Teny Malay sy Teny Gasy
24. kiali
(
07/04/2006 17:09)
zah aza ve gasy sa ahona ? tsy arako tsony fa samy manome ny heviny daholo ! sô de ba slang zah??? :D:D:D
30. lapino
(
10/05/2006 08:03)
vancleef:
lapino> Toa tsy afrikana ny malagasy, fa tavaratra kle!
Ny tavaratra ange afrikanina ê (africain du Nord) ary misy théorie hoe ny olombelona rehetra avy ao Afrika no niandoany.
Ary ny teny mitovy be indrindra amin'ny teny gasy dia ny hawaien ao @'ny groupe malayo-polynésien
Afrikana tokoa ny tavaratra raha ny ara-jeografika no jerena. Fa raha ny tantarany koa, raha ny fahazoako azy, saika mpifindra monina arabo daholo izy ireo, ary ireo tena tompon-tany (berbères sns) dia ankavitsiana sisa.
Fa ilay nataoko hoe tavaratra, dia noho ilay teny arabo. Tsy lazaina fa tavaratra foana koa moa ny avy any proche- sy moyen-orient ireny?
Raha ny teny akaiky indrindra ny teny malagasy indray, dia ny teny Ma anyan hono. Teny tenenina olona eo amin'ny 70000 isa eo any atsimon'i Borneo. http://alibataatpandesal.com/masaka.html ange misy fampitahana teny vitsivitsy :)
vancleef:
slate : solaitra
pencil : pensily
book : boky
fur : fory
psalm : salamo
jews : jiosy
gentles : jentilisa
Moses : Mosesy
genesis : genesisy
...
Dia ireo tsy milaza fa anglisy ny malagasy ! Ho an'ireo mihevitra fa teny pur ny teny gasy dia dinio tsara fa misy fiavina betsaka malayo-polynésien,latina sy grika (avy @ teny anglisy sy frantsay), arabo, bantou sy swahili. Avis aux traducteurs zélés.
Eo indrindra koa isika izao. Mahantra voambolana ara-teknika ny teny malagasy. Ahoana ary no hevitra hanarenana an'izay hoy ianareo? Izaho manko toa mahita hoe ny fandikana ara-panononana ny teny anglisy dia afaka miady tsara amin'ny teny malagasy. ..