mandrebireby ra-jodasy

21. zatoarivo ( 11/04/2006 11:02)
Ka tsy efa ra-Jodasy ve no ambadik'izao ping-pong be izao e!!!!:lol::-D(l)
22. Fiffi ( 11/04/2006 13:40)
asa aloha an! fa dia adaboka zany dia hasiana :) de ampy eh!
23. marozevo ( 11/04/2006 18:11)
Tsy dia olana raha adaboka aza ity loha hevitra ity ka. Nefa sao mbola mahasoa ny namana hafa ve dia ...
24. Fiffi ( 12/04/2006 04:36)
marozevo: marina ny anao :)
25. zatoarivo ( 12/04/2006 12:03)
Ka ahoana ary e...
26. Fiffi ( 12/04/2006 12:04)
ka ahoana ahoana aloha zany ? :roll:
27. zatoarivo ( 12/04/2006 12:56)
Ka i Fiffi anie efa milaza fa marina ny an marozevo e Dia ahoana ny hanizana azy:^):-D
Sa... misy hevitra hafa ny tenanay mantsy izao vao niditra serasera ka dia miarahaba anreo rehetra ary e!!!:D:-*
28. Fiffi ( 12/04/2006 13:02)
29. rabeflorian ( 13/04/2006 09:38)
ehSao variana amin'ny ady hevitra tsy misy farany ary toa tsy mampandroso raha ny marina ny akamaroantsika. Aza adinoana fa efa antomotra ny fotoana efa ho avy Jesosy ka moa efa vonona ve isika rehetra?
FANAZAVANA:raha ao anaty trano iray lehibe izay mirehitra ary hianjera tsy ho ela ianao nefa tsy misy lalana hivoahanao afa tsy iray ihany, moa mbola hitady lalankafa ve ianao? na hanontany tena lava hoe inona no hatao? sa hanao andraso andraso lava izao? ny ora sy fotoana ianjeran'ilay trano anefa tsy fantatrao fa ny azo anotoka dia tsy maintsy ho tonga izany na ho ela na ho haingana. Koa sao variana re fa efa antomotra ny fotoana , tsy maintsy ho rva izao tontolo izao, fa mialohan'izay ho avy Jesosy haka ny Azy ho any Aminy fa izay rehetra nandà Azy na lany andro tamin'ny zavatra hafa dia ho very mandrakizay! aza ela ary isika mandray ilay "issue de secours" tokana ary satria mbola misy ny fotoana dia taomy hanaraka anao izay olona fantatrao rehetra eny na dia ny fahavalonao aza. Izany no tokony andaniana ny fotoana sisa fa tsy adi-hevitra intsony!!!
30. Fiffi ( 14/04/2006 06:27)
ehSao variana amin'ny ady hevitra tsy misy farany ary toa tsy mampandroso raha ny marina ny akamaroantsika.
nefa dia tsy handroso na tsy ho afaka hanampy ny hafa mba handroso raha tsy misy ny adi-hevitra.
Izany no tokony andaniana ny fotoana sisa fa tsy adi-hevitra intsony!!!
amiko aloha dia tsy misy fandanihana fotoana mihintsy raha toa ka ny momba ny adi-hevitra momba ny fitarihana na ny fahavaloko aza hoy ianao eto. Handany fotoana tokoa aho @ adi-hevitra ary tsy ho tanisako mihintsy ny fotoana izay laniko raha toa ka hanampy ny hafa mba hizoran'izy ireo ahita io "seule issue de secours" lazainao io an! ary hanohy hatrany ny zavatra efa natomboko ka nahitako valintsoa t@ fiainako sy ny fivavahako sy ny finoako ny fandanihako andro @ adi-hevitra ka raha ahazahoan'ny hafa fahafaham-po na dia kely monja aza . Fa mino aho fa zava-dehibe raha toa nisy nahazo an'izany na dia kely aza.
31. Fiffi ( 14/04/2006 06:37)
Ary koa tsy ny fandaniako andro @ adi-hevitra izay hisotomako, eny hatramin'ny fahavaloko aza andehanana ao @ io "issue de secours" no ahavery na hianjeran'io trano may io eo amiko fa ny Tompo eo anilako lalandava "
Jehova no mpiandry ahy
Tsy hanan-zava-mahory aho.....

Eny na dia mandeha mamaky ny lohasaha alokin'ny fahafatesana aza aho , dia tsy ahatahotra ny loza aho fa Ianao no amiko.
32. marozevo ( 17/04/2006 23:25)
Ka ny olana anie ry Rabeflorian dia izao eh... Misy tsy mety manaiky fa io varavarana atoronao sy efa iaraha-mahita io no lalana mivoaka. Ry zalahy misy mitady hitsambikina eny ambaravaran-kely angamba, na hidina any ambany lakavy, na hiakatra any amin'ny galità.
33. Fiffi ( 18/04/2006 05:38)
raha hitady laln-kafa izy hivoahana dia tsy misy finoana izany satria : Eny na dia mandeha mamaky ny lohasaha alokin'ny fahafatesana aza aho , dia tsy ahatahotra ny loza aho fa Ianao no amiko. tsy fantany zany io .
34. marozevo ( 18/04/2006 12:33)
Mbola maro noho io lazainao io aza no tsy fantany kooo.... Raha toa tokoa anie ka samy efa nahalala dia tsy ho nilaina akory ny fitoriana eh... Tsy ho nilaina akory ity fifanakalozan-kevitra ity...

Maniraka anareo aho, hoy i Jesoa, mandehana...
Mandehana mitoria ny Vaovao Mahafaly...

Izany no ezahintsika eto isan'andro isan'ora, ka tsy sanatria latsaina izay tsy mahalala fa toroana. Raha tsy mihaino moa izy... ho afaka ho aiza isika. Raha mihaino kosa izy, tsy ahy na anao ny voninahitra, fa an'Andriamanitra irery ihany.
35. Fiffi ( 19/04/2006 04:47)
Maniraka anareo aho, hoy i Jesoa, mandehana...
Mandehana mitoria ny Vaovao Mahafaly...
des pecheurs d'hommes .
marozevo: an3 kosa an! tsy hisy handatsa izay tsy mahalala kosa aloha an! fa raha toa izy ka tsy mihaino , Andriamanitra hiany mahafantatra ny soa nanaovantsika t@ fitarihana fa na izany koa aza dia tsy hataontsika mahakivy antsika izany ! :):)
36. marozevo ( 19/04/2006 09:38)
Raha ny amin'ny hoe "kivy" kosa aloha tsy misy eh. Raha kivy efa ela no niala teto. Ny fisian'ny fifanakalozan-kevitra mafanafana ireny indrindra no tena mahatamàna antsika eto.
37. Fiffi ( 19/04/2006 12:18)
izay indrindra satria mangetaheta foana isika eh ?
38. marozevo ( 19/04/2006 20:14)
Aoka hanatona ny Tompo e
Isika izay mangetaheta.

Ka hanovo rano an-kafaliana
Loharanom-pamonjena tsy mba ritra.
39. Fiffi ( 20/04/2006 06:48)
ny zavatra mba mahagaga ahy kosa dia maro dia maro isika ato @ forum , saingy raha resaka fivavahana sy finoana dia vitsy isika no miady hevitra @ izany. Nefa tena mba tsara ny fahafantarana ny hevitrin'ny rehetra , mampitombo hatrany ny hetaheta ka hanantona hatrany ny Tompo , nefa moa samy manana sy manao izay tiany ny tsirairay ka tsy hanomezan-tsiny azy izany. Na izany kosa aza dia azoko lazaina aloha fa tena nanampy be dia be tokoa ny fanadihadihana nataontsika teto hatramin'izay ka hatramin'izao ary enganie a hitohy hatrany izany fa fahasoavana ny azo.
40. marozevo ( 20/04/2006 14:36)
Izaho manokana ry Fiffi, dia mitsitaitaika fotsiny aho any amin'ny loha hevitra hafa ivelan'ity FINOANA SY FIVAVAHANA ity. Eto aho no tena mamely mafy satria tsapako fa tena mitondra fahasoavana ho ahy izy ity, ary tsy ho ahy irery fa ho an'ny namako sy ny andraikitro koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3699