AMBOHIPO izao sisa ve no niafarany?

41. Maheryandry ( 10/01/2011 08:39)
Salut daholo!
tena marina miitsy io voalazanao io. Tena potika tanteraka ilay Ambohipo fahiny ireny. Simba ny tanana, ny toerana filalaovana ary indrindra ny olona. Tsy misy mifampiraharaha intsony. Ny RAD-nay efa ela be no nipetraka tany . Izaho t@ 1980 no terraka, de mbola any, fa lasa tady ahamenatra zao ny miteny oé mipetraka any. Las be olona loatra sady olona ts mahalala fomba sy mpanimba zavtra daolo. Ny taxi be ny mpivarotra era'ny làlana. Tokony mba hiray hina ny mponina efa ela teny, ary tokony ho féféna ny cité mba tsy hidiran'ny n'imprte qui, fa simba ny tanananay. Ts aiko fa izaho aloha de malahelo satria tsisy fotony intsony le tanana nahalehibe.
naritsimba:

Miarahaba antsika rehetra izay nipetraka teny Ambohipo na taloha na @ izao fotoana.

Izaho dia hatramin'ny fahazazana ka hatramin'izao dia mbola mipetraka eny Ambohipo, nanomboka ny taona 1969.
Tena tanana milamina sy nahafinaritra Ambohipo fahiny, ary tena marina ny voalaza hoe izao sisa. Ny tanana dia miitatra tokoa ary tena marina izany, fa ny loto kosa eh! tsy sanatria akory milaza hoe iza no mandoto, fa tsy tahaka ny taloha intsony, ary ny tena nahatonga izany dia hatramin'ny nisian'ny CITE UNIVERSITAIRE teny Ambohipo dia tena naloto ny tanana, tsy sanatria hanome tsiny be fahatany akory, fa tena misy mihitsy ny tsy fanajana ny fahadiovana ataon'ireo mpianatra mipetraka @ cit� universitaire, maro @ izy ireo no tsy nahay nampiasa kabone fosse septique, na ao ireo fady mampiasa kabone tany @ nisy azy tany dia aleony manao ny ataony eny @ sisiny eny.
Ireny canal fanaovana course kapsily eny dia tsy fahiny ireny ho an'izay nahatsiaro dia efa rano maloto no mameno azy, teo ihany koa ny fanitarana ny cit� Ambohipo izay nataon'ny tompony rehefa lasany ilay trano dia tsy nanara-dalana intsony fa dia samy nanao ny saim-pantany.
Ho anareo izay nipetraka teny taloha dia aza manantena intsony ny hahita an'Ambohipo ho madio izany fa dia tena hoe maloto na dia mijoalajoala aza ny trano.
Tsy hoe fanavakavahana akory sanatria fa dia tena ireo mpianatra mianatra eny Ankatso no tena nanimba ny tanana, sady misy ny mifoka rongony, mpisotro toaka, mivaro-tena, sy ireo hadalana maro samihafa.
Mampalahelo fa raha miteny izany ny tena dia lazaina fa manavakavaka satria ny mpianatra avy any @ faritany no mipetraka @ cit� U fa tsy ny efa mipetraka eto Antananarivo.
Raha misy aminareo nipetraka teny taloha dia afaka mifanoratra amiko, ary afaka manao fotoana isika mba handinihantsika hoe: inona no ataontsika mba hamerenana ny lazan'Ambohipo fahiny na ny fahadiovany, ny fanatanjahan-tena, ny hirahira sns.
Mampalahelo e!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1098