "out".amiko ny OPK dia tokony atao matetika mihintsy.
15. Fiffi ( 13/04/2006 04:16)
hatraty io an!
16. routa ( 13/04/2006 04:40)
andray ry reto nareo kosa e!
17. Fiffi ( 13/04/2006 05:09)
routa: fa ahoana kay ?
18. kiadytsilaitra ( 13/04/2006 05:49)
fijo:

za raha vao karana izany dia "out".amiko ny OPK dia tokony atao matetika mihintsy.

:/ ary raha ny saina no ampiasaina fa tsy ny sandry?
Toa efa natao mantsy ilay OPK fa tsy nanova zavatra firy. Mety milay kokoa angamba raha atao fotsiny izay hi-controlena indray ny economie amin'ny fomba milamina : lalana, fianarana, fiasana mafy, sy mba fetsifetsy koa fa tsy misanana be fotsiny.


19. Fiffi ( 13/04/2006 05:54)
ka mba mijaly kosa anie ny gasy haton'ireo karana ireo eh!
20. Fiffi ( 13/04/2006 08:46)
Araben’Antananarivo : Karana manampatra fahefana.

Fahasahiana tanteraka ny an’ity tompon-trano, izay sahy namefy ny lalana tokony handehanan’ireo mpandeha an-tongotra, ao anatin’ny fokontany FIATA.

Tsy misy tsy vaky vava na loa-bolana izay rehetra mandalo eto amin’ity toerana ity. Etsy Isotry, amin’iny lalana midina avy eo Isotry Atsinanana hiazo ny tsenaben’Isotry iny no misy, an’izao sary izao. Trano vita raitra tokoa, indrindra raha miohatra amin’ny manodidina, ary azo ambara fa tsy ho natao antsokosoko fa tsy maintsy ho nahazo alalana tamin’ny tompon’andraikitra eto amin’ny tanànan’Antananarivo. Dia sanatria ve, hoy izay rehetra mandalo, ka efa azo amidy mbamin’ny sisin-dalana sa fanjakan’ny baroa ny eto ka samy mamaritra an’izay tiany ? Tsy ara-dalàna kosa aloha izao, fa hatrizay dia sisin-dalana fizoran’ny mpandeha an-tongotra ny faritra hitantsika amin’ny sary io, nefa ankehitriny dia voatery midina any anaty lalana ny mpandalo. Efa ho iray volana mahery no toy izao ny zava-misy ety aminay, hoy ireo mponina manodidina izay tafaresaka taminay. Raha olon-kafa hoy ireo mpitazana no nanao tahaka izao, dia efa avy ny tompon’andraikitra mahefa mandray fanapahan-kevitra. Teratany karana no tompon’ity trano, araka ny filazan’ireo manodidina. Ny fanontaniana manitikitika dia hoe ; « matoa izy afaka nanao izao zavatra izao dia nisy ny mpanome alalana ». Ny teny tsy afaka ao am-bavan’ ny ben’ny tanàna matetika, dia ny mba ho filamatry ny tanana’ Antananarivo. Fa raha izao no mitohy dia ho lasa, ho tompony mangataka atiny sisa ny vahoaka malagasy.
Alain Michel La Gazette de la Grande Ile.

kiadytsilaitra; dia ahona hono io ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.293