Fanabeazana sa taona no maha-matotra?

1. LazaRandri ( 07/04/2006 02:12)
Tsikaritro fa tsy miankina amin'ny taona ny fahamatoran'ny vehivavy fa miankina amin'ny ambaratongam-pianarana vitany. Ireo nandia ambaratonga lavidavitra dia manana projet de vie matotra kokoa noho ireo tsy dia lasa lavitra tamin'ny fianarana. Ny tanora dokotera ohatra (na ny ... toa an'i cutie, hahaha) dia matotra sy manana vision tsara kokoa noho ny styliste sy ny mannequin (na dia bebe taona aza).

Ahoana indray ny mikasika ny lehilahy? (tsy azo atao ohatra i herimiafina, hahaha)
novalian'i cutie ny 02/05/2006 20:51
2. Fiffi ( 07/04/2006 04:03)
tsy miankina amin'ny taona ny fahamatoran'ny vehivavy fa miankina amin'ny ambaratongam-pianarana vitany. Ireo nandia ambaratonga lavidavitra dia manana projet de vie matotra kokoa noho ireo tsy dia lasa lavitra tamin'ny fianarana.
tsy dia mihombon-kevitra @ nao aho an! zany hoe misy sokajiny 2 zany ny resaka fahamatorana azo lazaina aloha.
Ao ireo vhv mbola tsy nahavita fianarana lavitra nefa efa tena matotra tokoa , io mety arakin'ny nitaizana azy , misy ny vhv "intelligent" matotra nefa tsy mbola lavitra ny fianarany. Tsy natokana ho an'ny olona lasa ambony @ fianarany hiany koa anefa no mahamatotra azy.Ireo nandia ambaratonga lavidavitra dia manana projet de vie matotra kokoafa nahoana no natokana ho an'ireo nandia ambaratonga lavidavitra ny hananana ny projet de vie matotra ? Raha tsy lasa lavitra zany dia tsy afaka manana na manao projet de vie matotra ve ?
3. LazaRandri ( 07/04/2006 04:08)
Misaotra anao ranabavy fa dia possibilite misy koa izay. Ary ahoana ny hevitrao momba ny lehilahy?
4. Lejim ( 07/04/2006 04:31)
Raha izay ny cas-n'ny vehivavy, angamba tsy mifanohitra amin'izay koa ny an'ny lehilahy. Sady arakaraka izay zavatra hitan'ny masonao na hainao ny zavatra irinao!
5. cocorie ( 07/04/2006 06:06)
Raha ny fahitako azy dia ny vehivavy no matotra alohan'ny lehilahy @ fiainana rehetra, ary ny famatorana ihany koa dia miankina amin'ny zavatra veçu fa tsy miankina @ fahavitam-pianarana lavitra ihany.

Betsaka ireo olona ambony manam-pahaizana sy nahavita fianarana lavitra nefa tsy matotra @ fitondrana tena, fiainana, sns....

Ndao mba hiezaka ny ho matotra ary isika reto e!
6. pissoa ( 07/04/2006 12:14)
Fa inona nefa no tianareo tenenina amin'ny hoe matotra?

Rehefa miresaka mantsy matetika dia rehefa tsy mitovy fijery amin'ny tena ny olona iray dia sokajiana avy hatrany ao amin'io hoe tsy matotra io :roll::roll: (matetika hoy aho)

Tsy haoro size io an, alohan'ny hitenenana hoe matotra i cutie na tsy matotra i Herimiafina :wink: dia tokony atao mazava tsara hoe inona no tiana holazaina amin'io teny hoe matotra io.
7. mandrindra ( 07/04/2006 12:42)
tena matotra be zany hevitr'i pissoa izany. :D
matotra, andao faritana ary aloha io teny io e. ka ho faritana ao anaty efajoro sa faribolana?:D , oay ôtsan'ny tsy matotsa izany resako izany.
matotra : mety ho olona, mety ho fitondrantena, mety ho hevitra, mety ho dinika, mety ho paika... dia rehefa matotra daholo izy rehetra dia izay no idealy. ny fahamatorana isantsokajiny dia tsy ary hitovy daholo.
8. soleil ( 07/04/2006 13:05)

Na ny fanabeazana na ny taona tsy mamaritra velively ny atao hoe matotra ary sokajy maro sy sehatra maro no azo ijerena izany , na izany anefa amin'ny ankapobeny , ny vehivavy araka ny voalaza teo ambony manana fisainana hafa kokoa noho ny lehilahy samy mitovy taona aminy


9. pissoa ( 07/04/2006 13:07)
mandrindra, tsy matotra mihitsy ianao ity an :lol:
10. mandrindra ( 07/04/2006 13:31)
ie, ary tsy ho matotra mihintsy mandrakizay :D
11. kiali ( 07/04/2006 17:02)
aleo zah tsy anotanitany fona fa tô ol matotra be daholo ny ato :D:D:D
12. Fiffi ( 08/04/2006 07:50)
aiza kosa eh ?
13. cutie ( 08/04/2006 17:46)
Fanabeazana sa taona no maha-matotra?

ny fanabeazana mazav ahoa zy fa tsy midika we fanabeazana azo tany am-penarana ihany io :wink:
14. Herimiafina ( 08/04/2006 22:11)
Ahan :@:@
Matotra sy tsy matotra? ahan :@:@
matotra ve aloha le size klé, ahan! :@:@
15. Fiffi ( 09/04/2006 04:44)
O! ry Herimiafina ahh!! soloy hehehehe na ahumm ahummm io fa brrrr :-D:-D:-D:-D:-D
16. cutie ( 09/04/2006 15:14)
matotra ve le mifoka:@:@:@:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
17. Herimiafina ( 09/04/2006 16:32)
Atao inona fahamatorana, raha hikaramana de d'accord zah, ahan :@:@
18. cutie ( 09/04/2006 16:51)
tsy matotra zany:P
19. Fiffi ( 10/04/2006 04:05)
aleo zah tsy anotanitany fona fa tô ol matotra be daholo ny ato anontanio akia fa tsy misy an'izany an! fa valiako ndry :)
20. cocorie ( 10/04/2006 13:10)
Marina ny an'i Herimiafina fa raha hitady sôsy de matotra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4275